< Ƙidaya 31 >

1 Ubangiji ya ce wa Musa,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 “Ka ɗaukar wa Isra’ilawa fansa, a kan Midiyawa. Bayan wannan za ka mutu, a kuwa tara ka ga mutanenka.”
Valio ny Midianita noho ny nataony tamin’ ny Zanak’ Isiraely; ary rehefa afaka izany, dia hangonina any amin’ ny razanao ianao.
3 Saboda haka Musa ya ce wa mutane, “Ku shirya waɗansu daga cikin mazanku, su tafi su yi yaƙi da Midiyawa don su ɗaukar wa Ubangiji fansa a kansu.”
Dia niteny tamin’ ny olona Mosesy ka nanao hoe: Miomàna ho any an-tafika ny sasany aminareo, ary aoka izy hanafika ny Midianita, hahatanteraka ny famalian’ i Jehovah azy.
4 Ku aiki maza dubu ɗaya daga kowace kabilar Isra’ila.
Arivo lahy avy isam-pirenena amin’ ny firenen’ Isiraely no hampandehaninareo ho any an-tafika.
5 Saboda haka aka samo mayaƙa dubu goma sha biyu shiryayyu don yaƙi, maza dubu ɗaya daga kowace kabilar Isra’ila.
Dia navahana tamin’ ny firenen’ Isiraely ny arivo isam-pirenena, dia roa arivo amby iray alina, samy voaomana hiady.
6 Musa ya aike su zuwa yaƙi, dubu ɗaya daga kowace kabila, tare da Finehas ɗan Eleyazar, firist, wanda ya ɗauki kayayyaki daga wuri mai tsarki da ƙahoni don kiran yaƙi.
Ary nampandehanin’ i Mosesy ho any an-tafika ireo arivo lahy isam-pirenena ireo sy Finehasa, zanak’ i Eleazara mpisorona, izay nitondra ny fanaka masìna teny an-tànany, dia ny trompetra avo feo.
7 Suka yi yaƙi da Midiyawa, suka kashe kowane mutum yadda Ubangiji ya umarci Musa.
Dia niady tamin’ ny Midianita ireo, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy; ary namono ny lehilahy rehetra izy
8 A cikin waɗanda aka kashe kuwa akwai Ewi, Rekem, Zur, Hur da Reba; sarakuna biyar na Mediyawa. Suka kuma kashe Bala’am ɗan Beyor da takobi.
ary ny mpanjakan’ i Midiana dimy lahy dia matiny niaraka tamin’ ireny koa, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba; ary Balama, zanak’ i Beora, koa dia novonoiny tamin’ ny sabatra.
9 Isra’ilawa suka kwashe mata da yaran Midiyawa, a matsayin bayi. Suka kwashe shanunsu da tumakinsu da kuma dukan dukiyarsu, a matsayin ganima.
Ary ny Zanak’ Isiraely namabo ny vehivavy Midianita sy ny zanany madinika; ary nobaboiny avokoa ny biby fiompiny rehetra sy ny omby aman’ ondriny rehetra ary ny fananany rehetra.
10 Suka ƙone dukan garuruwan da Midiyawa suke zama, da dukan sansaninsu.
Ary ny tanànany rehetra izay teo amin’ ny fonenany sy ny tobiny rehetra dia nodorany tamin’ ny afo.
11 Suka kwashe dukan ganima haɗe da mutane da dabbobi,
Ary nalainy avokoa ny babo rehetra, na olona na biby fiompy,
12 suka kawo bayi da ganiman nan, wurin Musa da Eleyazar firist, da kuma jama’ar Isra’ilawa, a sansaninsu a filayen Mowab kusa da Urdun daga ƙetaren Yeriko.
dia nentiny tany amin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny fiangonan’ ny Zanak’ Isiraely teo an-toby, teo Arbota-moaba, izay eo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.
