< Jeremia 26 >

1 Tamin’ ny niandohan’ ny nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, no nahatongavan’ izao teny izao avy tamin’ i Jehovah nanao hoe:
Mwanzoni mwa utawala wa Yehoyakimu mwana wa Yosia mfalme wa Yuda, neno hili lilikuja kutoka kwa Bwana:
2 Izao no lazain’ i Jehovah: Mitsangàna eo an-kianjan’ ny tranon’ i Jehovah, ka lazao amin’ ny tanànan’ ny Joda rehetra, izay avy hiankohoka ao an-tranon’ i Jehovah, ny teny rehetra izay efa nasaiko hambaranao aminy, ary aza amelana na dia teny iray akory aza.
“Hili ndilo Bwana asemalo: Simama katika ua wa nyumba ya Bwana na useme na watu wote wa miji ya Yuda wanaokuja kuabudu katika nyumba ya Bwana. Waambie kila kitu nitakachokuamuru, usipunguze neno.
3 Fa angamba hihaino ihany izy, ka samy hiala amin’ ny lalany ratsy, dia hanenenako ny loza izay kasaiko hamelezana azy noho ny faharatsian’ ny ataony.
Huenda watasikiliza, na kila mmoja akageuka kutoka njia yake mbaya. Kisha nitawahurumia na kuacha kuwaletea maafa niliyokuwa ninapanga kwa sababu ya maovu waliyofanya.
4 Ary lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Raha tsy mihaino Ahy ianareo ka tsy mandeha araka ny lalàko izay napetrako teo anoloanareo,
Waambie, ‘Hili ndilo asemalo Bwana: Ikiwa hamtanisikiliza na kuifuata sheria yangu ambayo nimeiweka mbele yenu,
5 ary tsy mihaino ny tenin’ ny mpaminany mpanompoko, izay irahiko aminareo, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka, nefa tsy mba nihaino ianareo
nanyi ikiwa hamtayasikiliza maneno ya watumishi wangu manabii, ambao nimewatuma kwenu tena na tena (ijapokuwa hamkuwasikiliza),
6 dia hataoko tahaka an’ i Silo ity trano ity, ary hataoko fanozonana ho an’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany ity tanàna ity.
ndipo nitaifanya nyumba hii kama Shilo na mji huu kuwa kitu cha kulaaniwa na mataifa yote ya dunia.’”
7 Ary ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin’ ny vahoaka rehetra dia nandre an’ i Jeremia nanambara ireo teny rehetra ireo tao an-tranon’ i Jehovah.
Makuhani, manabii na watu wote wakamsikia Yeremia akiyasema maneno haya ndani ya nyumba ya Bwana.
8 Koa nony efa tapitra voalazan’ i Jeremia izay rehetra nasain’ i Jehovah nolazaina tamin’ ny vahoaka rehetra, dia nosamborin’ ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin’ ny vahoaka rehetra izy ka nataony hoe: Ho faty tokoa ianao.
Lakini mara tu Yeremia alipomaliza kuwaambia watu kila kitu Bwana alichomwamuru kukisema, basi makuhani, manabii na watu wote walimkamata wakisema, “Ni lazima ufe!
9 Nahoana ianao no naminany tamin’ ny anaran’ i Jehovah hoe: Ho tahaka an’ i Silo ity tanàna ity, ary ho lao ity tanàna ity, ka tsy hisy mponina? Ary ny vahoaka rehetra dia nitangorona tamin’ i Jeremia tao an-tranon’ i Jehovah.
Kwa nini unatoa unabii katika jina la Bwana kwamba nyumba hii itakuwa kama Shilo na mji huu utakuwa ukiwa na kuachwa tupu?” Nao watu wote wakamkusanyikia na kumzunguka Yeremia ndani ya nyumba ya Bwana.
10 Fa nony ren’ ny mpanapaka ny Joda izany zavatra izany, dia niakatra avy tany amin’ ny tranon’ ny mpanjaka nankany amin’ ny tranon’ i Jehovah izy ka nipetraka teo anoloan’ ny vavahady vaovaon’ i Jehovah.
Maafisa wa Yuda waliposikia kuhusu mambo haya, wakapanda kutoka jumba la kifalme, wakaenda katika nyumba ya Bwana na kushika nafasi zao kwenye ingilio la Lango Jipya la nyumba ya Bwana.
11 Ary ny mpisorona sy ny mpaminany nilaza tamin’ ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra hoe: Misy heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity; fa efa naminany loza ho amin’ ity tanàna ity izy araka izay efa ren’ ny sofinareo.
Kisha makuhani na manabii wakawaambia maafisa pamoja na watu wote, “Mtu huyu anastahili ahukumiwe kifo kwa sababu ametoa unabii mbaya dhidi ya mji huu. Mmesikia kwa masikio yenu wenyewe!”
12 Dia nilaza tamin’ ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra Jeremia hoe: Jehovah no naniraka ahy haminany izay rehetra efa renareo ny amin’ ity trano sy ity tanàna ity.
Kisha Yeremia akawaambia maafisa wote na watu wote: “Bwana amenituma kutoa unabii dhidi ya nyumba hii na mji huu mambo yote mliyoyasikia.
13 Koa ankehitriny ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, ary mihainoa ny feon’ i Jehovah Andriamanitrareo; fa hanenenan’ i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezana anareo.
