< 2 Tantara 20 >

1 Ary nony afaka izany, dia avy hiady tamin’ i Josafata ny taranak’ i Moaba sy ny taranak’ i Amona mbamin’ ny any ankoatry ny Amonita.
この後モアブの子孫アンモンの子孫およびマオニ人等ヨシヤパテと戰はんとて攻きたれり
2 Ary nisy tonga ka nanambara tamin’ i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any an-dafin’ ny ranomasina, dia avy any Syria, ho avy hiady aminao; ary indreo izy ao Hazezon-tamara (Enjedy izany).
時に或人きたりてヨシヤパテに告て云ふ海の彼旁スリアより大衆汝に攻きたる視よ今ハザゾンタマルにありとハザゾンタマルはすなはちエンゲデなり
3 Dia natahotra Josafata ka nanatrika tsara hitady an’ i Jehovah sady niantso andro fifadian-kanina ho an’ ny tanin’ ny Joda rehetra.
是においてヨシヤパテ懼れ面をヱホバに向てその助を求めユダ全國に斷食を布令しめたれば
4 Dia niangona ny Joda hangataka famonjena amin’ i Jehovah; eny, avy tamin’ ny tanànan’ ny Joda rehetra hitady an’ i Jehovah izy.
ユダ擧て集りヱホバの助を求めたり即ちユダの一切の邑より人々きたりてヱホバを求む
5 Ary Josafata nitsangana teo amin’ ny fiangonan’ ny Joda sy Jerosalema, Tao amin’ ny tranon’ i Jehovah, teo anoloan’ ny kianja vaovao,
時にヨシヤパテ、ヱホバの室の新しき庭の前においてユダとヱルサレムの會衆の中に立ち
6 ka nanao hoe: Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy Hianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Hianao no manapaka amin’ ny fanjakan’ ny jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao.
言けるは我らの先祖の神ヱホバよ汝は天の神にましますに非ずや異邦人の諸國を統たまふに非ずや汝の手には能力あり權勢ありて誰もなんぢを禦ぐこと能はざるに非ずや
7 Ry Andriamanitray ô, tsy Hianao va no nandroaka ny mponina tamin’ ity tany ity hiala teo anoloan’ ny Isiraely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an’ ny taranak’ i Abrahama sakaizanao?
我らの神よ汝は此國の民を汝の民イスラエルの前より逐はらひて汝の友アブラハムの子孫に之を永く與へたまひしに非ずや
8 Ary nonina tatỳ izy ka nanao fitoerana masìna teto ho an’ ny anaranao sady nanao hoe:
彼らは此に住み汝の名のために此に聖所を建て言へり
9 Raha manjo anay ny loza, na sabatra, na famaliana, na areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana manatrika ity trano ity sy eto anatrehanao izahay (fa ny anaranao no amin’ ity trano ity) ka hitaraina aminao amin’ ny fahorianay, dia hihaino Hianao ka hamonjy.
刑罰の劍疫病饑饉などの災禍われらに臨まん時は我らこの家の前に立て汝の前にをりその苦難の中にて汝に呼號らんしかして汝聽て助けたまはん汝の名はこの家にあればなりと
10 Koa indreo ny taranak’ i Amona sy Moaba ary ny avy any an-tendrombohitra, Seïra, dia ilay tsy navelanao hotafihin’ ny Isiraely, fony izy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, ka nivily fa tsy nandringana azy;
今アンモン、モアブおよびセイル山の子孫を視たまへ在昔イスラエル、エジプトの國より出きたれる時汝イスラエルに是等を侵さしめたまはざりしかば之を離れさりて滅ぼさざりしなり
11 nefa indreo izy mamaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin’ ny lova nomenao anay.
かれらが我らに報ゆる所を視たまへ彼らは汝がわれらに有たしめたまへる汝の產業より我らを逐はらはんとす
12 Ry Andriamanitray ô, tsy hitsara azy va Hianao? Fa izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Hianao no andrandrain’ ny masonay.
