< Joba 31 >

1 Efa nampanekeko ny masoko; Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy?
“Ndinachita pangano ndi maso anga kuti sindidzapenya namwali momusirira.
2 Fa raha izany, dia inona no anjara avy amin’ Andriamanitra any ambony. Sy lova avy amin’ ny Tsitoha any amin’ ny avo?
Kodi Mulungu kumwambako wandisungira zotani? Kodi cholowa changa chochokera kwa Wamphamvuzonse kumwambako nʼchotani?
3 Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy fahoriana va no mahazo ny mpanao ratsy?
Kodi si chiwonongeko kwa anthu oyipa, tsoka kwa iwo amene amachita zolakwa?
4 Moa tsy Andriamanitra va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra?
Kodi Mulungu saona zochita zanga, ndi kudziwa mayendedwe anga?
5 Raha tàhiny nandeha tamin’ ny fitaka aho na niezaka tamin’ ny fahafetsena.
“Ngati ndachita zinthu mwachiphamaso, kapena kufulumira kukachita zachinyengo,
6 (Enga anie ka holanjain’ Andriamanitra eo amin’ ny mizanan’ ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny);
Mulungu andiyeze ndi muyeso wake wolungama ndipo Iye adzadziwa kuti ine ndine wosalakwa,
7 Raha tàhiny nivily niala tamin’ ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin’ ny tanako:
ngati mayendedwe anga asempha njira, ngati mtima wanga wakhumbira zimene maso anga aona, kapena ngati ndachita choyipa chilichonse.
8 Dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hihinana, ary aoka ho fongotra izay amboleko.
Pamenepo ena adye zimene ndinadzala, ndipo zomera zanga zizulidwe.
9 Raha tahìny adala tamin’ ny vadin’ olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran’ ny namako aho,
“Ngati mtima wanga unakopekapo ndi mkazi, ndipo ngati ndinalakalaka mkazi wa mnansi wanga,
10 Dia aoka kosa ny vadiko halain’ ny sasany, ary aoka olon-kafa no handry aminy.
pamenepo mkazi wanga aphikire mwamuna wina chakudya, ndipo amuna ena azigona naye.
11 Fa fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain’ ny mpitsara;
Pakuti zimenezo zikanakhala zochititsa manyazi, tchimo loyenera kulangidwa nalo.
12 Fa afo mandevona hatrany amin’ ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra.
Ndi moto umene umayaka mpaka chiwonongeko; ukanapsereza zokolola zanga.
13 Raha tàhiny aho nandà ny rariny izay an’ ny ankizilahiko na ny ankizivaviko, raha nifamaly tamiko izy,
“Ngati ndinkapondereza mlandu wa akapolo anga aamuna kapena aakazi, pamene ankabwera kwa ine ndi milandu yawo,
14 Dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy?
ndidzatani pamene Mulungu adzanditsutsa? Nanga ndidzayankha chiyani akadzandifunsa?
15 Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka?
Kodi amene anapanga ine mʼmimba mwa amayi anga si yemwe anapanganso iwo? Kodi si mmodzi yemweyo amene anatipanga tonsefe mʼmimba mwa amayi athu?
16 Raha tàhiny aho nandà Izay nirin’ ny malahelo ka nahapahina ny mason’ ny mpitondratena,
“Ngati ndinawamana aumphawi zinthu zimene ankazikhumba, kapena kuwagwiritsa fuwa lamoto akazi amasiye amene amafuna thandizo kwa ine,
17 Na nihinana ny sombin-kaniko irery, ka tsy mba nihinanan’ ny kamboty
ngati chakudya changa ndinadya ndekha, wosagawirako mwana wamasiye,
18 (Fa tsy izany, fa hatry ny fony mbola tanora aho, dia notezaina teo amiko tahaka ny zanaka ny kamboty, Ary nitondra ny mpitondratena hatrany an-kibon-dreniko aho);
chonsechotu kuyambira unyamata wanga ndinamulera monga abambo ake, ndipo moyo wanga wonse ndakhala ndikusamalira akazi amasiye,
19 Raha tàhiny aho nahita olona efa ho faty noho ny tsi-fananan-damba. Na malahelo tsy manan-kitafy,
ngati ndinaona wina aliyense akuzunzika ndi usiwa, kapena munthu wosauka alibe chofunda,
20 Koa tsy nankasitraka ahy ny tenany, ary tsy nanafàna azy ny volon’ ondriko;
ndipo ngati iyeyo sananditamandepo chifukwa chomufunditsa ndi nsalu ya ubweya wankhosa,
21 Raha tahìny aho naninjitra ny tanako hampahory ny kamboty, saingy hitako fa nisy niandany tamiko teo am-bavahady:
ngati ndinaopsezapo mwana wamasiye, poganiza kuti ndinali ndi mphamvu mʼbwalo la milandu,
22 Dia aoka ny foto-tsandriko hitsoaka hiala amin’ ny rangomainako, eny, aoka ny sandriko ho latsaka hiala amin’ ny taolam-panaviko.
pamenepo phewa langa lipokonyeke, mkono wanga ukonyoke polumikizira pake.
