< Jakoba 1 >

1 Jakoba, mpanompon’ Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo, mamangy ny firenena roa ambin’ ny folo monina any am-pielezana.
Yakubu urere Asere nan u yeso ugomo Asere uhana tilem ukrau intire sa wa samirka a nyimo uneh, in iso shi.
2 Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan’ ny fakam-panahy samy hafa ianareo,
Anu henu um inka imum iburi ya kem shi kurzon ini imum ya puru arum.
3 satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.
irusa inka u inko iriba ishi wa nya shi ure aje a bizinsizi me, u eze inni riba ihu.
4 Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.
Na u inko iriba u mwincika ka tuma ka meme, barki e maza u eze sarki udira ire imum.
5 Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.
De sa ma dira urusa a nyimo ashi me, na ma iki a hira ugom Asere, de sa ma nyiza kon de avi timum kan, mada gwara ba, adi kuri a nya me.
6 Nefa aoka hangataka amin’ ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ ny rivotra ka atopatopany.
na ma iki inni riba ka indai sarki maay, unaa maaye mazi kasi bironkomi bini win ni dang sa upebu ugido me ukuri uzuro me.
7 Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ ny Tompo izany olona izany:
Kati unu uginome ma inki iriba madi kabi ire imuim ahira ugomo Asere.
8 olona miroa saina izy, miovaova amin’ ny alehany rehetra.
Uni iriba kare mani sa mada turi a hira a indai ba.
9 Aoka ny rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany;
Na unu udira ma vavi bigiri a nyimo ani nonzo nimeme.
10 fa ny manan-karena kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin’ ny ahitra izy.
Unu ukem a nyimo usizikime umeme, kasi iburi ukwe idi mari
11 Fa miposaka ny masoandro mbamin’ ny hainandro mahamay, dia mampahalazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny; dia toy izany koa no fahalazon’ ny manan-karena amin’ ny alehany.
. uwui udi suri gbanyaya nan upebu, iburi ike i zarika, urii me udi mari, anime ani unu kem a nyimo a tanu ti meme.
12 Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain’ ny Tompo homena izay tia Azy.
Unu ugongon mani dee sa matira irba umansa, inka mare umansiza me, udi nya me ni ere ni venke uge sa Asere a inko an dee sa wa zinni soo umeme.
13 Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon’ ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy;
Kati dee sa a mansa me magu Asere ani a mansa me, Asere ada manza me ini mum iburi ba, me inni ce nimeme mada manza unu ba.
14 fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ ny filany sy fitahiny izy.
Ko uya unu adi mansa me uganiya sa mgwei ma je mahunguko me, ma wuna me nibarda.
15 Ary ny filàna, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
Uganiya sa mgwei maje ma wuna gbardang madi yoo madini, madini inka ma wuna gbardang madi eh inni wono.
16 Aza mety hofitahina ianareo, sy rahalahy malalako.
Anu henu um kati arangi shi.
17 Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midìna avy amin’ ny Rain’ ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ ny fihodinana.
Kondi uya u aye urizo unu nan kodi ya imum sa a nya we ya ya suro azesere ani, izinni tuzo a hira aco uma saa, ada ke a gamirka ba.
18 Tamin’ ny sitrapony no niterahany antsika tamin’ ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.
Ugomo Asere ma zaukan ma yon duru a hira a tize ti meme ti kadure barki ti cukunop uhira utuba utimum ti meme.
19 Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra;
Anu henu um, sa izinnu suu uwe, ya wuna urii konde avi ma cukuno unu debe ukunna, azo unu debe ubuka utize nannu nu ukuna iriba debe.
20 fa ny fahatezeran’ ny olona tsy ahefana izay marina eo imason’ Andriamanitra.
Barki ucara iriba inu ida hanan me uwuza imum iriri ya Asere.
21 Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin’ ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.
Cekini wuza imum izenzeng a nyimo ugogoni in kabi tize be sa amu nuka a nyimo tuzo unice ikabi tize tiginop me sa a bira a muriba mushi me, ti ge sa tida ke ti han shi uhana ubura.
22 Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.
Cukunoni anu wuza utize ta Asere, azo anu kunna casiba, izinnu ranga ace a shi.
23 Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ ny fitaratra izy;
Vat deesa ma kunna tize me cas mada wuza katuma niba mazi kasi deesa ma hira muhenu mu meme a magani.
24 fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin’ izay dia hadinony ny tarehiny.
Uganiya sa ma hira a hira me, madi perke me uzina umuhenu mu meme sda muzi.
25 Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ ny fahafahana, ka maharitra amin’ izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin’ ny asany izany olona izany.
De sa ma hira memerum, ma rusi bi hoo bi tize ti gino me sa bi nyiza ni kara, adi nya me ukalum.
26 Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan’ izany olona izany.
De sa ma zika nice nu me unnu tarsa Asere, mada wuza katuma inni lem nume ba, ma ranga irba imeme, mazo unnu taersa Asere ba.
27 Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’ Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’ izao tontolo izao.
Tize ta asere ti riri tu zatu corno me ta zige me, a hira Asere aco aru unu maka gunguzuno a hana udiran aka coo nan anne udra aruma anyimo ti cukum tini unu, unju ma impi nice nui meme a nyimo uneh umadini.

< Jakoba 1 >