< Ezekieli 33 >

1 Neno la Bwana likanijia kusema:
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2 “Mwanadamu, sema na watu wako uwaambie, ‘Nitakapoleta upanga dhidi ya nchi, nao watu wa nchi wakamchagua mmoja wa watu wao na kumfanya awe mlinzi wao,
Ry zanak’ olona, mitenena amin’ ny zanaky ny firenenao, ka lazao aminy hoe: Raha mahatonga sabatra amin’ ny tany anankiray Aho, ary ny tompon-tany maka lehilahy anankiray ao aminy ka manendry azy ho mpitily,
3 naye auonapo upanga unakuja dhidi ya nchi na kupiga tarumbeta kuonya watu,
ary hitan-dralehilahy fa, indro, avy ny sabatra, ka mitsoka ny anjomara hampitaitra ny olona izy,
4 kama mtu yeyote asikiapo sauti ya tarumbeta hakukubali kuonywa, basi upanga ujapo na kuutoa uhai wake, damu yake itakuwa juu ya kichwa chake mwenyewe.
nefa tsy mety taitr izay mandre ny feon’ ny anjomara, dia tonga ny sabatra ka mandripaka azy, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny.
5 Kwa kuwa alisikia sauti ya tarumbeta lakini hakukubali maonyo, damu yake itakuwa juu ya kichwa chake mwenyewe. Kama angekubali maonyo, angelijiokoa mwenyewe.
Nandre ny feon’ ny anjomara ihany izy, nefa tsy nety taitra; ho ao aminy ihany ny ràny; fa raha nety taitra izy, dia ho nahavonjy ny ainy ihany.
6 Lakini kama mlinzi akiona upanga unakuja na asipige tarumbeta kuonya watu na upanga ukija na kutoa uhai wa mmoja wao, yule mtu ataondolewa kwa sababu ya dhambi yake, lakini damu yake nitaitaka mkononi mwa mlinzi huyo.’
Fa raha hitan’ ilay mpitily kosa fa, indro, avy ny sabatra, nefa tsy nitsoka ny anjomara izy, ka tsy notairina ny olona, ary tonga ny sabatra ka mandringana olona ao aminy, dia matin’ ny helony ihany iny; nefa ny ràny dia hadiniko amin’ ny tànan’ ilay mpitily.
7 “Mwanadamu, nimekufanya wewe kuwa mlinzi kwa ajili ya nyumba ya Israeli, kwa hiyo sikia neno nisemalo na uwape maonyo kutoka kwangu.
Koa ianao, ry zanak’ olona, dia efa notendreko ho mpitily ho an’ ny taranak’ Isiraely, ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao, dia izany no ho entinao mananatra azy.
8 Nimwambiapo mtu mwovu, ‘Ewe mtu mwovu, hakika utakufa,’ nawe hukusema neno la kumwonya ili atoke katika njia zake, yule mtu mwovu atakufa kwa ajili ya dhambi yake, mimi nitaitaka damu yake mkononi mwako.
Raha hoy Izaho amin’ ny ratsy fanahy: He! ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao! nefa tsy mety mananatra azy ianao hiala amin’ ny alehany, dia ho fatin’ ny helony ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny ràny dia hadiniko amin’ ny tananao.
9 Lakini kama utamwonya huyo mtu mwovu aache njia zake mbaya naye hafanyi hivyo, atakufa kwa ajili ya dhambi yake, lakini utakuwa umejiokoa mwenyewe.
Fa raha mananatra ny ratsy fanahy ihany kosa ianao hiala amin’ ny lalany ratsy; fa izy no tsy mety miala amin’ izany, dia ho fatin’ ny helony ihany izy, nefa voavonjinao ny ainao.
10 “Mwanadamu, sema na nyumba ya Israeli uwaambie, ‘Hili ndilo mnalosema: “Makosa yetu na dhambi zetu zimetulemea, nasi tunadhoofika kwa sababu ya hayo. Tutawezaje basi kuishi?”’
Ary ianao, ry zanak’ olona, mitenena amin’ ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no fiteninareo: Eto aminay ny fahadisoanay sy ny fahotanay, ka mihalevona amin’ izany izahay, dia nahoana no mbola velona izahay?
11 Waambie, ‘Hakika kama mimi niishivyo, asema Bwana Mwenyezi, sifurahii kifo cha watu waovu, bali kwamba wageuke kutoka njia zao mbaya wapate kuishi. Geukeni! Geukeni kutoka njia zenu mbaya! Kwa nini mkafe, ee nyumba ya Israeli?’
Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ ny ratsy fanahy amin’ ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak’ Isiraely?
