< Mithali 1 >

1 Mithali za Solomoni mwana wa Daudi, mfalme wa Israeli:
Ny Ohabolan’ i Solomona, zanak’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely:
2 Kwa kupata hekima na nidhamu; kwa kufahamu maneno ya busara;
Hahalalana fahendrena sy fananarana, Ary hahafantarana ny tenin’ ny fahalalana;
3 kwa kujipatia nidhamu na busara, kufanya lililo sawa, haki na bila kupendelea;
Hahazoana fananarana mampahahendry, Dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana;
4 huwapa busara wajinga, maarifa na akili kwa vijana;
Hanomezam-pahendrena ho an’ ny kely saina, Ary fahalalana sy fisainana mazava ho an’ ny zatovo.
5 wenye hekima na wasikilize nao waongeze elimu yao, wenye kupambanua na wapate mwongozo;
Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara;
6 kwa kufahamu mithali na mifano, misemo na vitendawili vya wenye hekima.
Hahafantarana ohabolana sy fanoharana, Ary ny tenin’ ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony.
7 Kumcha Bwana ndicho chanzo cha maarifa, lakini wapumbavu hudharau hekima na adabu.
Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Fananarana tsy hikambana amin’ ny mpanao ratsy.
8 Mwanangu, sikiliza mwongozo wa baba yako, wala usiyaache mafundisho ya mama yako.
Anaka, mihainoa ny ana-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao;
9 Hayo yatakuwa taji la maua la neema kichwani pako, na mkufu wa kuipamba shingo yako.
Fa fehiloha tsara tarehy amin’ ny lohanao izany, Ary rado amin’ ny vozonao.
10 Mwanangu, kama wenye dhambi wakikushawishi, usikubaliane nao.
Anaka, raha taomin’ ny mpanota ianao, Aza manaiky.
11 Kama wakisema, “Twende tufuatane; tukamvizie mtu na kumwaga damu, njoo tukavizie nafsi isiyo na hatia;
Raha hoy izy: Andeha hiaraka isika, Aoka isika hanotrika handatsa-drà; Andeha hamitsahantsika tsy ahoan-tsy ahoana ny tsy manan-tsiny;
12 tuwameze wakiwa hai kama kaburi, wakiwa wazima kama wale wanaotumbukia shimoni. (Sheol h7585)
Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin’ ny fiainan-tsi-hita Ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka any an-davaka; (Sheol h7585)
13 Tutapata aina zote za vitu vya thamani na kujaza nyumba zetu kwa nyara.
Dia ho azontsika ny fananana sarobidy rehetra, Ka hofenointsika babo ny tranontsika;
14 Njoo ushirikiane nasi, vitu vyote tutakavyopata tutagawana.”
Avia mba hiara-miloka eto aminay; Aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra:
15 Mwanangu, usiandamane nao. Usiweke mguu wako katika njia zao,
Anaka, aza miara-dalana aminy ianao; Arovy ny tongotrao tsy hankamin’ ny alehany;
16 kwa kuwa miguu yao hukimbilia kwenye dhambi, ni wepesi kumwaga damu.
Fa ny tongony mihazakazaka ho amin’ ny ratsy Sady faingana handatsa-drà.
17 Tazama ni jinsi gani ilivyo kazi bure kutandaza wavu wakati ndege wote wanakuona!
Fa velarim-poana ny fandrika, Raha hitan’ ny vorona.
18 Watu hawa huvizia kumwaga damu yao wenyewe; hujivizia tu wenyewe!
Fa ireny dia manotrika handatsaka ny ran’ ny tenany ihany; Mamitsaka hahafaty ny tenany ihany izy.
19 Huu ndio mwisho wa wote ambao wanajipatia mali kwa hila; huuondoa uhai wa wale wenye mali.
Toy izany no iafaran’ izay rehetra fatra-pila harena; Fa hipaoka ny ain’ izay fatra-pila azy izany.
20 Hekima huita kwa sauti kuu barabarani, hupaza sauti yake kwenye viwanja vikubwa;
Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy;
21 kwenye makutano ya barabara za mji zenye makelele mengi hupaza sauti, kwenye malango ya mji hutoa hotuba yake:
Mitory ao amin’ izay fivorian’ ny maro be mireondreona izy; Eo anoloan’ ny vavahady sy ao an-tanàna no ilazany ny teniny hoe:
22 “Enyi wajinga, mtangʼangʼania ujinga wenu hadi lini? Mpaka lini wenye mizaha watafurahia mizaha, na wapumbavu kuchukia maarifa?
Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian’ ny mpaniratsira amin’ ny faniratsirana, Ary hankahalan’ ny adala ny fahalalana?
23 Kama mngekuwa mmeitikia karipio langu, ningekuwa nimemimina roho yangu kwenu na kuwafahamisha maneno yangu.
Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko.
24 Lakini kwa kuwa mlinikataa nilipowaita na hakuna yeyote aliyekubali niliponyoosha mkono wangu,
Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina;
25 kwa kuwa mliyapuuza mashauri yangu yote na hamkukubali karipio langu,
Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo:
26 mimi nami nitawacheka katika maafa yenu, nitawadhihaki wakati janga litawapata:
Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo.
27 wakati janga litawapata kama tufani, wakati maafa yatawazoa kama upepo wa kisulisuli, wakati dhiki na taabu zitawalemea.
Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana,
28 “Ndipo watakaponiita lakini sitawajibu; watanitafuta lakini hawatanipata.
Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho.
29 Kwa kuwa walichukia maarifa, wala hawakuchagua kumcha Bwana,
Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an’ i Jehovah,
30 kwa kuwa hawakukubali mashauri yangu, na kukataa maonyo yangu,
Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra,
31 watakula matunda ya njia zao, na watashibishwa matunda ya hila zao.
Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny.
32 Kwa kuwa ukaidi wa wajinga utawaua, nako kuridhika kwa wajinga kutawaangamiza.
Fa ny fihemoran’ ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan’ ny adala handringana azy.
33 Lakini yeyote anisikilizaye ataishi kwa usalama, atatulia, bila kuwa na hofu ya madhara.”
Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.

< Mithali 1 >