< Estera 1 >

1 Ary tamin’ ny andro nanjakan’ i Ahasoerosy (ity Ahasoerosy ity ilay nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia, ka nizarazara ho fito amby roa-polo amby zato toko ny fanjakany),
Izi ndi zimene zinachitika pa nthawi ya ufumu wa Ahasiwero, amene analamulira zigawo 127 kuyambira ku India mpaka ku Kusi.
2 dia tamin’ izany andro izany, raha nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakany, izay tany Sosana renivohitra, Ahasoerosy mpanjaka,
Pa nthawi imeneyi nʼkuti mfumu Ahasiwero atakhazikika pa mpando wake wa ufumu mu mzinda wa Susa,
3 tamin’ ny taona fahatelo nanjakany, dia nanao fanasana ho an’ ny mpanapaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary teo anatrehany koa ny lehiben’ ny miaramilan’ i Persia sy Media sy ny mpanapaka mbamin’ ireo komandin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakany;
ndipo mʼchaka chachitatu cha ufumu wake anakonza phwando la olemekezeka ndi nduna zake. Atsogoleri a nkhondo a ku Peresiya ndi Mediya, anthu olemekezeka pamodzi ndi nduna za mʼzigawo zonse anasonkhana kwa iye.
4 ary nasehony andro maro, dia valo-polo amby zato andro, ny harena amam-boninahitry ny fanjakany ary ny tabiha sy rehareha momba ny fahalehibiazany.
Pa nthawi yomweyi kwa masiku 180 a phwando mfumu inkaonetsa kulemera kwa ulemerero wa ufumu wake ndiponso kukongola ndi kukula kwa ufumu wake.
5 Ary rehefa tapitra izany andro izany, ny olona rehetra izay tany Sosana renivohitra, na lehibe na kely, dia nanaovan’ ny mpanjaka fanasana naharitra hafitoana teo amin’ ny kianjan’ ny tanimbolin’ ny tranon’ ny mpanjaka;
Atatha masiku amenewa, kwa masiku ena asanu ndi awiri mfumu inakonzanso phwando la anthu onse okhala mu mzinda wa Susa kuyambira anthu olemekezeka mpaka anthu wamba ku bwalo la munda la nyumba yake yaufumu.
6 ary nisy lamba fotsy sy misoratsoratra sy manga nifehy tamin’ ny kofehy rongony fotsy sy volomparasy tamin’ ny masom-bolafotsy sy tsangantsangany vato marmora fotsy; ary nisy farafara volamena sy volafotsy teo amin’ ny lampivato alabastara sy marmora fotsy sy hara ary marmora mainty.
Bwalo la mundali analikongoletsa ndi makatani a nsalu zoyera ndi za mtundu wamtambo zimene anazimangirira ndi zingwe za nsalu zoyera ndi zapepo ku mphete za siliva zimene anazikoloweka pa nsanamira za maburo. Anayika mipando yopumirapo yagolide ndi siliva pabwalo la miyala yoyala yamtengowapatali yofiira, ya marabulo, ndi yonyezimira.
7 Ary ny olona dia nampisotroina tamin’ ny kapoaka volamena (samy hafa avokoa ny kapoaka, ) ary betsaka ny divain’ andriana araka ny fanomen’ ny mpanjaka.
Anapereka zakumwa mʼchikho zagolide zamitundumitundu, ndipo vinyo waufumu anali wochuluka kwambiri monga mwa kukoma mtima kwa mfumu.
8 Ary ny nisotroan’ ny olona dia araka ny tenin’ andriana, ka tsy nisy nanery; fa toy izany no nandidian’ ny mpanjaka ny mpitandrina ny tranony rehetra mba hanaovan’ ny olona araka izay sitrapony avy.
Monga mwa lamulo la mfumu aliyense anamwa mʼmene anafunira, pakuti mfumu inawuza otumikira ake kuti apatse aliyense monga mwa kukonda kwake.
