< ネヘミヤ 記 3 >
1 茲に祭司の長ヱリアシブその兄弟の祭司等とともに起て羊の門を建て之を聖別てその扉を設け尚も之を聖別てハンメアの戌樓に及ぼし又ハナネルの戌樓に及ぼせり
Dia nitsangana Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin’ ondry; dia nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lela-vavahadiny; hatramin’ ny tilikambo Hamea ka hatramin’ ny tilikambo Hananela no nohamasininy.
2 その次にはヱリコの人々を築き建て其次にはイムリの子ザツクル築き建たり
Ary manarakaraka ireo dia nandrafitra koa ny mponina tany Jeriko. Ary manarakaraka ireo indray dia nandrafitra koa Zakora, zanak’ Imry.
3 魚の門はハツセナアの子等これを建構へその扉を設けて之に鎖と閂を施こせり
Ary ny vavahadin-kazandrano dia narafitry ny zanak’ i Hasena, izy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny.
4 その次にはハツコヅの子ウリヤの子メレモタ修繕をなし其次にはメシザベルの子ベレキヤの子メシユラム修繕をなしその次にはバアナの子ザドク修繕をなし
Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Meremota, zanak’ i Oria, zanak’ i Hakoza. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Mesolama, zanak’ i Berekia, zanak’ i Mesezabela. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Zadoka, zanak’ i Bana.
5 その次にはテコア人等修繕をなせり但しその貴き族はその主の工事に服せざりき
Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny Tekoïta; nefa ny olona ambonimbony teo aminy dia tsy nety nampiondrika ny vozony ho amin’ ny fanompoana ny Tompony.
6 古門はパセアの子ヨイアダおよびベソデヤの子メシユラムこれを修繕ひ構へその扉を設けて之に鎖と閂を施せり
Ary ny vavahady taloha dia namboarin’ i Joiada, zanak’ i Pasea, sy Mesolama, zanak’ i Besodia; izy roa lahy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny.
7 その次にはギベオン人メラテヤ、メロノテ人ヤドン河外ふの總督の管轄に屬するギベオンとミヅパの人々等修繕をなせり
Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita mbamin’ ny mponina tany Gibeona sy Mizpa, hatramin’ ny seza fiandrianan’ ny governora etỳ an-dafin’ ny ony etỳ.
8 その次にはハルハヤの子ウジエルなどの金工修繕をなし其次には製香者ハナニヤなど修繕をなしヱルサレムを堅うして石垣の廣き處にまで及べり
Manarakaraka ireo dia namboatra koa Oziela, zanak’ i Haraia, isan’ ny mpanefy volamena. Manarakaraka io dia namboatra koa Hanania, isan’ ny mpangaroharo zava-manitra; ary nanamafy an’ i Jerosalema izy hatramin’ ny mandà lehibe.
9 その次にはエルサレムの郡の半の知事ホルの子レパヤ修繕をなせり
Ary manarakaraka io dia namboatra koa Refaia, zanak’ i Hora, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Jerosalema.
10 その次にはハルマフの子ヱダヤ己の家と相對ふ處を修繕りその次にはハシヤブニヤの子ハツトシ修繕をなせり
Ary manarakaraka io dia namboatra koa Jedaia, zanak’ i Haromafa, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Hatosy, zanak’ i Hasabnia.
11 ハリムの子マルキヤおよびバハテモアブの子ハシユブも一方を修繕ひまた爐戍樓を修繕へり
Ny sasany koa mbamin’ ny tilikambo misy ny fatana fandoroana dia namboarin’ i Malkia, zanak’ i Harima, sy Hasoba, zanak’ i Pahatamoaba.
12 その次にはヱルサレムの郡の半の知事ハロヘシの子シヤルムその女子等とともに修繕をなせり
Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Saloma, zanak’ i Halohesy, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Jerosalema, dia izy sy ny zananivavy.
13 谷の門はハヌン、ザノアの民と偕に之を修繕ひ之を建なほしてその扉を設け之に鎖と閂を施しまた糞の門までの石垣一千キユビトを修繕り
Ny vavahady mankamin’ ny lohasaha dia namboarin’ i Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny arivo hakiho amin’ ny manda hatramin’ ny vavahadin-jezika.
14 糞の門はベテハケレムの郡の半の知事レカブの子マルキヤこれを修繕ひ之を建なほしてその扉を設け之に鎖と閂を施こせり
Ary ny vavahadin-jezika dia namboarin’ i Malkia, zanak’ i Rekaba, komandin’ ny fehin’ i Beti-hakerema; izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny.
15 泉の門はミヅパの郡の知事コロホゼの子シヤルンこれを修繕ひ之を建なほして覆ひその扉を設け之に鎖と閂を施こしまた王の園の邊なるシラの池に沿る石垣を修繕てダビデの邑より下るところの階級にまで及ぼせり
Ary ny vavahadin-doharano dia namboarin’ i Saloma, zanak’ i Kola-hoze, komandin’ ny fehin’ i Mizpa; izy no nandrafitra sy nanafo izany ary nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny mandan’ ny farihy Siloa, teo anilan’ ny sahan’ ny mpanjaka, ka hatramin’ ny ambaratonga midìna avy any an-Tanànan’ i Davida.
16 その後にはベテズルの郡の半の知事アズブクの子ネヘミヤ修繕をなしてダビデの墓に對ふ處にまで及ぼし堀池に至り勇士宅に至れり
Ary manarakaraka io dia namboatra koa Nehemia, zanak’ i Azboka, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Beti-zora, hatramin’ ny teo amin’ ny tandrifin’ ireo fasan’ i Davida ka hatramin’ ny farihy izay natao ary hatramin’ ny tranon’ ny lehilahy mahery.
