< Ezekieli 32 >

1 Katika mwaka wa kumi na mbili, mwezi wa kumi na mbili, siku ya kwanza ya mwezi, neno la Bwana likanijia, kusema:
Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2 “Mwanadamu, fanya maombolezo kwa ajili ya Farao mfalme wa Misri na umwambie: “‘Wewe ni kama simba miongoni mwa mataifa, wewe ni kama joka kubwa baharini, unayevuruga maji kwa miguu yako na kuchafua vijito.
Ry zanak’ olona, manaova hira fahalahelovana ny amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, ka ataovy aminy hoe: Nanao ny tenanao ho tahaka ny liona tanora tamin’ ny firenena ianao, kanjo tahaka ny dragona ao anatin’ ny rano be; Ary nitsoriaka teny amin’ ny oninao ianao dia nanakobankobana ny rano tamin’ ny tongotrao ka nahaloto ny ony.
3 “‘Hili ndilo Bwana Mwenyezi asemalo: “‘Nikiwa pamoja na wingi mkubwa wa watu nitautupa wavu wangu juu yako, nao watakukokota katika wavu wangu.
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny firenena betsaka tafatambatra no ho entiko mamelatra ny haratoko aminao, ary hakarin’ ireny amin’ ny haratoko ianao,
4 Nitakutupa nchi kavu na kukuvurumisha uwanjani. Nitawafanya ndege wote wa angani watue juu yako na wanyama wote wa nchi watajishibisha nyama yako.
Dia hatsipiko eny an-tanety ianao ary hariako any an-tsaha, dia hampitangoroniko eo aminao ny voro-manidina rehetra, ary homeko hivokisan’ ny bibi-dia rehetra ny tenanao.
5 Nitatawanya nyama yako juu ya milima na kujaza mabonde kwa mabaki yako.
Haeliko eny an-tendrombohitra ny nofonao, ary hofenoiko ny tenabenao ny lohasaha.
6 Nitailowanisha nchi kwa damu yako inayotiririka njia yote hadi milimani, nayo mabonde yatajazwa na nyama yako.
Hataoko safotry ny rànao ny tany Hatramin’ ny tendrombohitra aza; Ary ho feno anao ny ony.
7 Nitakapokuzimisha, nitafunika mbingu na kuzitia nyota zake giza; nitalifunika jua kwa wingu, nao mwezi hautatoa nuru yake.
Ary raha hovonoiko ny fahazavanao, dia hosaronako ny lanitra: Hotafiako lamba fisaonana ny kintany; Ny masoandro hotakonako rahona, ary ny volana tsy hangarangarana.
8 Mianga yote itoayo nuru angani nitaitia giza juu yako; nitaleta giza juu ya nchi yako, asema Bwana Mwenyezi.
Eny, ireny fanazavana eny amin’ ny lanitra ireny dia hotafiako lamba fisaonana avokoa noho ny aminao, ary hosaronako aizina ny taninao, hoy Jehovah Tompo.
9 Nitaifadhaisha mioyo ya mataifa mengi nitakapokuangamiza miongoni mwa mataifa, nikikuleta uhamishoni miongoni mwa nchi ambazo haujapata kuzijua.
Hataoko mitebiteby koa ny fon’ ny firenena maro, raha hampandrenesiko ny firenena maro ny naharavanao, dia any amin’ ny tany izay tsy fantatrao
10 Nitayafanya mataifa mengi wakustaajabie, wafalme wao watatetemeka kwa hofu kwa ajili yako nitakapotikisa upanga wangu mbele yao. Siku ya anguko lako kila mmoja wao atatetemeka kila dakika kwa ajili ya maisha yake.
Eny, hataoko talanjona anao ny firenena maro, Ary hipararetra noho ny aminao ny mpanjakany, raha hantsodiko eo imasony ny sabatro, ary samy hangovitra lalandava izy amin’ ny fanahiany ny ainy, raha mby amin’ ny andro haharavanao.
11 “‘Kwa kuwa hili ndilo Bwana Mwenyezi asemalo: “‘Upanga wa mfalme wa Babeli utakuja dhidi yako.
Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny sabatry ny mpanjakan’ i Babylona dia ho tonga aminao.
12 Nitafanya makundi yako ya wajeuri kuanguka kwa panga za watu mashujaa, taifa katili kuliko mataifa yote. Watakivunjavunja kiburi cha Misri, nayo makundi yake yote ya wajeuri yatashindwa.
Ny sabatry ny mahery, izay samy masiaka indrindra amin’ ny firenena, ho entiko mandavo ny vahoakanao maro be, dia horavany ny reharehan’ i Egypta, ka ho fongotra ny vahoakany maro be rehetra.
13 Nitaangamiza mifugo yake yote wanaojilisha kando ya maji mengi, hayatavurugwa tena kwa mguu wa mwanadamu wala kwato za mnyama hazitayachafua tena.
