< Salamo 11 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida.
למנצח לדוד ביהוה חסיתי--איך תאמרו לנפשי נודו (נודי) הרכם צפור
2 Fa, indro, ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany; efa nanamboatra ny zana-tsipìkany eo amin’ ny kofehy izy, nikendry tao amin’ ny maizina hitifitra ny mahitsy fo.
כי הנה הרשעים ידרכון קשת כוננו חצם על-יתר-- לירות במו-אפל לישרי-לב
3 Fa rava ny fanorenana, ka inona indray no azon’ ny marina atao?
כי השתות יהרסון-- צדיק מה-פעל
4 Jehovah dia ao amin’ ny tempoliny masìna, ny seza fiandrianan’ i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak’ olombelona.
יהוה בהיכל קדשו-- יהוה בשמים כסאו עיניו יחזו-- עפעפיו יבחנו בני אדם
5 Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan’ ny fanahiny.
יהוה צדיק יבחן ורשע ואהב חמס--שנאה נפשו
6 Handatsaka fandrika amin’ ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.
ימטר על-רשעים פחים אש וגפרית ורוח זלעפות--מנת כוסם
7 Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany.
כי-צדיק יהוה צדקות אהב ישר יחזו פנימו

< Salamo 11 >