< Hosea 1 >

1 Neno la Bwana lililomjia Hosea mwana wa Beeri wakati wa utawala wa Uzia, Yothamu, Ahazi na Hezekia, wafalme wa Yuda, na wakati wa utawala wa Yeroboamu mwana wa Yehoashi, mfalme wa Israeli.
Ny tenin’ i Jehovah, izay tonga tamin’ i Hosea, zanak’ i Bery, tamin’ ny andro nanjakan’ i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, sy tamin’ ny andron’ i Jeroboama, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely.
2 Wakati Bwana alipoanza kuzungumza kupitia Hosea, Bwana alimwambia, “Nenda ukajitwalie mwanamke wa uzinzi na watoto wa uzinzi, kwa sababu nchi ina hatia ya uzinzi wa kupindukia kwa kumwacha Bwana.”
Tamin’ ny niandohan’ ny nitenenan’ i Jehovah tamin’ i Hosea dia hoy Jehovah taminy: Andeha ianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin’ i Jehovah ny tany.
3 Kwa hiyo alimwoa Gomeri binti Diblaimu, naye akachukua mimba na kumzalia Hosea mwana.
Dia lasa izy naka an’ i Gomera, zanakavavin’ i Diblaima; ary dia nanan’ anaka ravehivavy ka nitera-dahy taminy.
4 Kisha Bwana akamwambia Hosea, “Mwite Yezreeli, kwa kuwa kitambo kidogo nitaiadhibu nyumba ya Yehu kwa ajili ya mauaji ya kule Yezreeli, nami nitaukomesha ufalme wa Israeli.
Ary hoy Jehovah taminy: Ataovy Jezirela no anarany; fa vetivety dia hovaliako ny taranak’ i Jeho noho ny rà nalatsaka tao Jezirela, ary hatsahatro ny fanjakan’ ny taranak’ Isiraely.
5 Katika siku ile nitavunja upinde wa Israeli katika Bonde la Yezreeli.”
Ary amin’ izany andro izany dia hotapahiko ao amin’ ny tany lemaka Jezirela ny tsipìkan’ Isiraely.
6 Gomeri akachukua tena mimba akamzaa binti. Kisha Bwana akamwambia Hosea, “Mwite Lo-Ruhama, kwa maana sitaonyesha tena upendo kwa nyumba ya Israeli, kwamba nisije kabisa nikawasamehe.
Ary nanan’ anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy. Dia hoy Jehovah taminy: Ataovy Lò-rohama no anarany; fa tsy hamindra fo amin’ ny taranak’ Isiraely intsony Aho, eny, tsy havelako mihitsy ny helony.
7 Hata hivyo nitaonyesha upendo kwa nyumba ya Yuda, nami nitawaokoa si kwa upinde, upanga au vita, wala kwa farasi na wapanda farasi, bali kwa njia ya Bwana Mungu wao.”
Fa ny taranak’ i Joda no hamindrako fo, ary Izaho Jehovah Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin’ ny tsipìka, na amin’ ny sabatra, na amin’ ny ady, na amin’ ny soavaly, na amin’ ny mpitaingin-tsoavaly.
8 Baada ya Gomeri kumwachisha Lo-Ruhama kunyonya, Gomeri alipata mwana mwingine.
Ary rehefa notazana Lò-rohama, dia nanan’ anaka indray reniny ka nitera-dahy.
9 Kisha Bwana akasema, “Mwite Lo-Ami kwa maana ninyi si watu wangu, nami si Mungu wenu.
Dia hoy Jehovah: Ataovy Lò-amy no anarany; fa ianareo tsy oloko, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo.
10 “Hata hivyo Waisraeli watakuwa kama mchanga kando ya bahari, ambao hauwezi kupimika wala kuhesabiwa. Mahali pale walipoambiwa, ‘Ninyi si watu wangu,’ wao wataitwa ‘wana wa Mungu aliye hai.’
Kanefa, na dia izany aza, ny isan’ ny Zanak’ Isiraely dia ho betsaka toy ny fasika amin’ ny ranomasina, izay tsy azo afatra sady tsy tambo isaina; ary any amin’ ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hanaovana aminy hoe: Zanak’ Andriamanitra velona ianareo.
11 Watu wa Yuda na watu wa Israeli wataunganishwa tena, nao watamchagua kiongozi mmoja nao watakwea watoke katika nchi, kwa kuwa siku ya Yezreeli itakuwa kuu sana.
Dia hiara-mivory ny taranak’ i Joda sy ny taranak’ Isiraely ka hifidy anankiray ho lohany izy, dia hiakatra hiala amin’ ny tany, fa ho lehibe ny andron’ i Jezirda.

< Hosea 1 >