Haringako koa ny biby fiompiny rehetra eny amoron’ ny rano maro, ary tsy hanakobankobana azy intsony ny tongotry ny olona, na handoto azy ny kitron’ ny biby fiompy.
14 Kisha nitafanya maji yake yatulie na kufanya vijito vyake vitiririke kama mafuta, asema Bwana Mwenyezi.
Dia hahenako ny ranony, ary hampandehaniko toy ny diloilo ny oniny, hoy Jehovah Tompo,
15 Nitakapoifanya Misri kuwa ukiwa na kuiondolea nchi kila kitu kilichomo ndani yake, nitakapowapiga wote waishio humo, ndipo watakapojua kuwa Mimi ndimi Bwana.’
Raha hataoko lao ny tany Egypta, ka hofoanako tsy hisy na inona na inona izay nahafeno azy teo; Ary haringako ny monina rehetra ao aminy, dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
16 “Hili ndilo ombolezo watakalomwimbia. Binti za mataifa wataliimba, kwa kuwa Misri na makundi yake yote ya wajeuri wataliimba, asema Bwana Mwenyezi.”
Izany no hira fahalahelovana hataon’ ny olona; Ny zanakavavin’ ny firenena no hihira izany; Eny, ho fahalahelovana an’ i Egypta sy ny vahoakany maro be rehetra no hihirany izany, hoy Jehovah Tompo.
17 Katika mwaka wa kumi na mbili, mwezi wa kwanza, siku ya kumi na tano ya mwezi, neno la Bwana likanijia kusema:
Ary tamin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo tamin’ ny volana tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
18 “Mwanadamu, omboleza kwa ajili ya makundi ya wajeuri wa Misri na uwatupe kuzimu yeye na binti za mataifa yenye nguvu, waende huko pamoja nao washukao shimoni. (questioned)
Ry zanak’ olona, isaony ny vahoaka maroben’ i Egypta, ary ampidino izy mbamin’ ny zanakavavin’ ny firenena malaza ho any ambanin’ ny tany, miaraka amin’ izay midìna any an-davaka.
19 Je, ninyi mnamzidi nani kwa uzuri? Shukeni chini! Nanyi mkalazwe pamoja na hao wasiotahiriwa!
Mihoatra noho ny an’ iza moa ny hatsaran-tarehinao? Midìna, ka miampara amin’ izay tsy voafora.
20 Wataanguka miongoni mwa wale waliouawa kwa upanga. Upanga umefutwa, mwache aburutwe mbali pamoja na hao wajeuri wake wote.
Any amin’ ny voatrabaky ny sabatra no hiampatramparany; Ny sabatra dia efa voatolotra; Tariho izy mbamin’ ny vahoakany maro be rehetra.
21 Kutoka kuzimu viongozi hodari watanena kuhusu Misri pamoja na wale walioungana nao, ‘Wameshuka chini, nao wamelala kimya pamoja na hao wasiotahiriwa, pamoja na wale waliouawa kwa upanga.’ (Sheol h7585)
Izy sy ny nanampy azy no resahin’ ireo malaza amin’ ny lehilahy mahery any amin’ ny fiainan-tsi-hita manao hoe: Tafidina ka miampatra ny tsy voafora, dia ireo voatrabaky ny sabatra. (Sheol h7585)
22 “Ashuru yuko huko pamoja na jeshi lake lote, amezungukwa na makaburi ya watu wake wote waliouawa, wale wote walioanguka kwa upanga.
Ao koa Asyria mbamin’ ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon’ ny sabatra;
23 Makaburi yao yako kwenye kina cha chini cha shimo na jeshi lake limelala kulizunguka kaburi lake. Wote waliokuwa wameeneza hofu kuu katika nchi ya walio hai wameuawa, wameanguka kwa upanga.
Efa natao any am-paravodi-lavaka ny fasany, ary ny vahoakany maro be dia manodidina ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon’ ny sabatra, dia ireo izay nahatonga tahotra tany amin’ ny tanin’ ny velona.
24 “Elamu yuko huko, pamoja na makundi yake yote ya wajeuri wakiwa wamelizunguka kaburi lake. Wote wameuawa, wameanguka kwa upanga. Wote waliokuwa wameeneza hofu katika nchi ya walio hai walishuka kuzimu bila kutahiriwa. Wanaichukua aibu yao pamoja na wale washukao shimoni. (questioned)
Ao koa Elama mbamin’ ny vahoakany maro be rehetra manodidina ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon’ ny sabatra, ka tafidina tsy voafora ho any ambanin’ ny tany, dia ireo nahatonga ny fahatahorana azy tany amin’ ny tanin’ ny velona, ary samy mitondra henatra miaraka amin’ izay midìna any an-davaka.