13 Musa, da Eleyazar firist da dukan shugabannin jama’a, suka fito suka tarye su a bayan sansani.
Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan’ ny fiangonana rehetra nivoaka hitsena azy teo ivelan’ ny toby.
14 Musa kuwa ya husata da shugabannin sojojin da suke shugabannin dubbai da shugabannin ɗari-ɗarin da suka dawo daga yaƙi.
Ary tezitra tamin’ ny mpifehy ny miaramila Mosesy, dia tamin’ ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, izay avy tany an-tafika,
15 Ya tambaye su ya ce, “Kun bar dukan mata da rai?
ka hoy izy taminy: Nahoana no novelominareo ny vehivavy rehetra?
16 Su ne waɗanda suka bi shawarar Bala’am suka kuma zama sanadin sa Isra’ilawa suka juya wa Ubangiji baya, har ya kawo abin da ya faru da Feyor, har annoba ya kashe dukan mutanen Ubangiji.
Ireo ihany no nampahadiso ny Zanak’ Isiraely tamin’ i Jehovah ny amin’ i Peora, araka ny tenin’ i Balama, ka nahazo ny fiangonan’ i Jehovah ny areti-mandringana.
17 Yanzu ku kashe dukan yara maza, ku kuma kashe kowace macen da ta yi lalata da namiji,
Koa ankehitriny, vonoy ny zazalahy madinika rehetra, ary vonoy koa ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy.
18 amma ku bar kowace yarinyar da ba tă taɓa yin lalata da namiji ba.
Fa ny zazavavy rehetra izay tsy mbola nahalala lahy dia velomy ho anareo.
19 “Dukanku da kuka kashe mutum, ko kuka taɓa wani da aka kashe, dole ku kasance a bayan sansani har kwana bakwai. A rana ta uku da rana ta bakwai dole ku tsabtacce kanku da kuma bayinku.
Ary mitobia eo ivelan’ ny toby hafitoana; ary izay nahafaty olona na nikasika faty dia samia manadio ny tenany, na ianareo, na ny sambotrareo amin’ ny andro fahatelo sy ny andro fahafito.
20 Ku tsarkake kowace taguwa da kuma kome da aka yi da fata, da gashin akuya, ko kuwa itace.”
Ary ny fitafiana rehetra, na ny fanaka hoditra, na ny fanaka volon’ osy, na ny fanaka hazo, dia diovy avokoa.
21 Sa’an nan Eleyazar firist, ya ce wa sojojin da suka je yaƙi, “Wannan ita ce ƙa’idar da Ubangiji ya ba wa Musa.
Ary hoy Eleazara mpisorona tamin’ ny mpanafika, izay efa tany amin’ ny ady: Izao no lalàna hotandremana, izay nandidian’ i Jehovah’ an i Mosesy:
22 Zinariya, azurfa, tagulla, baƙin ƙarfe, kuza, darma
Ny volamena sy ny volafotsy sy ny varahina sy ny vy sy ny vifotsy ary ny firaka,
23 da dukan abin da wuta ba ta iya ci, dole yă shiga wuta sa’an nan zai zama da tsabta. Amma dole a kuma tsarkake ta da ruwan tsarkakewa. Duk abin da wuta za tă iya ci, dole a shigar da ita a ruwan tsarkakewa.
dia ny zavatra rehetra izay maharitra afo, dia ataovy ao amin’ ny afo, dia hadio, kanefa hodiovina amin’ ny rano fanadiovana koa izy; ary izay rehetra tsy maharitra afo kosa dia ataovy ao amin’ ny rano ihany.
24 A rana ta bakwai za ku wanke tufafinku, sa’an nan za ku tsarkaka, bayan haka ku shigo sansani.”
Ary sasao ny fitafianareo amin’ ny andro fahafito, dia hadio ianareo; ary rehefa afaka izany, dia mahazo miditra eo amin’ ny toby ianareo.
