< Hebreo 1 >
1 Rehefa nampitenenin’ Andriamanitra tamin’ ny razana fahiny ny mpaminany tamin’ ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa;
Дупэ че а ворбит ын векиме пэринцилор ноштри прин пророчь, ын мулте рындурь ши ын мулте кипурь, Думнезеу,
2 dia amin’ izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao, (aiōn )
ла сфыршитул ачестор зиле, не-а ворбит прин Фиул, пе каре Л-а пус моштенитор ал тутурор лукрурилор ши прин каре а фэкут ши вякуриле. (aiōn )
3 Izy koa no famirapiratan’ ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin’ ny herin’ ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin’ ny tanana ankavanan’ ny Lehibe any amin’ ny avo
Ел, каре есте оглиндиря славей Луй ши ынтипэриря Фиинцей Луй ши каре цине тоате лукруриле ку Кувынтул путерий Луй, а фэкут курэциря пэкателор ши а шезут ла дряпта Мэририй, ын локуриле пряыналте,
4 ka natao tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny.
ажунгынд ку атыт май пресус де ынӂерь, ку кыт а моштенит ун Нуме мулт май минунат декыт ал лор.
5 Fa anjely iza no mba nilazany hoe: “Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany”? Ary koa: “Izaho ho Rainy, Ary Izy ho Zanako”?
Кэч кэруя динтре ынӂерь а зис Ел вреодатэ: „Ту ешть Фиул Меу, астэзь Те-ам нэскут”? Ши ярэшь: „Еу Ый вой фи Татэ, ши Ел Ымь ва фи Фиу”?
6 Ary raha mitondra ny Lahimatoa ho amin’ izao fiainana izao indray, dia hoy Izy: “Ary aoka ny anjelin’ Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany”.
Ши, кынд дуче ярэшь ын луме пе Чел Ынтый Нэскут, зиче: „Тоць ынӂерий луй Думнезеу сэ И се ынкине!”
7 Ary ny anjely dia ilazany hoe: “Izy manao ny anjeliny ho rivotra, Ary ny mpanompony ho lelafo”.
Ши деспре ынӂерь зиче: „Дин вынтурь фаче ынӂерь ай Луй, ши динтр-о флакэрэ де фок, служиторь ай Луй”;
8 Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: “Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao; (aiōn )
пе кынд Фиулуй Й-а зис: „Скаунул Тэу де домние, Думнезеуле, есте ын вечь де вечь; тоягул домнией Тале есте ун тояг де дрептате. (aiōn )
9 Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; Koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana Anao Mihoatra noho ny namanao”.
Ту ай юбит неприхэниря ши ай урыт нелеӂюиря, де ачея, Думнезеуле, Думнезеул Тэу Те-а унс ку ун унтделемн де букурие май пресус декыт пе товарэший Тэй.”
10 Ary izao koa: “Hianao, Jehovah ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, Ary asan’ ny tananao ny lanitra;
Ши ярэшь: „Ла ынчепут, Ту, Доамне, ай ынтемеят пэмынтул ши черуриле сунт лукраря мынилор Тале.
11 Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Ary izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana,
Еле вор пери, дар Ту рэмый; тоате се вор ынвеки ка о хайнэ;
12 Ary toy ny lamba no hamalonanao azy, Dia toy ny fitafiana, ka hovana izy; Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra”.
ле вей фаче сул ка пе о манта ши вор фи скимбате, дар Ту ешть ачелашь ши аний Тэй ну се вор сфырши.”
13 Fa anjely iza no mba nilazany hoe: “Mipetraha eo an-tanako ankavanana, Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao”?
Ши кэруя дин ынӂерь й-а зис Ел вреодатэ: „Шезь ла дряпта Мя пынэ вой пуне пе врэжмаший Тэй аштернут ал пичоарелор Тале”?
14 Tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an’ izay handova famonjena?
Ну сунт оаре тоць духурь служитоаре тримисе сэ ындеплиняскэ о службэ пентру чей че вор моштени мынтуиря?