9 Ary Vasty, vadin’ ny mpanjaka, dia mba nanao fanasana ho an’ ny vehivavy koa tao amin’ ny tranom-panjakana, izay an’ i Ahasoerosy mpanjaka.
Mkazi wa mfumu Vasiti nayenso anakonzera phwando amayi ku nyumba ya ufumu ya mfumu Ahasiwero.
10 Ary tamin’ ny andro fahafito, nony faly ny fon’ ny mpanjaka azon’ ny divay, dia nomeny teny Mehomana sy Bizta sy Harbona sy Bigta sy Abagta sy Zetara ry Karkasa, tsindranolahy fito izay nanompo teo anatrehan’ i Ahasoerosy mpanjaka,
Pa tsiku la chisanu ndi chiwiri, pamene mfumu Ahasiwero inaledzera ndi vinyo, inalamula adindo ofulidwa asanu ndi awiri amene ankamutumikira: Mehumani, Bizita, Haribona, Bigita, Abagita, Zetara, ndi Karikasi
11 ba hitondra an’ i Vasty, vadin’ ny mpanjaka, ho eo anatrehan’ ny mpanjaka, misatroka ny satro-boninahitry ny fanjakana, mba haseho amin’ ny olona sy ny mpanapaka ny hatsaran-tarehiny; fa maha-te-hizaha izy.
kuti abwere naye mfumukazi Vasiti pamaso pa mfumu atavala chipewa chaufumu. Cholinga cha mfumu chinali choti adzamuonetse kwa anthu onse ndi olemekezeka, chifukwa anali wokongola kwambiri.
12 Fa Vasty, vadin’ ny mpanjaka, nandà ny tenin’ ny mpanjaka nentin’ ny tsindranolahy ka tsy nety nankany. Dia tezitra loatra ny mpanjaka, ka nirehitra tao am-pony ny fahatezerany.
Koma antchito atapereka uthenga wa mfumu kwa mfumukazi, Vasiti anakana kubwera. Tsono mfumu inakwiya ndi kupsa mtima.
13 Dia hoy ny mpanjaka tamin’ ny olon-kendry izay mpanandro (toy izany no nanaovana ny raharahan’ ny mpanjaka teo anatrehan’ izay rehetra nahalala lalàna sy fitsarana;
Mfumu inayankhula ndi anthu anzeru ndi ozindikira choyenera kuchita popeza chinali chikhalidwe chake kufunsa uphungu kwa akatswiri pa nkhani za malamulo ndi kuweruza kolungama.
14 ary ny teo akaikiny dia Rarsena, Setara, Admata, Tarsisy, Maresa, Marsena, Memokana, mpanapaka fito tamin’ i Persia sy Media, izay nahita ny tarehin’ ny mpanjaka ka nipetraka tamin’ ny fitoerana aloha teo amin’ ny fanjakana):
Anthu amene ankakhala pafupi ndi mfumu anali awa: Karisena, Setara, Adimata, Tarisisi, Meresi, Marisena ndi Memukani, olemekezeka asanu ndi awiri a ku Peresiya ndi Medina amene ankaloledwa mwapadera kuonana ndi mfumu ndipo anali pamwamba kwambiri mu ufumuwo.
15 Ahoana no hanaovana an’ i Vasty, vadin’ ny mpanjaka, raha araka ny lalàna, satria tsy nankato ny didiko, izaho Ahasoerosy mpanjaka, nentin’ ny tsindranolahy izy?
Mfumu inafunsa kuti, “Kodi titani naye mfumukazi Vasiti mwa lamulo, popeza sanamvere lamulo la ine mfumu Ahasiwero limene adindo ofulidwa anakamuwuza?”