我らの神よ汝かれらを鞫きたまはざるや我らは此斯く攻よせたる此の大衆に當る能力なく又爲ところを知ず唯汝を仰ぎ望むのみと
13 Ary ny Joda rehetra mbamin’ ny vadiny aman-janany koa dia samy nitsangana teo anatrehan’ i Jehovah.
ユダの人々はその小者および妻子とともに皆ヱホバの前に立をれり
14 Ary Jahaziela, zanak’ i Zakaria, zanak’ i Benaia, zanak’ i Jeiela, zanak’ i Matania, Levita amin’ ny taranak’ i Asafa, dia voatsindrin’ ny Fanahin’ i Jehovah teo amin’ ny fiangonana
時に會衆の中にてヱホバの霊アサフの子孫たるレビ人ヤハジエルに臨めりヤハジエルはゼカリヤの子ゼカリヤはベナヤの子ベナヤはヱイエルの子ヱイエルはマツタニヤの子なり
15 ka nanao hoe: Mihainoa ianareo, ry Joda rehetra sy ry mponina any Jerosalema, ary ianao, ry Josafata mpanjaka: Izao no lazain’ i Jehovah aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny amin’ ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an’ Andriamanitra.
ヤハジエルすなはち言けるはユダの人衆およびヱルサレムの居民ならびにヨシヤパテ王よ聽べしヱホバかく汝らに言たまふ此大衆のために懼るる勿れ慄くなかれ汝らの戰に非ずヱホバの戰なればなり
16 Rahampitso dia midìna hiady aminy ianareo; fa, indreo, hiakatra amin’ ny fiakarana Ziza izy; ary ianareo hahita azy eo amin’ ny faran’ ny lohasahan-driaka tandrifin’ ny efitr’ i Jeroela.
なんぢら明日彼らの所に攻くだれ彼らはヂヅの坡より上り來る汝らヱルエルの野の前なる谷の口にて之に遇ん
17 Tsy ianareo anefa no hiady amin’ ity; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen’ i Jehovah anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo.
この戰爭には汝ら戰ふにおよばずユダおよびヱルサレムよ汝ら惟進みいでて立ち汝らとともに在すヱホバの拯救を見よ懼る勿れ慄くなかれ明日彼らの所に攻いでよヱホバ汝らとともに在せばなりと
18 Dia niankohoka tamin’ ny tany Josafata; ary ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah koa ka nivavaka.
是においてヨシヤパテ首をさげて地に俯伏りユダの人衆およびヱルサレムの民もヱホバの前に伏てヱホバを拝す
19 Dia nitsangana ny Levita, taranaky ny Kehatita sy taranaky ny Koraïta, mba hidera an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin’ ny feo mahery indrindra.
時にコハテの子孫およびコラの子孫たるレビ人立あがり聲を高くあげてイスラエルの神ヱホバを讃美せり
20 Ary nifoha maraina koa izy, dia niainga nankany an-efitr’ i Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia nitsangana teo Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo.
かくて皆朝はやく起てテコアの野に出ゆけり其いづるに當りてヨシヤパテ立て言けるはユダの人衆およびヱルサレムの民よ我に聽け汝らの神ヱホバを信ぜよ然ば汝ら堅くあらんその預言者を信ぜよ然ば汝ら利あらん
21 Ary rehefa niara-nihevitra tamin’ ny olona izy, dia nanendry mpihira ho an’ i Jehovah hidera amin’ ny fihaingoana masìna, raha mivoaka eo anoloan’ ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hoe: Miderà an’ i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.
彼また民と議りて人々を選び之をして聖き飾を著て軍勢の前に進ましめヱホバにむかひて歌をうたひ且これを讃美せしめヱホバに感謝せよ其恩惠は世々かぎりなしと言しむ
22 Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia nasian’ i Jehovah otrika hamely ny taranak’ i Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seïra, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo.
その歌を歌ひ讃美をなし始むるに當りてヱホバ伏兵を設けかのユダに攻きたれるアンモン、モアブ、セイル山の子孫をなやましたまひければ彼ら打敗られたり
23 Dia nitsangana ny taranak’ i Amona sy Moaba namely ny avy any an-tendrombohitra Seïra ka namono sy nandringana azy; ary nony voaringany ny mponina tany Seïra, dia nifandringana kosa izy samy izy ihany.
即ちアンモンとモアブの子孫起てセイル山の民にむかひ盡くこれを殺して滅ししがセイルの民を殺し盡すに及びて彼らも亦力をいだして互に滅ぼしあへり
24 Ary nony tonga teo amin’ ilay fitazanana any an-efitra ny Joda, dia nijery ireo olona betsaka ireo izy, koa, indreo, nisy faty niampatrampatra tamin’ ny tany, fa tsy nisy afa-nandositra.