Sasa tengenezeni njia zenu na matendo yenu, na kumtii Bwana Mungu wenu. Ndipo Bwana atawahurumia na kuacha kuleta maafa aliyokuwa ameyatamka dhidi yenu.
14 Fa ny amiko, dia, indro, efa eto an-tananareo aho; koa ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina.
Lakini kwa habari yangu mimi, niko mikononi mwenu, nifanyieni lolote mnaloona kuwa ni jema na la haki.
15 Kanefa mihevera tsara, fa raha mamono ahy anie ianareo, dia hahatonga rà marina aminareo sy amin’ ity tanàna ity ary amin’ ny mponina eto, satria Jehovah tokoa no naniraka ahy taminareo hilaza ireo teny rehetra ireo eto anatrehanareo.
Hata hivyo, jueni kwa hakika, ikiwa mtaniua, mtakuwa mmejipatia dhambi kwa damu isiyo na hatia juu yenu wenyewe, na juu ya mji huu na wote wanaoishi ndani yake, kwa maana ni kweli Bwana amenituma kwenu ili niseme maneno haya yote masikioni mwenu.”
16 Dia hoy ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra tamin’ ny mpisorona sy ny mpaminany: Tsy misy heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity, satria tamin’ ny anaran’ i Jehovah Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.
Kisha maafisa na watu wote wakawaambia makuhani na manabii, “Mtu huyu asihukumiwe kifo! Amesema nasi katika jina la Bwana, Mungu wetu.”
17 Dia nisy nitsangana ny loholona ka nanao tamin’ ny vahoaka rehetra vory teo hoe:
Baadhi ya wazee wa nchi wakasogea mbele, wakaliambia kusanyiko lote la watu,
18 Mika Morastita dia naminany tamin’ ny andron’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, ka nanao tamin’ ny Joda rehetra hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: “Ziona dia hasaina toy ny tanimboly, ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala.”.
“Mika Mmoreshethi alitoa unabii katika siku za Hezekia mfalme wa Yuda. Akawaambia watu wote wa Yuda, ‘Hili ndilo asemalo Bwana Mwenye Nguvu Zote: “‘Sayuni italimwa kama shamba, Yerusalemu itakuwa lundo la kokoto, na kilima cha Hekalu kitakuwa kichuguu kilichofunikwa na vichaka.’
19 Moa namono azy va Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny Joda rehetra? Tsy natahotra an’ i Jehovah va izy ka nifona tamin’ i Jehovah, ka dia nanenenan’ i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezany azy? Fa isika kosa izao dia mila hampidi-doza lehibe amin’ ny tenantsika.
Je, Hezekia mfalme wa Yuda au mtu mwingine yeyote katika Yuda alimhukumu Mika kufa? Je, Hezekia hakumcha Bwana na kuhitaji msaada wake? Je, Bwana hakuwahurumia na akaacha kuleta maafa aliyokuwa ametamka dhidi yao? Tunakaribia sana kujiletea maangamizo ya kutisha sisi wenyewe!”
20 Ary nisy lehilahy anankiray koa izay naminany tamin’ ny anaran’ i Jehovah, dia Oria, zanak’ i Semaia, avy any Kiriata-jearima, izay naminany loza ho amin’ ity tanàna sy ity tany ity araka izany teny rehetra nataon’ i Jeremia izany koa.
(Wakati huu, Uria mwana wa Shemaya kutoka mji wa Kiriath-Yearimu alikuwa mtu mwingine aliyetoa unabii kwa jina la Bwana. Alitoa unabii juu ya mambo yaliyofanana na haya dhidi ya mji huu na nchi hii kama alivyofanya Yeremia.
21 Ary nony ren’ i Joiakima mpanjaka sy ny lehilahy maheriny rehetra ny teniny, dia nitady hahafaty azy ny mpanjaka; ary nony nandre izany Oria, dia natahotra izy ka nandositra, ary tonga tany Egypta;
Mfalme Yehoyakimu na wakuu wake wote na maafisa waliposikia maneno yake, mfalme alitafuta kumuua. Lakini Uria alipata habari, na kwa kuogopa akakimbilia Misri.
22 ary Joiakima mpanjaka naniraka olona nankany Egypta, dia Elnatana, zanak’ i Akbora, mbamin’ ny olona sasany nanaraka ny hankany Egypta.
Hata hivyo, Mfalme Yehoyakimu alimtuma Elnathani mwana wa Akbori huko Misri, pamoja na watu wengine ili kwenda kumkamata Uria.
23 Ary Oria dia nalain’ ireo niala avy tany Egypta ka nentiny teo amin’ i Joiakima mpanjaka; ary izy namono azy tamin’ ny sabatra, dia nanary ny fatiny teny amin’ ny fasam-bahoaka.
Wakamrudisha Uria kutoka Misri na kumpeleka kwa Mfalme Yehoyakimu, ambaye alimuua kwa upanga, na mwili wake kutupwa kwenye eneo la makaburi ya watu wasio na cheo.)
24 Nefa ny tànan’ i Ahikama, zanak’ i Safana, dia nomba an’ i Jeremia mba tsy hanolorana azy ho eo an-tànan’ ny vahoaka hovonoiny.
Zaidi ya hayo, Ahikamu mwana wa Shafani akamuunga mkono Yeremia, kwa hiyo hakutiwa tena mikononi mwa watu ili auawe.

< Jeremia 26 >