12 “Kwa hiyo, mwanadamu, waambie watu wako, ‘Haki ya mtu mwenye haki haitamwokoa wakati anapoacha kutii, wala uovu wa mtu mwovu hautamsababisha yeye kuanguka anapotubu na kuacha uovu. Mtu mwenye haki, kama akitenda dhambi, hataishi kwa sababu ya uadilifu wake wa awali.’
Ary ianao, ry zanak’ olona’ lazao amin’ ny zanaky ny firenenao hoe: Ny fahamarinan’ ny marina tsy hahavonjy azy, raha mby amin’ ny andro ahadisoany; ary ny faharatsian’ ny ratsy fanahy tsy hahavoa azy, raha mby amin’ ny andro ialany amin’ ny faharatsiany; ary ny marina tsy ho velona noho ny fahamarinany, raha mby amin’ ny andro anotany.
13 Kama nikimwambia mtu mwenye haki kwamba hakika utaishi, lakini akategemea hiyo haki yake na kutenda uovu, hakuna tendo lolote la haki alilotenda litakalokumbukwa, atakufa kwa ajili ya uovu alioutenda.
Raha lazaiko amin’ ny marina hoe: Ho velona tokoa ianao, nefa izy mitoky amin’ ny fahamarinany ka manao meloka, dia tsy hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay nataony, fa ny heloka nataony no hahafaty azy.
14 Nami kama nikimwambia mtu mwovu, ‘Hakika utakufa,’ kisha akageuka kutoka dhambi yake na kufanya lile lililo haki na sawa,
Ary koa, raha hoy Izaho kosa amin’ ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao, nefa miala amin’ ny fahotany izy sady manao izay marina sy mahitsy.
15 kama akirudisha kile alichochukua rehani kwa ajili ya deni, akarudisha alichoiba na kufuata amri zile ziletazo uzima, wala hafanyi uovu, hakika ataishi, hatakufa.
ka mamerina ny natao tsatòka sady mampody izay nangalariny ary mandeha araka ny didy mahavelona ka tsy manao meloka, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
16 Hakuna dhambi yoyote aliyoitenda itakayokumbukwa juu yake. Ametenda lile lililo haki na sawa, hakika ataishi.
Ny fahotana rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony; manao izay marina sy mahitsy izy, ka dia ho velona tokoa.
17 “Lakini watu wako wanasema, ‘Njia ya Bwana si sawa.’ Lakini ni njia zao ambazo si sawa.
Kanefa, hoy ny zanaky ny firenenao: Tsy marina ny fitondran’ ny Tompo; nefa ny fitondran’ ny tenany no tsy marina.
18 Kama mtu mwenye haki akigeuka kutoka uadilifu wake na kufanya uovu, atakufa kwa ajili ya huo uovu.
Raha ny marina miala amin’ ny fahamarinany ka manao meloka, dia ho faty amin’ izany izy.
19 Naye mtu mwovu kama akigeuka kutoka uovu wake na kufanya lile lililo haki na sawa, kwa kufanya hivyo ataishi.
Ary raha ny ratsy fanahy miala amin’ ny faharatsiany ka manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona amin’ izany izy.
20 Lakini, ee nyumba ya Israeli, unasema, ‘Njia ya Bwana si sawa.’ Lakini nitamhukumu kila mmoja wenu sawasawa na njia zake mwenyewe.”
Kanefa, hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran’ ny Tompo. He! ry taranak’ Isiraely, samy hotsaraiko araka ny alehany avy ianareo.
21 Mwaka wa kumi na mbili wa uhamisho wetu, mwezi wa kumi, siku ya tano, mtu aliyekuwa ametoroka kutoka Yerusalemu akanijia na kusema, “Mji wa Yerusalemu umeanguka!”
Ary nony tamin’ ny andro fahadimy tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo taorian’ ny namaboana antsika, dia nisy olona efa nandositra avy tany Jerosalema tonga tao amiko ka nanao hoe: Afaka ny tanàna.
22 Basi jioni kabla mtu huyo hajaja, mkono wa Bwana, ulikuwa juu yangu, naye alifungua kinywa changu kabla ya mtu yule aliyenijia asubuhi hajafika. Basi kinywa changu kilifunguliwa na sikuweza tena kunyamaza.
Dia efa tonga tamiko ny tànan’ i Jehovah tamin’ ny omaly harivan’ ny andro nahatongavan’ ilay nandositra izay tonga tao amiko, ka nosokafany ny vavako mandra-pahatongan’ ilay nandositra, izay tonga tao amiko nony maraina; dia efa nisokatra ny vavako, ka tsy moana intsony aho.
