< Genesisy 23 >
1 Ary ny andro niainan’ i Saraha dia fito amby roa-polo amby zato taona; izany no taona niainan’ i Saraha.
Sara anakhala ndi moyo zaka 127.
2 Ary Saraha dia maty tao Kiriat-arba (Hebrona izany) tany amin’ ny tany Kanana; dia tonga Abrahama hisaona an’ i Saraha sy hitomany azy.
Anamwalirira ku Kiriyati-Araba, kumeneku ndi ku Hebroni, mʼdziko la Kanaani, ndipo Abrahamu anapita kukakhuza maliro a Sara, namulirira.
3 Ary Abrahama nitsangana niala avy teo anilan’ ny fatin’ ny vadiny, dia niteny tamin’ ny taranak’ i Heta ka nanao hoe:
Kenaka Abrahamu ananyamuka pamene panali mtembo wa mkazi wakepo kupita kukayankhula ndi anthu a ku Hiti. Ndipo anati,
4 Vahiny sy mpivahiny eto aminareo aho; omeo tany fandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny fatin’ ny vadiko tsy ho eto anatrehako.
“Ine ndine mlendo wongoyendayenda kwanu kuno. Bwanji mundigulitse malo woti akhale manda kuti ndiyikepo thupi la mkazi wanga.”
5 Dia namaly an’ i Abrahama ny taranak’ i Heta ka nanao taminy hoe:
Anthu a ku Hiti aja anamuyankha Abrahamu kuti,
6 Mihainoa anay, tompokolahy: andrian-dehibe eto aminay ianao; koa izay tsara indrindra amin’ ny fasanay no andeveno ny fatin’ ny vadinao; tsy misy aminay hiaro ny fasany aminao tsy handevenanao ny fatin’ ny vadinao.
“Tatimverani mbuye wathu, inu ndinu mwana wa mfumu wamkulu pakati pathu. Chonde ikani thupi la mkazi wanu mʼmanda aliwonse amene mungafune. Palibe mmodzi wa ife amene adzakukanizani manda ake kuti musayike mkazi wanu.”
7 Dia nitsangana Abrahama ka niankohoka teo anatrehan’ ny taranak’ i Heta tompon-tany,
Tsono Abrahamu anayimirira naweramira anthu a dziko la Hiti aja
8 dia niteny taminy ka nanao hoe: Raha sitrakareo ary ny handevenako ny fatin’ ny vadiko mba tsy ho eto anatrehako, dia mihainoa ahy, ka mba iangavio kely amin’ i Efrona, zanak’ i Zohara,
nati, “Ngati mwaloladi kuti ndiyike mkazi wanga kuno, ndiye ndimvereni. Mundipemphere kwa Efroni mwana wa Zohari
9 mba homeny ahy ny zohy ao Makpela izay azy, dia ilay eo amin’ ny sisin’ ny sahany; amin’ izay vola tokom-bidiny no aoka hanomezany azy ho ahy eto aminareo ho tany fandevenana.
kuti andigulitse phanga la Makipela, limene lili kumapeto kwa munda wake. Mumupemphe kuti andigulitse pamtengo wake ndithu inu mukuona kuti akhale manda.”
10 Ary Efrona nipetraka teo amin’ ny taranak’ i Heta; dia namaly an’ i Abrahama Efrona Hetita teo anatrehan’ ny taranak’ i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ ny tanànany, ka nanao hoe:
Pamenepo nʼkuti Efroni Mhiti ali pomwepo pakati pa anthuwo amene anabwera ku chipata cha mzindawo. Ndipo onse akumva anamuyankha Abrahamu
11 Tsia, tompokolahy, fa mihainoa ahy: ny saha dia omeko anao, ary ny zohy izay eo anatiny koa dia omeko anao; eto imason’ ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao; aleveno ny fatin’ ny vadinao.
nati, “Ayi mbuye wanga tandimverani, ine ndikukupatsani mundawo ndiponso phanga limene lili mʼmenemo. Ndikukupatsani malowa pamaso pa anthu a mtundu wanga. Chonde ikani mtembo wamkazi wanu.”
12 Ary niankohoka teo anatrehan’ ny olona tompon-tany Abrahama,
Apo Abrahamu anaweramanso mwaulemu pamaso pa anthu a mʼdzikolo
13 dia niteny tamin’ i Efrona teo anatrehan’ ny olona tompon-tany ka nanao hoe: Kanefa raha mba hihaino ahy ihany ianao, dia homeko ny vidin’ ny saha; raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin’ ny vadiko.
ndipo anthu onse akumva Abrahamu anati kwa Efroni, “Ngati kungatheke, chonde ndimvereni. Ine ndichita kugula mundawu. Landirani ndalama za mundawu kuti ine ndiyike mkazi wanga mʼmenemo.”
14 Ary Efrona dia namaly an’ i Abrahama ka nanao taminy hoe:
Koma Efroni anamuyankha Abrahamu nati,
15 Tompokolahy, mihainoa ahy: tany tokony ho lafo sekely volafotsy efa-jato, inona moa izany amintsika roa lahy? fa aleveno ny fatin’ ny vadinao.
“Mundimvere mbuye wanga; mundawo mtengo wake ndi masekeli asiliva okwana 400. Koma zimenezo nʼchiyani pakati pa ine ndi inu? Ikani mtembo wa mkazi wanu.”
16 Dia neken’ i Abrahama ny tenin’ i Efrona, ka nolanjainy ho azy ny vola izay efa voalazany teo anatrehan’ ny taranak’ i Heta, dia sekely volafotsy efa-jato lanin’ ny mpivarotra.
Abrahamu anavomera mtengo umene ananena Efroni Ahiti onse akumva ndipo anamuwerengera masekeli asiliva okwana 400 monga mwa mtengo wa ndalama umene amalonda a nthawi imeneyo ankagwiritsa ntchito.
17 Ary ny sahan’ i Efrona, ilay teo Makpela, izay tandrifin’ i Mamre, dia ny saha sy ny zohy izay teo anatiny mbamin’ ny hazo rehetra izay teo anatiny, izay teo amin’ ny sisiny rehetra manodidina, dia natao varo-maty
Choncho munda wa Efroni wa ku Makipela umene unali kufupi ndi Mamre, kuphatikiza munda, phanga linali mʼmenemo pamodzi ndi mitengo yonse ya mʼmundamo, zinaperekedwa
18 tamini’ i Abrahama ho fananana, teo imason’ ny taranak’ i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ ny tanànany.
kwa Abrahamu ngati chuma chake pamaso pa anthu onse a ku Hiti amene anabwera ku chipata cha mzindawo.
19 Ary rehefa afaka izany, Abrahama dia nandevina an’ i Saraha vadiny tao amin’ ny zohy tao amin’ ny saha Makpela tandrifin’ i Mamre (Hebrona izany), ao amin’ ny tany Kanana;
Zitatha izi, Abrahamu anayika mkazi wake Sara mʼphanga la mʼmunda wa ku Makipela, kufupi ndi ku Mamre (kumene ndi ku Hebroni) mʼdziko la Kanaani.
20 ka ny saha mbamin’ ny zohy izay ao anatiny dia nataon’ ny taranak’ i Heta varo-maty tamin’ i Abrahama ho tany fandevenana.
Choncho Ahiti anapereka munda pamodzi ndi phanga la mʼmenemo kwa Abrahamu kuti akhale manda.