< Salamo 12 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-hasheminith. Salamo nataon’ i Davida. Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin’ ny zanak’ olombelona.
למנצח על-השמינית מזמור לדוד ב הושיעה יהוה כי-גמר חסיד כי-פסו אמונים מבני אדם
2 Samy milaza lainga amin’ ny namany amin’ ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany.
שוא ידברו--איש את-רעהו שפת חלקות--בלב ולב ידברו
3 Holevonin’ i Jehovah anie ny molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona,
יכרת יהוה כל-שפתי חלקות-- לשון מדברת גדלות
4 Izay manao hoe: hampahery anay ny lelanay; miandany aminay ny molotray; iza no tomponay?
אשר אמרו ללשננו נגביר--שפתינו אתנו מי אדון לנו
5 Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan’ ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain’ ny sasany.
משד עניים מאנקת אביונים עתה אקום יאמר יהוה אשית בישע יפיח לו
6 Ny tenin’ i Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin’ ny memy ka mitsoriaka amin’ ny tany eny, voadio impito.
אמרות יהוה אמרות טהרות כסף צרוף בעליל לארץ מזקק שבעתים
7 Hianao, Jehovah ô, no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon’ ity taranaka ity.
אתה-יהוה תשמרם תצרנו מן-הדור זו לעולם
8 Raha avy izay isandratan’ ny tsinontsinona eo amin’ ny zanak’ olombelona, dia mieboebo ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana ataon’ izay azom-pahoriana mafy loatra.
סביב רשעים יתהלכון כרם זלות לבני אדם

< Salamo 12 >