< 1 Korintiana 9 >

1 Tsy olona afaka va aho? Tsy Apostoly va aho? Tsy efa nahita an’ i Jesosy Tompontsika va aho? Tsy asako ao amin’ ny Tompo va ianareo?
Ne suis-je pas libre? ne suis pas apôtre? n'ai-je pas vu Jésus notre Seigneur? N'êtes-vous pas mon oeuvre dans le Seigneur?
2 Raha tsy Apostoly ho an’ ny sasany aza aho, dia Apostoly ho anareo tokoa; fa ianareo no tombo-kase mah’ Apostoly ahy ao amin’ ny Tompo.
Si pour d'autres je ne suis pas apôtre, au moins le suis-je pour vous. Car le sceau de mon apostolat c'est vous qui l'êtes dans le Seigneur,
3 Izany no avaliko izay manadina ahy.
et mon apologie auprès de ceux qui me mettent en cause, la voilà.
4 Moa tsy mahazo mihinana sy misotro va izahay?
N'aurions-nous pas le droit de manger et boire à vos frais?
5 Moa tsy mahazo mitondra vady izay isan’ ny mino va izahay, tahaka ny Apostoly sasany koa sy ny rahalahin’ ny Tompo ary Kefasy?
N'aurions-nous pas le droit de mener partout avec nous une femme soeur comme les autres apôtres, comme les frères du Seigneur, comme Képhas?
6 Sa izaho ihany sy Barnabasy no tsy mahazo mitsahatra tsy miasa?
Barnabas et moi, sommes-nous seuls à ne pas avoir le droit de nous dispenser de travailler?
7 Iza no mandeha manafika ka mivelona amin’ ny haren’ ny tenany? Iza no manao tanim-boaloboka ka tsy mihinana ny vokatra? Ary iza no miandry ondry aman’ osy ka tsy mihinana ny rononony?
Qui a jamais fait son service militaire à ses propres frais? Plante-t-on une vigne pour n'en pas manger le fruit? Fait-on paître un troupeau sans se nourrir de son lait?
8 Moa araka ny fihevitry ny olona va no itenenako izany, sa ny lalàna mba milaza izany koa?
Est-ce que je ne vous indique là que les usages du monde? La Loi même ne dit-elle pas la même chose?
9 Fa voasoratra eo amin’ ny lalàn’ i Mosesy hoe: Aza manakombona ny vavan’ ny omby mively vary. Ny omby va no ahin’ Andriamanitra?
Dans la Loi de Moïse il est écrit: «Tu ne muselleras pas le boeuf qui foule le blé.» Est-ce que Dieu s'occupe des boeufs?
10 Sa noho izahay mihitsy no nanaovana izany teny izany? Eny, fa noho izahay indrindra no nanoratana izany, satria izay miasa tany dia tokony hiasa amin’ ny fanantenana, ary izay mively vary dia tokony hively amin’ ny fanantenana hahazo.
Ne dit-il pas cela exclusivement pour nous? Oui, c'est pour nous que cette parole a été écrite. Elle signifie que celui qui laboure la terre et celui qui bat le blé doivent le faire avec l'espérance d'en avoir leur part.
11 Raha izahay namafy izay zava-panahy ho anareo, dia zavatra lehibe va raha mba mijinja izay anananareo araka ny nofo kosa izahay?
Nous avons semé chez vous la semence spirituelle, serait-ce il beaucoup de cueillir quelque chose de votre temporel?
12 Raha ny hafa aza manana izany fahefana izany aminareo, tsy mainka va fa izahay? Kanefa tsy nanampatra izany fahefana izany izahay, fa mihafy amin’ ny zavatra rehetra, fandrao hisakana ny filazantsaran’ i Kristy.
Si d'autres se sont donné ce droit sur vous, ne l'aurions-nous pas à plus forte raison? Eh bien, nous n'avons pas usé de ce droit; au contraire, nous supportons tout pour ne créer aucun obstacle à l'Évangile du Christ!
13 Tsy fantatrareo va fa izay manompo amin’ ny zavatra masìna dia mihinana ny zavatry ny tempoly, ary izay manompo eo amin’ ny alitara dia miombona amin’ ny alitara?
Ignorez-vous que ceux qui font le service sacré sont nourris par le Temple? que ceux qui sont occupés à l'autel sont les commensaux de l'autel?
