< Joeli 1 >

1 Neno la Bwana ambalo lilimjia Yoeli mwana wa Pethueli.
Ny tenin’ i Jehovah, izay tonga tamin’ i Joela, zanak’ i Petoela.
2 Sikilizeni hili, enyi wazee; sikilizeni, ninyi nyote mnaoishi katika nchi. Je, jambo kama hili lilishawahi kutokea katika siku zenu au katika siku za babu zenu?
Henoy izao, ry anti-panahy! Ary mandrenesa, ianareo mponina rehetra amin’ ny tany! Moa mba efa nisy tamin’ ny andronareo na tamin’ ny andron’ ny razanareo, va izao?
3 Waelezeni watoto wenu, na watoto wenu wawaambie watoto wao, na watoto wao kwa kizazi kitakachofuata.
Lazao amin’ ny zanakareo izao, ary aoka ny zanakareo hilaza amin’ ny zanany kosa, ary ny zanak’ ireo kosa indray amin’ ny taranaka mandimby azy.
4 Kilichosazwa na kundi la tunutu nzige wakubwa wamekula, kilichosazwa na nzige wakubwa parare wamekula, kilichosazwa na parare madumadu wamekula.
Izay sisan’ ny kijeja dia nohanin’ ny koraika; Ary izay sisan’ ny koraika dia nohanin’ ny valalavao: Ary izay sisan’ ny valalavao dia nohanin’ ny sompanga.
5 Amkeni, enyi walevi, mlie! Pigeni yowe enyi wanywaji wote wa mvinyo, pigeni yowe kwa sababu ya mvinyo mpya, kwa kuwa mmenyangʼanywa kutoka midomoni mwenu.
Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania, eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka, satria tapaka tsy ho amin’ ny vavanareo izany.
6 Taifa limevamia nchi yangu, lenye nguvu tena lisilo na idadi; lina meno ya simba, magego ya simba jike.
Fa misy firenena mahery sady tsy hita isa miakatra hamely ny taniko; Ny nifiny dia nifin-diona, ary ny vazany dia vazan’ ny liom-bavy.
7 Limeharibu mizabibu yangu na kuangamiza mitini yangu. Limebambua magome yake na kuyatupilia mbali, likayaacha matawi yake yakiwa meupe.
Nataony simba tokoa ny voaloboko, ary notapatapahiny ny aviaviko; Nataony nakiky tokoa ireny ka nariany, eny, tonga fotsy ny rantsany.
8 Omboleza kama bikira aliyevaa nguo ya gunia anayehuzunika kwa ajili ya mume wa ujana wake.
Midradradradrà toy ny virijina misikindamba fisaonana noho ny amin’ ny vadin’ ny fahatanorany.
9 Sadaka za nafaka na sadaka za kinywaji zimekatiliwa mbali kutoka nyumba ya Bwana. Makuhani wanaomboleza, wale wanaohudumu mbele za Bwana.
Efa tapaka tsy ho ao amin’ ny tranon’ i Jehovah ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; Mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ i Jehovah.
10 Mashamba yameharibiwa, ardhi imekauka; nafaka imeharibiwa, mvinyo mpya umekauka, mafuta yamekoma.
Mariry ny saha, misaona ny tany fambolena; Fa simba ny vary, ritra ny ranom-boaloboka, mihena ny diloilo.
11 Kateni tamaa, enyi wakulima, lieni, enyi mlimao mizabibu; huzunikeni kwa ajili ya ngano na shayiri, kwa sababu mavuno ya shambani yameharibiwa.
Aoka ho menatra ianareo mpiasa tany; midradradradrà, ianareo mpamboatra tanim-boaloboka, noho ny vary tritika sy ny vary hordea; Fa majifa ny vokatry ny saha;
12 Mzabibu umekauka na mtini umenyauka; mkomamanga, mtende na mtofaa, miti yote shambani, imekauka. Hakika furaha yote ya mwanadamu imeondoka.
Maina ny voaloboka, malazo ny aviavy, ary malazo koa ny ampongabendanitra sy ny rofia ary ny poma aza, dia ny hazo rehetra any an-tsaha; Eny, malazo ny fifalian’ ny zanak’ olombelona.
13 Vaeni nguo ya gunia, enyi makuhani, muomboleze; pigeni yowe, enyi mnaohudumu madhabahuni. Njooni, vaeni nguo ya gunia usiku kucha, enyi mnaohudumu mbele za Mungu wangu; kwa kuwa sadaka za nafaka na sadaka za kinywaji zimezuiliwa kufika katika nyumba ya Mungu wenu.
Misikìna sy mitomania, ianareo mpisorona; midradradradrà, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ ny alitara; Andeha mandry amin’ ny lamba fisaonana mandritra ny alina, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ Andriamanitro, fa tapaka tsy ho ao amin’ ny tranon’ Andriamanitra ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina.
14 Tangazeni saumu takatifu; liiteni kusanyiko takatifu. Iteni wazee na wote waishio katika nchi waende katika nyumba ya Bwana Mungu wenu, wakamlilie Bwana.
Manamasìna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masìna, angòny ny loholona sy ny mponina rehetra amin’ ny tany ho ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitrareo, koa andeha mitaraina amin’ i Jehovah.
15 Ole kwa siku hiyo! Kwa kuwa siku ya Bwana iko karibu; itakuja kama uharibifu kutoka kwa Mwenyezi.
Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andron’ i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ ny Tsitoha no fihaviny.
16 Je, chakula hakikukatiliwa mbali mbele ya macho yetu: furaha na shangwe kutoka nyumba ya Mungu wetu?
Moa tsy efa tapaka teo imasontsika va ny hanina, eny, ny fifaliana sy ny faharavoravoana tsy ho ao an-tranon’ Andriamanitsika?
17 Mbegu zinakauka chini ya mabonge ya udongo. Ghala zimeachwa katika uharibifu, ghala za nafaka zimebomolewa, kwa maana hakuna nafaka.
Matimaso ao ambanin’ ny baingan-tany ny vary nafafy, foana ny sompitra, mirodana ny trano fitehirizam-bary; Fa nalazo ny vary.
18 Jinsi gani ngʼombe wanavyolia! Makundi ya mifugo yanahangaika kwa sababu hawana malisho; hata makundi ya kondoo yanateseka.
Indrisy, ny fitoreon’ ny biby! Very hevitra ny omby andiany, satria tsy misy ahitra ho azy; Eny, na dia ny andian’ ny ondry aman’ osy aza dia mijaly noho ny heloka.
19 Kwako, Ee Bwana, naita, kwa kuwa moto umeteketeza malisho ya mbugani na miali ya moto imeunguza miti yote shambani.
Jehovah ô, Hianao no itarainako, fa efa levon’ ny afo ny kijana any an-efitra, ary nisy lelafo efa nandoro ny hazo rehetra any an-tsaha.
20 Hata wanyama wa porini wanakuonea shauku; vijito vya maji vimekauka, na moto umeteketeza malisho yote ya mbugani.
Na dia ny biby any an-tsaha aza dia mihanahana miandrandra Anao, satria ritra ny renirano, ary efa levon’ ny afo ny kijana any an-efitra.

< Joeli 1 >