Preface
Read
+
Publisher
Nainoia, Inc.
PO Box 462, Bellefonte, PA 16823
(814) 470-8028
Nainoia Inc, Publisher
LinkedIn/NAINOIA-INC
Third Party Publisher Resources
Request Custom Formatted Verses
Please contact us below
Submit your proposed corrections
I understand that the Aionian Bible republishes public domain and Creative Commons Bible texts and that volunteers may be needed to present the original text accurately. I also understand that apocryphal text is removed and most variant verse numbering is mapped to the English standard. I have entered my corrections under the verse(s) below. Proposed corrections to the Malagasy Bible 1865, Genesis Chapter 23 https://www.AionianBible.org/Bibles/Malagasy---Malagasy-Bible/Genesis/23 1) Ary ny andro niainan’ i Saraha dia fito amby roa-polo amby zato taona; izany no taona niainan’ i Saraha. 2) Ary Saraha dia maty tao Kiriat-arba (Hebrona izany) tany amin’ ny tany Kanana; dia tonga Abrahama hisaona an’ i Saraha sy hitomany azy. 3) Ary Abrahama nitsangana niala avy teo anilan’ ny fatin’ ny vadiny, dia niteny tamin’ ny taranak’ i Heta ka nanao hoe: 4) Vahiny sy mpivahiny eto aminareo aho; omeo tany fandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny fatin’ ny vadiko tsy ho eto anatrehako. 5) Dia namaly an’ i Abrahama ny taranak’ i Heta ka nanao taminy hoe: 6) Mihainoa anay, tompokolahy: andrian-dehibe eto aminay ianao; koa izay tsara indrindra amin’ ny fasanay no andeveno ny fatin’ ny vadinao; tsy misy aminay hiaro ny fasany aminao tsy handevenanao ny fatin’ ny vadinao. 7) Dia nitsangana Abrahama ka niankohoka teo anatrehan’ ny taranak’ i Heta tompon-tany, 8) dia niteny taminy ka nanao hoe: Raha sitrakareo ary ny handevenako ny fatin’ ny vadiko mba tsy ho eto anatrehako, dia mihainoa ahy, ka mba iangavio kely amin’ i Efrona, zanak’ i Zohara, 9) mba homeny ahy ny zohy ao Makpela izay azy, dia ilay eo amin’ ny sisin’ ny sahany; amin’ izay vola tokom-bidiny no aoka hanomezany azy ho ahy eto aminareo ho tany fandevenana. 10) Ary Efrona nipetraka teo amin’ ny taranak’ i Heta; dia namaly an’ i Abrahama Efrona Hetita teo anatrehan’ ny taranak’ i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ ny tanànany, ka nanao hoe: 11) Tsia, tompokolahy, fa mihainoa ahy: ny saha dia omeko anao, ary ny zohy izay eo anatiny koa dia omeko anao; eto imason’ ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao; aleveno ny fatin’ ny vadinao. 12) Ary niankohoka teo anatrehan’ ny olona tompon-tany Abrahama, 13) dia niteny tamin’ i Efrona teo anatrehan’ ny olona tompon-tany ka nanao hoe: Kanefa raha mba hihaino ahy ihany ianao, dia homeko ny vidin’ ny saha; raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin’ ny vadiko. 14) Ary Efrona dia namaly an’ i Abrahama ka nanao taminy hoe: 15) Tompokolahy, mihainoa ahy: tany tokony ho lafo sekely volafotsy efa-jato, inona moa izany amintsika roa lahy? fa aleveno ny fatin’ ny vadinao. 16) Dia neken’ i Abrahama ny tenin’ i Efrona, ka nolanjainy ho azy ny vola izay efa voalazany teo anatrehan’ ny taranak’ i Heta, dia sekely volafotsy efa-jato lanin’ ny mpivarotra. 17) Ary ny sahan’ i Efrona, ilay teo Makpela, izay tandrifin’ i Mamre, dia ny saha sy ny zohy izay teo anatiny mbamin’ ny hazo rehetra izay teo anatiny, izay teo amin’ ny sisiny rehetra manodidina, dia natao varo-maty 18) tamini’ i Abrahama ho fananana, teo imason’ ny taranak’ i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ ny tanànany. 19) Ary rehefa afaka izany, Abrahama dia nandevina an’ i Saraha vadiny tao amin’ ny zohy tao amin’ ny saha Makpela tandrifin’ i Mamre (Hebrona izany), ao amin’ ny tany Kanana; 20) ka ny saha mbamin’ ny zohy izay ao anatiny dia nataon’ ny taranak’ i Heta varo-maty tamin’ i Abrahama ho tany fandevenana. Additional comments?
Refresh Captcha
The world's first Holy Bible un-translation!