16 Dia namaly Memokana teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka ka nanao hoe: Tsy tamin’ ny mpanjaka ihany no nanaovan’ i Vasty, vadin’ ny mpanjaka, izao ratsy izao, fa tamin’ ny mpanapaka rehetra koa sy ny vahoaka rehetra isan-tokony eran’ ny fanjakan’ i Ahasoerosy mpanjaka;
Ndipo Memukani anayankha pa maso pa mfumu ndi olemekezeka anzake kuti, “Mfumukazi Vasiti sanalakwire mfumu yokha, koma walakwiranso olemekezeka onse ndi anthu onse okhala mʼzigawo zonse za mfumu Ahasiwero.
17 fa hiely any amin’ ny vehivavy rehetra izao zavatra nataon’ ny vadin’ ny mpanjaka izao, ka hanaovany ny vadiny ho tsinontsinona eo imasony, fa samy hanao hoe: Ahasoerosy mpanjaka aza nandidy an’ i Vasty vadiny ho entina eo anatrehany, nefa tsy nety izy.
Pakuti amayi onse adzadziwa zimene wachita mfumukazi ndipo kotero adzapeputsa amuna awo ndi kunena kuti, ‘Mfumu Ahasiwero analamulira kuti abwere naye mfumukazi Vasiti kwa iye koma sanapite.’
18 Ary na dia amin’ izao andro izao aza ny andriambavin’ i Persia sy Media, izay mandre ny nataon’ ny vadin’ ny mpanjaka, dia samy hilaza izany amin’ ny mpanapaka rehetra voatendrin’ ny mpanjaka; ka dia ho loza loatra ny famingavingana sy ny faniratsirana.
Lero lomwe lino amayi olemekezeka a ku Peresiya ndi Mediya amene amva zimene wachita mfumukazi adzaganiza zochita chimodzimodzi kwa nduna zonse za mfumu. Ndipo kupeputsana ndi kukongola zidzapitirira.”
19 Koa raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka hisy didim-panjakana hivoaka avy eto amin’ ny mpanjaka ka hosoratana ao amin’ ny lalàn’ i Persia sy Media ka dia tsy hovana, fa tsy hahazo hankeo anatrehan’ i Ahasoerosy mpanjaka intsony Vasty; ary ny voninahitr’ i Vasty dia aoka homen’ ny mpanjaka ho an’ izay vehivavy hafa tsara noho izy.
“Choncho, ngati chikukomerani mfumu, lamulirani kuti Vasiti asadzaonekerenso pamaso pa mfumu Ahasiwero. Lamuloli lilembedwe mʼmabuku a malamulo a Aperezi ndi Amedi kuti lisadzasinthike. Pamalo pa Vasiti ngati mfumukazi payikidwepo mkazi wina amene ali bwino kuposa iye.
20 Ary raha torina eran’ ny fanjakany rehetra (fa lehibe izany) ny lalàn’ ny mpanjaka izay hataony, dia samy hanome voninahitra ny vadiny avy na lehibe na kely, ny vehivavy rehetra.
Ndipo lamulo la mfumuli lilengezedwa mʼdziko lake lonse ngakhale lili lalikulu, amayi onse adzapereka ulemu kwa amuna awo, amuna olemekezeka mpaka amuna wamba.”
21 Dia sitraky ny mpanjaka sy ny mpanapaka izany teny izany; ka dia nanao araka ny tenin’ i Memokana ny mpanjaka,
Mfumu ndi nduna zake anakondwera ndi uphungu uwu, kotero mfumu inachita monga momwe ananenera Memukani.
22 ka nampitondra taratasy izy ho any amin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka, dia isan-tokony araka ny sorany avy, ary isam-pirenena araka ny fiteniny avy, mba hahatapaka ny ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra, ary samy hiteny araka ny fiteniny avy isam-pirenena.
Mfumu inatumiza makalata ku madera onse a ufumu wake, chigawo chilichonse mʼzilembo zawo ndi ku mtundu uliwonse mʼchiyankhulo chawochawo kulengeza kuti mwamuna ayankhule chilichonse chimene chikumukomera.

< Estera 1 >