ユダの人々野の觀望所に至りてかの群衆を觀たりければ唯地に仆れたる死屍のみにして一人だに逃れし者なかりき
25 Ary avy hamabo azy Josafata sy ny vahoakany, dia nahita harena betsaka sy faty ary fanaka sarobidy teo izy, ka dia namabo mihoatra noho izay zakany ho entina; ary hateloana no nanangonany ny babo, fa be dia be ireny.
是においてヨシヤパテおよびその民彼らの物を奪はんとて來り觀にその死屍の間に財寳衣服および珠玉などおびただしく在たれば則ち各々これを剥とりけるが餘に多くして携さへ去こと能はざる程なりき其物多かりしに因て之を取に三日を費しけるが
26 Ary tamin’ ny andro fahefatra dia nivory tao amin’ ny lohasaha Beraka izy, fa tany no nisaorany an’ i Jehovah; koa izany no nanaovany izany tany izany hoe Lohasaha Beraka mandraka androany.
第四日にベラカ(感謝)の谷に集り其處にてヱホバに感謝せり是をもてその處の名を今日までベラカ(感謝)の谷と呼ぶ
27 Koa dia niverina ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda sy Jerosalema, ary Josafata nitarika azy hankany Jerosalema indray tamin’ ny fifaliana, fa Jehovah nampifaly azy ny amin’ ny fahavalony.
而してユダとヱルサレムの人々みな各々歸りきたりヨシヤパテの後にしたがひ歓びてヱルサレムに至れり其はヱホバ彼等をしてその敵の故によりて歓喜を得させたまひたればなり
28 Ary tonga tany Jerosalema izy nitondra valiha sy lokanga ary trompetra ka nankao an-tranon’ i Jehovah.
即ち彼ら瑟と琴および喇叭を合奏してヱルサレムに往てヱホバの室にいたる
29 Ary ny fahatahorana an’ Andriamanitra nahazo ny fanjakana rehetra manodidina, nony efa reny fa Jehovah no niady tamin’ ny fahavalon’ ny Isiraely.
諸の國の民ヱホバがイスラエルの敵を攻撃たまひしことを聞て神を畏れたれば
30 Ary nandry fahizay ny fanjakan’ i Josafata; fa nomen’ Andriamaniny fiadanana tamin’ ny manodidina izy.
ヨシヤパテの國は平穩なりき即ちその神四方において之に安息を賜へり
31 Ary Josafata nanjaka tamin’ ny Joda; dimy amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema, Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin’ i Sily.
ヨシヤパテはユダの王となり三十五歳のときその位に即き二十五年の間ヱルサレムにて世を治めたり其母はシルヒの女にして名をアズバといふ
32 Ary nandeha tamin’ ny lalana nalehan’ i Asa rainy izy ka tsy niala tamin’ izany, fa nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah.
ヨシヤパテはその父アサの道にあゆみて之を離れずヱホバの目に善と觀たまふ事を行へり
33 Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa ny olona tsy mbola nampiomana ny fony hitady an’ Andriamanitry ny razany.
然れども崇邱はいまだ除かず又民はいまだその先祖の神に心を傾けざりき
34 Ary ny tantaran’ i Josafata sisa, na ny voalohany na ny farany, indro, efa voasoratra ao amin’ ny tenin’ i Jeho, zanak’ i Hanany, izay nakambana ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely, izany.
ヨシヤパテのその餘の始終の行爲はハナニの子ヱヒウの書に記さるヱヒウの事はイスラエルの列王の書に載す
35 Nefa nony afaka izany, Josafata, mpanjakan’ ny Joda, nikambana tamin’ i Ahazia, mpanjakan’ ny Isiraely, izay nanao ratsy;
ユダの王ヨシヤパテ後にイスラエルの王アハジアと相結べりアハジアは大に惡を行ふ者なりき
36 ary nikambana taminy hanao sambo hankany Tarsisy izy, ka tao Ezion-gebera no nanaovany azy.
ヨシヤパテ、タルシシに遣る舟を造らんとて彼と相結びてエジオンゲベルにて共に舟數隻を造れり
37 Ary Eliezera, zanak’ i Dodavaho, avy any Maresa, naminany ny amin’ i Josafata hoe: Noho ny nikambananao tamin’ i Ahazia dia horavan’ i Jehovah ny asanao. Ary nahavakiana ny sambo ka tsy nahazo nankany Tarsisy.
時にマレシヤのドダワの子エリエゼル、ヨシヤパテにむかひて預言して云ふ汝アハジアと相結びたればヱホバなんぢの作りし者を毀ちたまふと即ちその舟は皆壞れてタルシシに往くことを得ざりき

< 2 Tantara 20 >