25 Ubangiji ya yi magana da Musa ya ce,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
26 “Da kai da Eleyazar firist, da shugabannin jama’a, ku ƙidaya dukan mutane da dabbobin da aka ci da yaƙi.
Alaonao sy Eleazara mpisorona sy ny lohan’ ny fianakaviana amin’ ny fiangonana ny isan’ ny babo izay azo, na olona, na biby fiompy;
27 Ku kasa ganimar kashi biyu, ku ba sojojin da suka tafi yaƙi kashi ɗaya, kashi ɗaya kuma ku ba wa jama’a.
ary sasaho ny babo ho an’ izay niady, dia izay efa tany an-tafika, sy ho an’ ny fiangonana rehetra;
28 Daga sojojin da suka je yaƙin kuwa, ka ware ganima wa Ubangiji, ka ɗauki ɗaya daga cikin mutum ɗari biyar, da shanu ɗari biyar, da jakuna ɗari biyar, da tumaki ɗari biyar.
kanefa makà anjara ho an’ i Jehovah avy amin’ ny mpanafika izay nivoaka ho any an-tafika, dia iray isan-diman-jato, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman’ osy;
29 Ka ɗauki wannan sashe daga rabin rabonsu ka ba wa Eleyazar firist, a matsayin sashe na Ubangiji.
ny antsasany izay azy no hanalanao izany ka homenao an’ i Eleazara mpisorona ho fanatitra alaina ho an’ i Jehovah.
30 Daga cikin rabin rabon Isra’ilawa, ka zaɓi ɗaya daga kowane hamsin na mutane, shanu, jakuna, tumaki, awaki ko kuma sauran dabbobi. Ka ba wa Lawiyawan da suke lura da tabanakul na Ubangiji.”
Ary ny antsasany an’ ny Zanak’ Isiraely kosa dia analao iray isan-dimam-polo, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman’ osy, dia ny biby fiompy rehetra, ka omeo ho an’ ny Levita, izay mitandrina ny anjara-raharaha momba ny tabernakelin’ i Jehovah.
31 Saboda haka Musa da Eleyazar suka aikata yadda Ubangiji ya umarci Musa.
Dia nataon’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
32 Yawan ganimar da sojoji suka kawo ita ce tumaki 675,000
Ary ny babo sisa afa-tsy izay azon’ ny mpanafika, dia ondry aman’ osy dimy arivo amby fito alina sy enina hetsy,
33 shanu 72,000
sy omby roa arivo amby fito alina,
34 da jakuna 61,000.
sy boriky arivo amby enina alina,
35 Akwai kuma mata 32,000 da ba su yi lalata ba da namiji ba.
ary olona, dia ny zazavavy izay tsy mbola nahalala lahy, roa arivo amby telo alina.
36 Kashin da aka ba sojoji waɗanda suka tafi yaƙi shi ne, tumaki 337,500,
Ary ny antsasany izay anjaran’ ny efa tany an-tafika dia izao: ny isan’ ny ondry aman’ osy dia diman-jato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy;
37 tumakin da aka ware wa Ubangiji kuwa 657 ne;
ary ny anjaran’ i Jehovah avy tamin’ ny ondry aman’ osy dia dimy amby fito-polo sy enin-jato.
38 shanu 36,000, shanun da aka ware wa Ubangiji kuwa 72 ne;
Ary ny omby dia enina arivo amby telo alina; ary ny anjaran’ i Jehovah avy tamin’ ireo dia roa amby fito-polo.
39 jakuna 30,500, jakunan da aka ware wa Ubangiji kuwa 61 ne;
Ary ny boriky dia diman-jato amby telo alina; ary ny anjaran’ i Jehovah avy tamin’ ireo dia iraika amby enim-polo.
40 mutane 16,000, mutanen da aka ware wa Ubangiji kuwa 32 ne.
Ary ny zazavavy dia enina arivo amby iray alina; ary ny anjaran’ i Jehovah avy tamin’ ireo dia roa amby telo-polo.