17 その後にはバニの子レホムなどのレビ人修繕をなし其次にはケイラの郡の半の知事ハシヤビヤその郡の爲に修繕をなせり
Manarakaraka io dia namboatra koa ny Levita, dia Rehoma, zanak’ i Bany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Hasabia, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Keila, ho an’ ny fehiny.
18 その後にはケイラの郡の半の知事ヘナダデの子バワイなどいふ其兄弟修繕をなし
Manarakaraka io dia namboatra koa ireo rahalahiny, dia Bavay, zanak’ i Henadada, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Keila.
19 その次にはヱシユアの子ミヅパの知事エゼル石垣の彎にある武器庫に上る所に對へる部分を修繕ひ
Ary manarakaraka lreo dia nisy namboarin’ i Ezera, zanak’ i Jesoa, komandin’ i Mizpa, teo amin’ ny tandrifin’ ny fiakarana ho any amin’ ny trano fitehirizam-piadiana eo amin’ ny fiolahana.
20 その後にはザバイの子バルク力を竭して石垣の彎より祭司の長エリアシブの家の門までの部分を修繕ひ
Manarakaraka io koa dia Baroka, zanak’ i Zabay, no nazoto namboatra ny sasany hatramin’ ny fiolahana ka hatramin’ ny varavaran’ ny tranon’ i Eliasiba mpisoronabe.
21 その次にはハツコヅの子ウリヤの子メレモテ、エリアシブの家の門よりエジアシブの家の極までの部分を修繕ひ
Manarakaraka io koa dia nisy namboarin’ i Meremota, zanak’ i Oria, zanak’ i Hakoza, hatramin’ ny varavaran’ ny tranon’ i Eliasiba ka hatramin’ ny faran’ ny tranon’ i Eliasiba.
Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny mpisorona, dia ireo avy tany amin’ ny tany lemaka.
23 その次にはベニヤミンおよびハシユブ己の家と相對ふ處を修繕ひ其次にはアナニヤの子マアセヤの子アザリヤ己の家に近き處を修繕ひ
Manarakaraka ireo dia namboatra koa Benjamina sy Hasoba teo amin’ ny tandrifin’ ny tranony ihany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Azaria, zanak’ i Mahaseia, zanak’ i Anania, teo anilan’ ny tranony ihany.
24 その次にはヘナダデの子ビンヌイ、アザリヤの家より石垣の彎角までの部分を修繕へり
Manarakaraka io koa, dia nisy namboarin’ i Binoy, zanak’ i Henadada, hatramin’ ny tranon’ i Azaria ka hatramin’ ny fiolahana eo amin’ ny zorony.
25 ウザイの子パラルは石垣の彎に對ふ處および王の上の家より聳え出たる戍樓に對ふ處を修繕り是は侍衛の廳に近し其次にはパロシの子ペダヤ修繕をなせり
Ary Palala, zanak’ i Ozay, koa, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny fiolahana sy izay mandroso eo amin’ ny tilikambo ambony, eo amin’ ny ranon’ ny mpanjaka, eo akaikin’ ny tokotanin’ ny trano-maizina. Manarakaraka io koa dia Pedaia, zanak’ i Parosy.
26 時にネテニ人オペルに住をりて東の方水の門に對ふ處および聳え出たる戍樓に對ふ處まで及べり
Ary ny Netinima dia nonina tany Ofela hatreo amin’ ny tandrifin’ ny vavahadin-drano atsinanana sy ny mandroso eo amin’ ny tilikambo.
27 その次にはテコア人聳出たる大戍樓に對ふところの部分を修繕てオペルの石垣に及ぼせり
Ary manarakaraka ireo koa dia nisy namboarin’ ny Tekoïta, teo amin’ ny tandrifin’ ny mandroso eo amin’ ny tilikambo lehibe ka hatramin’ ny mandan’ i Ofela.
28 馬の門より上は祭司等おのおのその己の家と相對ふ處を修繕り
Hatreo ambonin’ ny vavahadin-tsoavaly dia namboarin’ ny mpisorona, dia samy ny teo amin’ ny tandrifin’ ny tranony avy.
29 その次にはインメルの子ザドク己の家と相對ふ處を修繕ひ其次にはシカニヤの子シマヤといふ東の門を守る者修繕をなし
Manarakaraka ireo dia namboatra koa Zadoka, zanak’ Imera, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Semaia, zanak’ i Sekania, mpiandry ny vavahady atsinanana.
30 その次にはシレミヤの子ハナニヤおよびザラフの第六の子ハヌン一方を修繕ひその後にはベレキヤの子メシユラム己の室と相對ふ處を修繕へり
Manarakaraka io koa dia nisy namboarin’ i Hanania, zanak’ i Setemia, sy Hanona, fahenin’ ny zanak’ i Zalafa. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Mesolama, zanak’ i Berekia, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny efi-tranony ihany.
31 その次には金工の一人マルキヤといふ者ハンミフカデの門と相對ふ處を修繕ひて隅の昇口に至りネテニ人および商人の家に及ぼせり
Manarakaraka io dia namboatra koa Malkia, isan’ ny mpanefy volamena, hatramin’ ny tranon’ ny Netinima sy ny mpandranto, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny vavahady Mifikada ka hatramin’ ny trano ambony teo an-jorony.
32 また隅の昇口と羊の門の間は金工および商人等これを修繕へり
Ary ny teo anelanelan’ ny trano ambony teo an-jorony sy ny vavahadin’ ondry no namboarin’ ny mpanefy volamena sy ny mpandranto.