23 Ndipo neno la Bwana likanijia kusema:
Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
24 “Mwanadamu, watu wanaoishi katika magofu hayo katika nchi ya Israeli wanasema hivi, ‘Abrahamu alikuwa mtu mmoja tu, hata hivyo akaimiliki nchi. Lakini sisi ni wengi, hakika tumepewa nchi kuwa milki yetu.’
Ry zanak’ olona, ny monina amin’ ireny rava amin’ ny tanin’ ny Isiraely ireny dia manao hoe: Ireny ihany Abrahama, nefa nandova ny tany izy, fa isika kosa dia maro, ary omena antsika ny tany ho lovantsika
25 Kwa hiyo waambie, ‘Hili ndilo Bwana Mwenyezi asemalo: Kwa kuwa mnakula nyama pamoja na damu na kuinulia sanamu zenu macho na kumwaga damu, je, mtaimiliki nchi?
Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Homan-javatra misy rà sady miandrandra ny sampinareo ianareo ary mandatsa-drà, moa hahazo handova ny tany va ianareo?
26 Mnategemea panga zenu, mnafanya mambo ya machukizo na kila mmoja wenu humtia unajisi mke wa jirani yake. Je, mtaimiliki nchi?’
Mitoky amin’ ny sabatrareo ianareo sady manao fahavetavetana, ka samy mandoto ny vadin’ ny namany avy; koa hahazo handova ny tany va ianareo?
27 “Waambie hivi: ‘Hili ndilo Bwana Mwenyezi asemalo: Hakika kama niishivyo, wale waliobaki katika magofu wataanguka kwa upanga, wale walio nje mashambani nitawatoa wararuliwe na wanyama pori, nao wale walio katika ngome na kwenye mapango watakufa kwa tauni.
Izao no holazainao aminy: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, dia tsy maintsy ho lavon’ ny sabatra izay ao amin’ ny tanàna rava, ary izay any an-tsaha dia homeko ho rembin’ ny bibi-dia, ary izay ao amin’ ny harambato sy amin’ ny lava-tany dia ho fatin’ ny areti-mandringana.
28 Nitaifanya nchi kuwa ukiwa na utupu na kiburi cha nguvu zake zitafikia mwisho, nayo milima ya Israeli itakuwa ukiwa ili mtu yeyote asipite huko.
Fa hataoko rava sy lao ny tany, ary hitsahatra ny fiavonavonan’ ny heriny; ho lao ny tendrombohitry ny Isiraely, ka tsy hisy mpandia azy.
29 Kisha watajua kuwa Mimi ndimi Bwana, nitakapokuwa nimeifanya nchi kuwa ukiwa na utupu kwa sababu ya mambo yote ya machukizo waliyotenda.’
Dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hataoko rava sy lao ny tany noho ny fahavetavetana nataony.
30 “Kwa habari yako wewe, mwanadamu, watu wako wanaongea habari zako wakiwa karibu na kuta na kwenye milango ya nyumba, wakiambiana kila mmoja na mwenzake, ‘Njooni msikie ujumbe ule utokao kwa Bwana.’
Ary ianao, ry zanak’ olona, ny zanaky ny firenenao dia miresaka anao eny am-bodirindrina sy eo am-baravaran’ ny tranony, ka samy manao amin’ ny rahalahiny hoe: Andeha isika, ary aoka handre izay teny avy amin’ i Jehovah.
31 Watu wangu wanakujia, kama wafanyavyo, nao wanaketi mbele yako kama watu wangu na kusikiliza maneno yako, lakini hawayatendi. Kwa maana udanganyifu u katika midomo yao, lakini mioyo yao ina tamaa ya faida isiyo halali.
Dia mankao aminao tahaka ny fihavin’ ny olona izy ka mipetraka eo anatrehanao toa oloko ary mahare ny teninao, nefa tsy mety mankatò azy; fa, indro, teny mamy no lazain’ ny vavany, nefa ny fony dia lasa manaraka ny filan-karena.
32 Naam, mbele yao umekuwa tu kama yeye aimbaye nyimbo za mapenzi kwa sauti nzuri za kuvutia na kupiga vyombo kwa ustadi, kwa kuwa wanasikia maneno yako lakini hawayatendi.
Koa, indro, ianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra, izay tsara feo sady mahay mitendry; fa mandre ny teninao izy, nefa tsy mety mankatò azy.
33 “Wakati mambo haya yote yatakapotimia, kwa kuwa hakika yatatokea, ndipo watakapojua kwamba nabii amekuwepo miongoni mwao.”
Ary nony tanteraka izany (indro, efa ho tanteraka ihany), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany tokoa tao aminy.

< Ezekieli 33 >