41 Musa ya ba wa Eleyazar abin da aka ware wa Ubangiji, kamar yadda Ubangiji ya umarci Musa.
Dia nomen’ i Mosesy an’ i Eleazara mpisorona ny anjara izay nalaina ho an’ i Jehovah, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
42 Kashin da aka ba wa Isra’ilawa, wanda Musa ya ware daga cikin na waɗanda suka tafi yaƙi,
Ary avy tamin’ ny antsasany an’ ny Zanak’ Isiraely, izay nozarain’ i Mosesy avy tamin’ ny mpanafika
43 kashin da aka ba wa jama’a kuwa tumaki 337,500 ne,
(fa ny antsasany an’ ny fiangonana dia ondry aman’ osy dimanjato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy,
44 shanu 36,000,
sy omby enina arivo amby telo alina,
45 jakuna 30,500
sy boriky diman-jato amby telo alina,
46 da mutane 16,000.
ary olona enina arivo amby iray alina),
47 Daga rabin kashi na Isra’ilawa, Musa ya ɗauki ɗaya daga cikin hamsin na mutane da na dabbobi, yadda Ubangiji ya umarce shi, ya ba wa Lawiyawan da suke lura da tabanakul na Ubangiji.
ny antsasany an’ ny Zanak’ Isiraely dia nanalan’ i Mosesy iray isan-dimam-polo, na olona, na biby fiompy, ka nomeny ho an’ ny Levita mpitandrina ny anjara-raharaha momha ny tabernakelin’ i Jehovah izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
48 Sai shugabannin da suka shugabancin rundunar yaƙin, shugabanni na dubu-dubu da shugabanni na ɗari-ɗari, suka zo wurin Musa
Ary ny mpifehy, izay nifehy ny miaramila, dia ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia nanatona an’ i Mosesy
49 suka ce masa, “Barorinka sun ƙidaya mayaƙan da suke ƙarƙashinmu, babu ko ɗayan ya ɓace.
ka nanao taminy hoe: Ny mpanomponao efa naka ny isan’ ny mpanafika izay nofehezinay, ka tsy misy diso isa aminay na dia lehilahy iray akory aza;
50 Saboda haka mun kawo wa Ubangiji hadaya na kayan zinariya da kowannenmu ya samu, mundaye, ƙawane,’yan kunne da duwatsun wuya, don yin wa kanmu kafara a gaban Ubangiji.”
koa nitondra fanatitra ho an’ i Jehovah izahay, dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia fehin-tanana sy haba sy peratra fanombohan-kase sy kavina ary voavola, hanaovana fanavotana ho an’ ny ainay eo anatrehan’ i Jehovah.
51 Musa da Eleyazar firist, suka karɓi zinariya da kayan adon duka daga gare su.
Dia noraisin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona taminy ny volamena, dia firavaka voatefy avokoa.
52 Dukan zinariya da shugabannin dubu-dubu da shugabannin ɗari-ɗari, waɗanda Musa da Eleyazar suka karɓa, suka kuma miƙa hadaya ga Ubangiji, nauyinta ta kai shekel 16,750.
Ary ny volamena rehetra tamin’ ny fanatitra nalain’ ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ho an’ i Jehovah, dia sekely dimam-polo amby fiton-jato sy enina arivo sy iray alina
53 Kowane soja, ya kwashi ganima wa kansa.
(fa ny mpanafika samy namabo ho an’ ny tenany).
54 Musa da Eleyazar firist, suka karɓi zinariya daga shugabannin dubu-dubu da shugabannin ɗari-ɗari, suka kawo cikin Tentin Sujada, don su zama abin tuni ga Isra’ilawa a gaban Ubangiji.
Dia noraisin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen’ ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka nentiny tao amin’ ny trano-lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely eo anatrehan’ i Jehovah.

< Ƙidaya 31 >