14 Toy izany koa no nandidian’ ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin’ ny filazantsara.
De même le Seigneur a ordonné à ceux qui annoncent l'Évangile de vivre de l'Évangile.
15 Nefa tsy nahavatra izany zavatra izany na dia kely akory aza aho; ary tsy manoratra izany aho mba hanaovana izany amiko; fa aleoko maty toy izay hisy hahafoana ny reharehako.
Eh bien, moi, je n'ai usé d'aucun de ces droits. Je n'écris pas cela pour que vous m'en fassiez jouir désormais, car j'aimerais mieux mourir que de me laisser enlever ce sujet de gloire.
16 Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho!
En effet, ce n'est pas prêcher l'Évangile qui est mon sujet de gloire. C'est une obligation qui m'est imposée et malheur à moi si je ne prêche pas l'Évangile!
17 Fa raha ny sitrapoko no anaovako izany, dia mahazo valim-pitia aho; fa raha tsy ny sitrapoko, dia natolotra aho ho andraikitro izany.
Ah! si je le prêchais de mon propre mouvement, j'aurais un mérite, mais si je le prêche par ordre, c'est un ministère qui m'est confié.
18 Inona ary no valim-pitia azoko? Dia izao: raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy asiako fandoavam-bola ny filazantsara, mba tsy hanampatra ny fahefako amin’ ny filazantsara.
Quel est alors mon mérite? c'est qu'en évangélisant je prêche l'Évangile gratis, de sorte que je n'use pas des droits que j'ai au nom de l'Évangile.
19 Fa na dia afaka amin’ ny olona rehetra aza aho, dia mbola nataoko ho mpanompon’ ny olona rehetra ihany ny tenako mba hahazoako maromaro kokoa.
Étant libre de tous, je me suis fait esclave de tous, pour en gagner un plus grand nombre.
20 Tamin’ ny Jiosy, dia tonga toy ny Jiosy aho, mba hahazoako ny Jiosy; tamin’ izay ambanin’ ny lalàna, dia tonga toy izay ambanin’ ny lalàna aho, na dia tsy ambanin’ ny lalàna aza aho, mba hahazoako izay ambanin’ ny lalàna;
Je me suis fait Juif pour les Juifs, afin de gagner les Juifs; à ceux qui sont sous l'autorité de la Loi, je me suis présenté comme étant sous l'autorité de la Loi (quoique je ne fusse pas sous cette autorité), afin de gagner ceux qui sont, sous l'autorité de la Loi.
21 tamin’ izay tsy manana lalàna, dia toy izay tsy manana lalàna aho (kanefa tsy mba olona tsy manana lalàna amin’ Andriamanitra aho, fa ambanin’ ny lalàn’ i Kristy), mba hahazoako izay tsy manana lalàna;
Avec ceux qui ne sont pas sous l'autorité de la Loi, j'ai été sans Loi (quoique je ne fusse pas hors de la vraie Loi de Dieu, étant dans la Loi de Christ), afin de gagner ceux qui ne sont pas sous l'autorité de la Loi.
22 tamin’ ny malemy dia tonga malemy aho, mba hahazoako ny malemy; efa tonga zavatra rehetra aho amin’ ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany na iza na iza.
Pour les faibles, j'ai été faible afin de gagner les faibles. J'ai été tout à tous pour en sauver un certain nombre de toutes les manières.
23 Ary izany rehetra izany dia ataoko noho ny filazantsara mba ho tonga mpiombona aminy aho.
Et tout cela je le fais à cause de l'Évangile, afin d'en avoir ma part.
24 Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin’ ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo.
Ne savez-vous pas que dans les courses du stade tous courent, mais qu'un seul remporte le prix? Courez de manière à le remporter.
25 Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satro-boninahitra mety ho lò ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lò.
Ceux qui doivent concourir aux jeux s'imposent de rigoureuses abstinences; et c'est pour recevoir une couronne périssable; nous, faisons de même pour une couronne impérissable.
26 Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra;
Pour moi, voici comment je cours: je ne vais pas à l'aventure; voici comment je me bats: je ne frappe pas dans le vide;
27 fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.
mais je meurtris mon corps et je le rends esclave, de peur qu'après avoir fait le héraut pour les autres je ne sorte de la lice rejeté.

< 1 Korintiana 9 >