< 歴代誌Ⅱ 2 >
1 茲にソロモン、ヱホバの名のために一の家を建てまた己の國のために一の家を建んとし
Ary Solomona nilaza fa hanao trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah sy lapa ho an’ ny tenany.
2 ソロモンすなはち荷を負べき者七萬人山において木や石を斫べき者八萬人是等を監督すべき者三千六百人を數へ出せり
Dia nanisa olona fito alina ho mpitondra entana Solomona ary valo alina ho mpikapa hazo eny an-tendrombohitra ary enin-jato amby telo arivo ho mpifehy azy.
3 ソロモンまづツロの王ヒラムに人を遣して言しめけるは汝はわが父ダビデにその住むべき家を建る香柏をおくれり請ふ彼になせしごとく亦我にもせよ
Ary Solomona naniraka hankany amin’ i Hirama, mpanjakan’ i Tyro, hanao hoe: Tahaka ny nataonao tamin’ i Davida raiko, raha nampanatitra hazo sedera ho azy hanaovany trano hitoerany ianao,
4 今我わが神ヱホバの名のために一の家を建て之を聖別て彼に奉つり彼の前に馨しき香を焚き常に供前のパンを供へ燔祭を朝夕に献げまた安息日月朔ならびに我らの神ヱホバの節期などに献げんとす是はイスラエルの永く行ふべき事なればなり
indro, izaho efa efa hanao trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah Andriamanitro izay hohamasinina ho Azy ka handoroana ditin-kazo mani-pofona eo anatrehany sy hasiana ny mofo aseho mandrakariva ary handoroana ny fanatitra isa-maraina sy Isan-kariva ary amin’ ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary amin’ ny fotoam-pivavahina voatendrin’ i Jehovah Andriamanitray; ho adidin’ ny Isiraely mandrakizay izany.
5 我建る家は大なり其は我らの神は諸の神よりも大なればなり
Ary ny trano efa hataoko dia lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.
6 然ながら天も諸天の天も彼を容ること能はざれば誰か彼のために家を建ることを得んや我は何人ぞや爭か彼のために家を建ることを得ん唯彼の前に香を焚くためのみ
Nefa iza no mahay manao trano ho Azy? Fa ny lanitra ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Azy. Ka iza moa aho, no hanao trano ho Azy, afa-tsy ny handoroana ditin-kazo manitra eo anatrehany ihany?
7 然ば請ふ今金銀銅鐵の細工および紫赤靑の製造に精しく雕刻の術に巧なる工人一箇を我に遣り我父ダビデが備へおきたるユダとヱルサレムのわが工人とともに操作しめよ
Koa aniraho olon-kendry aho hiasa volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy volomparasy sy jaky ary manga, ary izay mahay misokitra manao sarin-javatra mba hiara-manao amin’ ny olo-mahay zavatra izay atỳ amiko atỳ Joda sy Jerosalema, izay efa nomanin’ i Davida raiko.
8 請ふ汝また香柏松木および白檀をレバノンより我におくれ我なんぢの僕等がレバノンにて木を斫ることを善するを知るなり我僕また汝の僕と共に操作べし
Ary anatero hazo sedera sy kypreso ary almoga avy any Libanona koa aho; fa fantatro fa mahay mikapa hazo any Libanona ny vahoakanao; ary, indro, ny vahoakako hiaraka amin’ ny vahoakanao
9 是のごとくして我ために材木を多く備へしめよ其は我が建んとする家は高大を極むる者なるべければなり
mba hanamboatra hazo betsaka ho ahy; fa ny trano izay efa hataoko dia ho lehibe higagana.
10 我は木を斫る汝の僕に搗麥二萬石大麥二萬石酒二萬バテ油二萬バテを與ふべしと
Ary, indro, homeko vary tritika voafotsy sy vary hordea roa alina kora avy ary divay sy diloilo roa alina bata avy ny vahoakanao mpikapa hazo.
11 是においてツロの王ヒラム書をソロモンにおくりて之に答へて云ふヱホバその民を愛するが故に汝をもて之が王となせりと
Ary hoy Hirama, mpanjakan’ i Tyro, tamin’ ny taratasy izay nampanateriny ho any amin’ i Solomona: Noho ny fitiavan’ i Jehovah ny olony no nanendreny anao ho mpanjakany.
12 ヒラムまた言けるは天地の造主なるイスラエルの神ヱホバは讃べきかな彼はダビデ王に賢き子を與へて之に分別と才智とを賦け之をしてヱホバのために家を建てまた己の國のために家を建ることを得せしむ 今我わが達人ヒラムといふ才智ある工人一人を汝におくる
Ary hoy koa Hirama: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an’ i Davida zanaka hendry, izay manana fahendrena sy fahalalana, ka hanao trano ho an’ i Jehovah sy lapa ho an’ ny tenany izy.
Koa ankehitriny, indro, maniraka olona mahay zavatra sady manana fahalalana aho, dia Hiram-aby,
14 彼はダンの子孫たる婦の產る者にて其父はツロの人なるが金銀銅鐵木石の細工および紫布靑布細布赤布の織法に精しく又能く各種の雕刻を爲し奇巧を凝して諸の工をなすなり然ば彼を用ひてなんぢの工人および汝の父わが主ダビデの工人とともに操作しめよ
zanaky ny vehivavy Danita sy ny lehilahy Tyriana. Ary izy dia mahay miasa volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy vato sy hazo sy volomparasy sy manga sy rongony fotsy madinika ary jaky; ary mahay misokitra manao sarin-javatra samy hafa sy mahay manao marika amin’ izay asa rehetra asaina ataony, ka dia hiara-manao amin’ ny olon-kendrinao sy ny olon-kendrin’ itompokolahy Davida rainao Izy.
15 是については我主の宣まへる小麥大麥油および酒をその僕等に遣りたまへ
Ary ny vary tritika sy ny vary hordea ary ny diloilo sy ny divay, izay nolazainao, tompokolahy dia aoka hampanaterina ho atỳ aminay mpanomponao;
16 汝の凡て需むるごとく我らレバノンより木を斫いだしこれを筏にくみて海よりヨツバにおくるべければ汝これをヱルサレムに運びのぼりたまへと
Ary izahay dia hikapa hazo any Libanona araka izay rehetra tadiavinao; ary hofehezinay ka hampandehaninay mitsinkafona amin’ ny ranomasina ho any Jopa; ary ianao kosa no hitondra azy miakatra hankany Jerosalema.
17 ここにおいてソロモンその父ダビデが核數しごとくイスラエルの國にをる異邦人をことごとく核數みるに合せて十五萬三千六百人ありければ
Ary Solomona nanisa ny lehilahy hafa firenena rehetra izay nonina tamin’ ny tanin’ ny Isiraely araka ny nanisan’ i Davida rainy Lzy, ary ny isany dia enin-jato amby telo arivo amby dimy alina sy iray hetsy.
18 その七萬人をもて荷を負ふ者となし八萬人をもて山にて木や石を斫る者となし三千六百人をもて民を操作かしむる監督者となせり
Ary ny fito alina tamin’ ireo dia nataony mpitondra entana, ary ny valo alina nataony mpikapa hazo eny an-tendrombohitra, ary ny enin-jato amby telo arivo nataony mpifehy hampiasa ny olona.