25 Kitanda kimetandikwa kwa ajili yake miongoni mwa waliouawa, pamoja na makundi yake yote ya wajeuri wakiwa wamelizunguka kaburi lake. Wote ni watu wasiotahiriwa, wameuawa kwa upanga. Kwa sababu vitisho vyao vilienea katika nchi ya walio hai, wameichukua aibu yao pamoja na wale washukao shimoni, nao wamewekwa miongoni mwa waliouawa.
Teo amin’ ny voatrabaka no nanaovana fandriana ho azy mbamin’ ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany, izy rehetra samy tsy voafora sady voatrabaky ny sabatra, fa efa niely tany amin’ ny tanin’ ny velona ny fahatahorana azy, ary samy mitondra henatra miaraka amin’ izay midìna any an-davaka izy; Ao amin’ ny voa-trabaka no nametrahany azy.
26 “Mesheki na Tubali wako humo, pamoja na makundi yao ya wajeuri wakiwa wameyazunguka makaburi yao. Wote hawakutahiriwa, wameuawa kwa upanga kwa sababu walieneza vitisho vyao katika nchi ya walio hai.
Ao koa Meseka-tobala mbamin’ ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany; Samy tsy voafora izy rehetra sady voatrabaky ny sabatra, satria nahatonga ny fahatahorana azy tany amin’ ny tanin’ ny velona izy.
27 Je, hawakulala na mashujaa wengine wasiotahiriwa waliouawa, ambao wameshuka kaburini wakiwa na silaha zao za vita, ambao panga zao ziliwekwa chini ya vichwa vyao na uovu wao juu ya mifupa yao? Adhabu kwa ajili ya dhambi zao ilikuwa juu ya mifupa yao, ingawa vitisho vya mashujaa hawa vilikuwa vimeenea hadi kwenye nchi ya walio hai. (Sheol h7585)
Ary tsy hiara-miampatra amin’ ny lehilahy mahery izay lavo isan’ ny tsy voafora izy, dia ireo tafidina any amin’ ny fiainan-tsi-hita ka mitondra ny fiadiany, sady voapetraka eo ambanin’ ny lohany ny sabany. Ary ao amin’ ny taolany ny helony, satria nampahatahotra ny mahery tany amin’ ny tanin’ ny velona izy. (Sheol h7585)
28 “Wewe pia, ee Farao, utavunjwa nawe utalala miongoni mwa wasiotahiriwa, pamoja na wale waliouawa kwa upanga.
Eny, ianao dia haripaka ao amin’ ny tsy voafora ka hiara-miampatra amin’ ny voatrabaky ny sabatra.
29 “Edomu yuko humo, wafalme wake wote na wakuu wake wote, ambao ijapokuwa wana nguvu, wamelazwa pamoja na wale waliouawa kwa upanga. Wamelala pamoja na wasiotahiriwa, pamoja na wale washukao shimoni.
Ao koa Edoma mbamin’ ny mpanjakany sy ny mpanapaka rehetra tao aminy, Izay natao ao amin’ ny voatrabaky ny sabatra, na dia be aza ny heriny, miara-miampatra amin’ ny tsy voafora izy sy amin’ izay midìna any an-davaka.
30 “Wakuu wote wa kaskazini na Wasidoni wote wako huko, wameshuka chini pamoja na waliouawa kwa aibu ijapokuwa kuna vitisho vilivyosababishwa na nguvu zao. Wamelala bila kutahiriwa pamoja na wale waliouawa kwa upanga na kuchukua aibu yao pamoja na wale washukao chini shimoni.
Ao koa ireo andrianan’ ny avaratra rehetra sy ny Sidoniana rehetra, izay niara-nidina tamin’ ny voatrabaka menatra izy, na dia efa natahorana noho ny heriny aza, ary miampatra tsy voafora ao amin’ izay voatrabaky ny sabatra izy ka mitondra henatra ao amin’ izay midìna any an-davaka.
31 “Farao, yeye pamoja na jeshi lake lote, atakapowaona atafarijiwa kwa ajili ya makundi yake yote ya wajeuri, wale waliouawa kwa upanga, asema Bwana Mwenyezi.
Ireny dia ho hitan’ i Farao, ka dia hionona izy ny amin’ ny vahoakany maro be. Voatrabaky ny sabatra parao mbamin’ ny miaramilany rehetra, hoy Jehovah Tompo.
32 Ingawa nilimfanya Farao aeneze vitisho vyake katika nchi ya walio hai, Farao pamoja na makundi yake yote ya wajeuri watalazwa miongoni mwa wasiotahiriwa, pamoja na wale waliouawa kwa upanga, asema Bwana Mwenyezi.”
Fa efa nahatonga ny fahatahorana azy tany amin’ ny tanin’ ny velona Aho; Ary Farao dia halevina ao amin’ ny tsy voafora, miaraka amin’ ireo voatrabaky ny sabatra, dia Farao mbamin’ ny vahoakany maro be rehetra, hoy Jehovah Tompo.

< Ezekieli 32 >