23 Fa mampahatahotra ahy ny loza avy amin’ Andriamanitra, ka tsy mahavita na inona na inona aho noho ny fahalehibiazany.
Popeza ine ndinaopa kwambiri chiwonongeko chochokera kwa Mulungu, ndinachitanso mantha ndi ulemerero wake, sindikanatha kuchita zinthu zimenezi.
24 Raha tàhiny aho nanao ny volamena ho fanantenako, na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô;
“Ngati ndinayika mtima wanga pa chuma kapena kunena kwa golide wabwino kwambiri kuti, ‘Iwe ndiye chitetezo changa,’
25 Raha tàhiny ho nifaly noho ny haben’ ny fananako sy noho ny nahazoan’ ny tanako harena betsaka;
ngati ndinakondwera chifukwa choti chuma changa chinali chambiri, zinthu zimene manja anga anazipeza,
26 Raha tàhiny aho nijery ny masoandro, raha namirapiratra izy, na ny volana, raha nandeha tamin’ ny fangarangarany izy,
ngati pamene ndinaona dzuwa likuwala, kapena mwezi ukuyenda mwa ulemerero wake,
27 Ka voafitaka mangingina ny foko, ary nanoroka ny tanako ny vavako
ndipo kuti mtima wanga unakopeka nazo nʼkuyika dzanja langa pakamwa mozilemekeza,
28 (Dia heloka hanamelohan’ ny mpitsara koa izany; Fa ho nihatsaravelatsihy tamin’ Andriamanitra Izay any ambony aho);
pamenepo zimenezinso zikanakhala machimo oti ndilangidwe nawo, chifukwa ndikanakhala wosakhulupirika kwa Mulungu wakumwamba.
29 Raha tàhiny aho nifaly noho ny loza nanjo izay nankahala ahy, na nibitabitaka, raha nozoim-pahoriana izy
“Ngati ndinasangalala ndi kuwonongeka kwa mdani wanga, kapena kusekera mavuto pamene mavuto anamugwera,
30 (Tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako hangataka ozona hanjo azy);
ine sindinachimwe ndi pakamwa panga potulutsa matemberero a mdani wanga kuti awonongeke,
31 Raha tàhiny ny tao an-daiko tsy nanao hoe: Iza moa no tsy voky tamin’ ny henany?
ngati anthu amene ndimakhala nawo mʼnyumba mwanga sananenepo kuti, ‘Kodi ndani amene sakhuta ndi chakudya cha Yobu?’
32 Ny vahiny aza tsy nandry teny ala-trano; Fa novohako ny varavarako manatrika ny lalana;
Komatu mlendo sindinamusiye pa msewu usiku wonse, pakuti khomo langa linali lotsekuka nthawi zonse kwa alendo,
33 Raha tàhiny aho mba nanarona ny fahadisoako tahaka an’ i Adama ka nanafina ny heloko tato an-tratrako,
ngati ndinabisa tchimo langa monga amachitira anthu ena, kubisa kulakwa mu mtima mwanga
34 Satria nampihorohoro ny foko ny vahoaka maro be, ary natahotra aho, fandrao hamavoin’ ny fokon’ olona, ka dia namitsaka, fa tsy sahy nivoaka ny varavarana
chifukwa choopa gulu la anthu, ndi kuchita mantha ndi mnyozo wa mafuko kotero ndinakhala chete ndipo sindinatuluke panja.
35 Enga anie ka hisy hihaino ahy! Indro ny soniako! Enga anie ka hamaly ahy ny Tsitoha! Indro ny taratasy voasoratr’ ilay manana ady amiko!
“Aa, pakanakhala wina wondimva! Tsopano ndikutsiriza mawu anga odzitetezera. Wamphamvuzonse andiyankhe; mdani wanga achite kulemba pa kalata mawu ake ondineneza.
36 Hataoko eny an-tsoroko tokoa izany ary hafehiko amiko ho satro-boninahitra.
Ndithu ine ndikanakoleka kalatayo pa phewa langa, ndikanayivala kumutu ngati chipewa chaufumu.
37 Ny isan’ ny diako dia hambarako aminy, ary tahaka ny fanakon’ ny zanak’ andriana no hanatonako Azy.
Ndikanamufotokozera zonse zimene ndinachita; ndikanafika pamaso pake ngati kalonga.
38 Raha tàhiny mitaraina hiampanga ahy ny taniko, ka miara-mitomany ny vavasako;
“Ngati minda yanga ikulira monditsutsa ine ndipo malo ake onse osalimidwa anyowa ndi misozi,
39 Raha tàhiny aho nihinana ny vokatra, nefa tsy nandoa ny vidiny. Na nanao izay hahafaty ny ain’ ny tompony:
ngati ndinadya za mʼminda mwake osapereka ndalama kapena kukhumudwitsa anthu olima mʼmindamo,
40 Dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny vary tritika. Ary ny ahi-dratsy hisolo ny vary hordea. Tapitra ny tenin’ i Joba.
pamenepo mʼmindamo mumere namsongole mʼmalo mwa tirigu ndi udzu mʼmalo mwa barele.” Mawu a Yobu athera pano.

< Joba 31 >