< Zaburi 49 >
1 Kwa mwimbishaji. Zaburi ya wana wa Kora. Sikieni haya, enyi mataifa yote, sikilizeni, ninyi wote mkaao dunia hii.
Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ ny Koraïta. Salamo. Mandrenesa izao, ry firenena rehetra; mihainoa, ry mponina rehetra amin’ izao tontolo izao:
2 Wakubwa kwa wadogo, matajiri na maskini pamoja:
Na ny ambany, na ny ambony, na ny manan-karena, na ny malahelo.
3 Kinywa changu kitasema maneno ya hekima, usemi wa moyo wangu utatoa ufahamu.
Ny vavako hiteny fahendrena; ary ny fieritreretan’ ny foko dia fahalalana.
4 Nitatega sikio langu nisikilize mithali, nitafafanua kitendawili kwa zeze:
Hanongilana ny sofiko hihaino oha-teny aho, ary hanonona teny saro-pantarina ampiarahiko amin-dokanga.
5 Kwa nini niogope siku mbaya zinapokuja, wakati wadanganyifu waovu wanaponizunguka,
Nahoana no hatahotra amin’ ny andro fahoriana aho, nony manodidina ahy ny haratsian’ ny mpamingana ahy,
6 wale wanaotegemea mali zao na kujivunia utajiri wao mwingi?
Dia izay matoky ny hareny, Sy mirehareha amin’ ny haben’ ny fananany?
7 Hakuna mwanadamu awaye yote awezaye kuukomboa uhai wa mwingine, au kumpa Mungu fidia kwa ajili yake.
Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’ Andriamanitra izay avony,
8 Fidia ya uhai ni gharama kubwa, hakuna malipo yoyote yanayotosha,
(Fa sarotra avotra ny ainy ka tsy azo atao mandrakizay),
9 ili kwamba aishi milele na asione uharibifu.
Mba ho velona mandrakizay izy, ka tsy ho latsaka ao amin’ ny lavaka.
10 Wote wanaona kwamba watu wenye hekima hufa; wajinga na wapumbavu vivyo hivyo huangamia na kuwaachia wengine mali zao.
Fa hita fa maty ihany ny olon-kendry; ary ny adala sy ny ketrina samy levona, ka mamela ny fananany ho an’ ny hafa.
11 Makaburi yao yatabaki kuwa nyumba zao za milele, makao yao vizazi vyote; ingawa walikuwa na mashamba na kuyaita kwa majina yao.
Araka ny heviny dia ataony fa ho mandrakizay ny tranony, ary ny fonenany hahatratra ny taranaka fara mandimby; araka ny anarany no anononany ny taniny.
12 Lakini mwanadamu, licha ya utajiri wake, hadumu; anafanana na mnyama aangamiaye.
Nefa na dia manana voninahitra aza ny olona, dia tsy maharitra izy; tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty izy.
13 Hii ndiyo hatima ya wale wanaojitumainia wenyewe, pia ya wafuasi wao, waliothibitisha misemo yao.
Izany no falehan’ ny olona adala; ary ny taranany mandimby azy mankasitraka ny teniny. (Sela)
14 Kama kondoo, wamewekewa kwenda kaburini, nacho kifo kitawala. Wanyofu watawatawala asubuhi, maumbile yao yataozea kaburini, mbali na majumba yao makubwa ya fahari. (Sheol )
Tahaka ny fanangona ondry no fanangona azy any amin’ ny fiainan-tsi-hita; ny fahafatesana no mpiandry azy; ary hanapaka azy ny mahitsy nony maraina; ary ny bikany ho levona any amin’ ny fiainan-tsi-hita, ka tsy hisy fonenany. (Sheol )
15 Lakini Mungu atakomboa uhai wangu na kaburi, hakika atanichukua kwake. (Sheol )
Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin’ ny herin’ ny fiainan-tsi-hita, Satria handray ahy Izy. (Sela) (Sheol )
16 Usitishwe mtu anapotajirika, fahari ya nyumba yake inapoongezeka,
Aza matahotra ianao, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny voninahitry ny tranony;
17 kwa maana hatachukua chochote atakapokufa, fahari yake haitashuka pamoja naye.
Fa tsy hitondra na inona na inona izy, raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny.
18 Ingawa alipokuwa akiishi alijihesabu kuwa heri, na wanadamu wanakusifu unapofanikiwa,
Na dia miarahaba tena aza izy, raha mbola velona ― Fa hidera anao ny olona, raha manisy soa ny tenanao ianao ―
19 atajiunga na kizazi cha baba zake, ambao hawataona kamwe nuru ya uzima.
Dia hankany amin’ ny razany izy, tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay ireny.
20 Mwanadamu mwenye utajiri bila ufahamu ni kama wanyama waangamiao.
Izay olona manana voninahitra, nefa tsy manan-tsaina, dia tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty.