< Jeremia 29 >

1 Ary izao no fitenin’ ny taratasy izay nampitondrain’ i Jeremia mpaminany avy tany Jerosalema ho any amin’ ny sisa amin’ ny loholona voababo sy ho amin’ ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, izay nobaboin’ i Nebokadnezara ka nentiny avy tany Jerosalema ho any Babylona
Haya ndiyo maneno ya ile barua ambayo nabii Yeremia aliituma kutoka Yerusalemu kwenda kwa wazee waliobaki miongoni mwa wale waliohamishwa, na kwa makuhani, manabii na watu wengine wote ambao Nebukadneza alikuwa amewachukua kwenda uhamishoni Babeli kutoka Yerusalemu.
2 (rehefa lasa niala tany Jerosalema Jekonia mpanjaka sy ny reniny sy ny tandapa sy ny mpanapaka ny Joda sy Jerosalema mbamin’ ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy),
(Hii ilikuwa ni baada ya Mfalme Yekonia na malkia mamaye, maafisa wa mahakama, viongozi wa Yuda na wa Yerusalemu, mafundi na wahunzi kwenda uhamishoni kutoka Yerusalemu.)
3 dia ilay teny nampitondrainy an’ i Elasa, zanak’ i Safana, sy Gemaria, zanak’ i Hilkia, izay nirahin’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, ho any Babylona, ho any amin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, nanao hoe:
Barua ilikabidhiwa kwa Elasa mwana wa Shafani, na kwa Gemaria mwana wa Hilkia, ambao Sedekia mfalme wa Yuda aliwatuma kwa Mfalme Nebukadneza huko Babeli. Barua yenyewe ilisema:
4 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, amin’ ny babo rehetra izay natolotro ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona:
Hili ndilo Bwana Mwenye Nguvu Zote, Mungu wa Israeli, awaambialo wale wote niliowapeleka kutoka Yerusalemu kwenda uhamishoni Babeli:
5 Manaova trano ianareo, ka mitoera aminy; ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra avy aminy.
“Jengeni nyumba na mstarehe, pandeni bustani na mle mazao yake.
6 Manambadia, ka miteraha zazalahy sy zazavavy; analao vady ny zanakalahinareo, ary ampanambadio ny zanakavavinareo, mba hiterahany zazalahy sy zazavavy, ka hihamaro anie ianareo, fa tsy hihavitsy.
Oeni wake na mzae wana na binti, waozeni wana wenu wake, nanyi watoeni binti zenu waolewe, ili nao pia wazae wana na binti. Ongezekeni idadi yenu huko, wala msipungue.
7 Ary katsaho izay hiadanan’ ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin’ i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo.
Pia tafuteni amani na mafanikio ya mji ambamo nimewapeleka uhamishoni. Mwombeni Bwana kwa ajili ya mji huo, kwa sababu ukistawi, ninyi pia mtastawi.”
8 Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Aza mety hofitahin’ ny mpaminaninareo sy ny mpanao fankatovanareo, izay ao aminareo, ary aza mino ny nofinareo izay nofisinareo.
Naam, hili ndilo Bwana Mwenye Nguvu Zote, Mungu wa Israeli, asemalo: “Msikubali manabii na wabashiri walioko miongoni mwenu wawadanganye. Msisikilize ndoto ambazo mmewatia moyo kuota.
9 Fa lainga no vinaniny aminareo amin’ ny anarako; tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah.
Wanawatabiria ninyi uongo kwa jina langu. Sikuwatuma,” asema Bwana.
10 Fa izao no lazain’ i Jehovah: Rehefa tapitra ny fito-polo taona ny amin’ i Babylona, dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teniko tsara, ka hampodiko ho amin’ ity tany ity ianareo.
Hili ndilo asemalo Bwana: “Miaka sabini itakapotimia kwa ajili ya Babeli, nitakuja kwenu na kutimiza ahadi yangu ya rehema ya kuwarudisha mahali hapa.
11 Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ ny farany.
Kwa maana ninajua mipango niliyo nayo kwa ajili yenu,” asema Bwana, “ni mipango ya kuwafanikisha na wala si ya kuwadhuru, ni mipango ya kuwapa tumaini katika siku zijazo.
12 Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.
Kisha mtaniita, na mtakuja na kuniomba, nami nitawasikiliza.
13 Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin’ ny fonareo rehetra.
Mtanitafuta na kuniona, mtakaponitafuta kwa moyo wenu wote.
14 Eny, ho hitanareo Aho, hoy Jehovah; ary hampodiko avy amin’ ny fahababoana ianareo, ka hangoniko avy any amin’ ny firenena rehetra sy avy any amin’ ny tany rehetra izay nandroahako anareo, hoy Jehovah, ka hampodiko ho any amin’ ilay tany efa nanolorako anareo hobaboina.
Nitaonekana kwenu,” asema Bwana, “nami nitawarudisha watu wenu waliotekwa. Nitawakusanya kutoka mataifa yote na mahali pote nilipokuwa nimewafukuzia, nami nitawarudisha mahali ambapo nilikuwa nimewatoa walipochukuliwa uhamishoni,” asema Bwana.
15 Fa hoy ianareo: Jehovah nanangana mpaminany ho anay eto Babylona.
Mnaweza mkasema, “Bwana ameinua manabii kwa ajili yetu huku Babeli,”
16 Fa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny mpanjaka izay mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida sy ny amin’ ny vahoaka rehetra izay monina amin’ ity tanàna ity, dia ny rahalahinareo izay tsy mba lasan-ko babo niaraka taminareo.
lakini hili ndilo asemalo Bwana kuhusu mfalme aketiaye kiti cha enzi cha Daudi, na watu wa kwenu wote wanaobaki katika mji huu, ndugu zenu ambao hawakwenda pamoja nanyi uhamishoni.
17 izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro, hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana, ka hataoko toy ny aviavy ratsy dia ratsy izay tsy azo hanina noho ny haratsiny izy.
Naam, hili ndilo asemalo Bwana Mwenye Nguvu Zote: “Nitatuma upanga, njaa na tauni dhidi yao, nami nitawafanya kuwa kama tini dhaifu zile ambazo ni mbovu sana zisizofaa kuliwa.
18 Ary henjehiko amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ka hatolotro ho mpanjenjena any amin’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany, ho fanozonana sy figagana sy zavatra mampisitrisitra sy fandatsa ho an’ ny firenena izay nandroahako, azy
Nitawafukuza kwa upanga, kwa njaa na kwa tauni, nami nitawafanya kitu cha kuchukiza sana kwa falme zote za dunia, na kuwa kitu cha laana na cha kuogofya, cha dharau na kukemewa, miongoni mwa mataifa yote nitakakowafukuzia.
19 noho ny tsy nihainoany ny teniko, hoy Jehovah, izay nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko ho any aminy, teny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy, nefa tsy nihaino ianareo, hoy Jehovah.
Kwa kuwa hawakuyasikiliza maneno yangu,” asema Bwana, “maneno ambayo niliwatumia tena na tena kupitia watumishi wangu manabii. Wala ninyi watu wa uhamisho hamkusikiliza pia,” asema Bwana.
20 Koa mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ianareo babo rehetra izay nesoriko tany Jerosalema ho atỳ Babylona.
Kwa hiyo, sikieni neno la Bwana, enyi nyote mlio uhamishoni, niliowapeleka Babeli kutoka Yerusalemu.
21 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin’ i Ahaba, zanak’ i Kolaia, sy ny amin’ i Zedekia, zanak’ i Mahaseia, izay maminany lainga aminareo amin’ ny anarako: Indro, hatolotro eo an-tanan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, izy, ka dia hovonoiny eo imasonareo.
Hili ndilo Bwana Mwenye Nguvu Zote, Mungu wa Israeli, asemalo kuhusu Ahabu mwana wa Kolaya, na Sedekia mwana wa Maaseya, wanaowatabiria uongo kwa jina langu: “Nitawatia mikononi mwa Nebukadneza mfalme wa Babeli, naye atawaua mbele ya macho yenu hasa.
22 Ary izy roa lahy dia hataon’ ny babo rehetra amin’ ny Joda izay any Babylona ho fanozonana hoe: Hataon’ i Jehovah tahaka an’ i Zedekia sy Ahaba, izay nodoran’ ny mpanjakan’ i Babylona tamin’ ny afo, anie ianao,
Kwa ajili yao, watu wote wa uhamisho kutoka Yuda walioko Babeli watatumia laana hii: ‘Bwana na akutendee kama Sedekia na Ahabu, ambao mfalme wa Babeli aliwachoma kwa moto.’
23 noho ny nanaovany izay fady indrindra tao amin’ ny Isiraely sy ny nijangajangany tamin’ ny vadin’ ny namany ary ny nitenenany lainga tamin’ ny anarako, izay tsy nandidiako azy; Izaho no mahalala, ka ho vavolombelona Aho, hoy Jehovah.
Kwa kuwa wamefanya mambo maovu kabisa katika Israeli, wamezini na wake za majirani zao, tena kwa Jina langu wamesema uongo, mambo ambayo sikuwaambia kuyafanya. Nami nayajua haya, na ni shahidi wa jambo hilo,” asema Bwana.
24 Ary Semaia Nehelamita dia hilazanao hoe:
Mwambie Shemaya Mnehelami,
25 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Noho ny nampitondranao taratasy tamin’ ny anaranao ho amin’ ny vahoaka rehetra izay any Jerosalema sy amin’ i Zefania mpisorona, zanak’ i Mahaseia, ary amin’ ny mpisorona rehetra hafa koa nanao hoe:
“Hili ndilo Bwana Mwenye Nguvu Zote, Mungu wa Israeli, asemalo: Ulituma barua kwa jina lako mwenyewe kwa watu wote wa Yerusalemu, kwa Sefania mwana wa kuhani Maaseya na kwa makuhani wengine wote. Ulimwambia Sefania,
26 Jehovah efa nanao anao ho mpisorona ho solon’ i Joiada mpisorona, mba hanendry izay ho mpiandraikitra ny tranon’ i Jehovah, hisakana izay rehetra very saina sy manao azy ho mpaminany, ka dia hasianao boloky hazo ny vozony sy ny tongony;
‘Bwana amekuweka wewe uwe kuhani badala ya Yehoyada ili uwe msimamizi wa nyumba ya Bwana. Unapaswa kufunga kwa mikatale na mnyororo wa shingoni mwendawazimu yeyote anayejifanya nabii.
27 koa nahoana ianao no tsy nananatra mafy an’ i Jeremia avy any Anatota, izay manao azy ho mpaminany aminareo?
Kwa nini basi hukumkemea Yeremia Mwanathothi, aliyejifanya kama nabii miongoni mwenu?
28 Fa naniraka ho aminay any Babylona izy nanao hoe: Mbola haharitra ela izao, koa manaova trano ianareo, dia mitoera aminy, ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra aminy.
Ametutumia ujumbe huu huku Babeli: Mtakuwako huko muda mrefu. Kwa hiyo jengeni nyumba mkakae; pandeni mashamba na mle mazao yake.’”
29 Ary Zefania mpisorona namaky izany taratasy izany teo anatrehan’ i Jeremia mpaminany.
Kuhani Sefania, hata hivyo, akamsomea nabii Yeremia ile barua.
30 Dia tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah hoe:
Ndipo neno la Bwana likamjia Yeremia kusema:
31 Maniraha ho any amin’ ny babo rehetra, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ i Semaia Nehelamita: Noho ny naminanian’ i Semaia taminareo, kanefa tsy nirahiko izy tsinona, fa nampitoky anareo tamin’ ny lainga
“Tuma ujumbe huu kwa watu wote walio uhamishoni: ‘Hili ndilo Bwana asemalo kuhusu Shemaya Mnehelami: Kwa sababu Shemaya amewatabiria ninyi, hata ingawa sikumtuma, naye amewafanya kuamini uongo,
32 dia izao no lazain’ i Jehovah: Indro, efa hamaly an’ i Semaia Nehelamita sy ny taranany Aho: tsy hanana zanakalahy honina amin’ ity firenena ity izy sady tsy hanam-pifaliana amin’ ny hahitana ny soa izay hataoko amin’ ny oloko, hoy Jehovah, satria fiodinana tamin’ i Jehovah no notoriny.
hili ndilo Bwana asemalo: Hakika nitamwadhibu Shemaya Mnehelami pamoja na uzao wake. Hapatakuwa na yeyote atakayebaki miongoni mwa watu hawa, wala hataona mema nitakayowatendea watu wangu, asema Bwana, kwa sababu ametangaza uasi dhidi yangu.’”

< Jeremia 29 >