< Firistoci 1 >

1 Ubangiji ya kira Musa ya yi masa magana daga cikin Tentin Sujada ya ce,
Ary Jehovah niantso an’ i Mosesy ka niteny taminy tao amin’ ny trano-lay fihaonana hoe:
2 “Yi magana da Isra’ilawa ka ce musu, ‘Duk sa’ad da waninku ya kawo hadaya ga Ubangiji, ku kawo hadayarku ta dabba daga garkenku ta shanu ko kuwa daga tumakinku.
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy aminareo manatitra biby fiompy ho fanatitra ho an’ i Jehovah, dia omby na ondry na osy no haterinareo ho fanatitrareo.
3 “‘In hadaya ta ƙonawar daga shanu ne, sai yă miƙa namiji marar lahani. Dole yă kawo shi a ƙofar Tentin Sujada don yă zama yardajje ga Ubangiji.
Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahana eo anatrehan’ i Jehovah izy.
4 Zai ɗibiya hannunsa a kan hadaya ta ƙonawar, za a kuwa karɓa a madadinsa don a yi kafara dominsa.
Ary hametraka ny tànany eo amin’ ny lohan’ ny fanatitra dorana izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy.
5 Zai yanka ɗan bijimin a gaban Ubangiji, Haruna kuwa da’ya’yansa maza firist, za su kawo jinin su kuma yafa shi a kan bagaden a kowane gefe a mashigin Tentin Sujada.
Dia hamono ny zanak’ omby eo anatrehan’ i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, dia hanatitra ny rà ka hanopy azy manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara, izay eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana;
6 Zai feɗe hadaya ta ƙonawar, yă yayyanka shi gunduwa-gunduwa.
ary hohodirany ny fanatitra dorana, dia horasainy tsara.
7 ’Ya’yan Haruna maza waɗanda suke firistoci za su hura wuta a bagade, su kuma shirya itace a kan wutar.
Ary ireo zanak’ i Arona mpisorona dia hanisy afo eo ambonin’ ny alitara ka handahatra kitay eo amin’ ny afo.
8 Sa’an nan’ya’yan Haruna maza waɗanda suke firistoci za su shirya gunduwa-gunduwar haɗe da kan da kuma kitsen a kan itace mai cin wuta wanda yake a kan bagaden.
Ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, dia handahatra ny voarasa mbamin’ ny lohany sy ny saborany eo ambonin’ ny kitay eo amin’ ny afo izay eo ambonin’ ny alitara;
9 Zai wanke kayan cikin da kuma ƙafafun da ruwa, firist ɗin kuwa zai ƙone dukan waɗannan a kan bagade. Hadaya ce ta ƙonawa, hadaya ce kuma wadda aka yi da wuta, mai daɗin ƙanshi ga Ubangiji.
fa ny taovany, sy ny tongony kosa hosasany amin’ ny rano; dia hodoran’ ny mpisorona ho fofona izy rehetra eo ambonin’ ny alitara; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
10 “‘In hadaya ta ƙonawar daga garke ne, ko na tumaki, ko na awaki, zai miƙa namiji ne marar lahani.
Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema koa no hateriny.
11 Zai yanka shi a gefen arewa na bagaden a gaban Ubangiji,’ya’yan Haruna firistoci kuwa za su yayyafa jinin dabbar a bagaden a kowane gefe.
Dia hamono azy eo avaratry ny alitara eo anatrehan’ i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, dia hanopy ny rà manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara.
12 Zai yanka shi gunduwa-gunduwa, firist kuwa zai shirya su haɗe da kan, da kuma kitsen a kan itace mai cin wutar da yake a kan bagade.
Dia horasainy tsara izy mbamin’ ny lohany sy ny saborany; ary halahatry ny mpisorona eo ambonin’ ny kitay izy eo amin’ ny afo izay eo ambonin’ ny alitara;
13 Zai wanke kayan cikin da kuma ƙafafun da ruwa, firist ɗin kuwa zai ƙone dukan waɗannan a kan bagade. Hadaya ce ta ƙonawa, hadaya ce kuma wadda aka yi da wuta, mai daɗin ƙanshi ga Ubangiji.
fa ny taovany sy ny tongony kosa hosasany amin’ ny rano; dia ho entin’ ny mpisorona izy rehetra ka hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara; ho fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
14 “‘In hadaya ga Ubangiji ɗin, hadaya ta ƙonawa ta tsuntsaye ce, zai miƙa kurciya ko’yar tattabara.
Ary raha vorona no ateriny ho an’ i Jehovah ho fanatitra dorana, dia domohina na zana-boromailala no hateriny ho fanatiny.
15 Firist zai kawo ta bagade, yă murɗe wuyan tsuntsun yă ƙone shi a kan bagade; zai tsiyaye jininsa tsuntsun a gefen bagaden.
Ary haterin’ ny mpisorona ho eo amin’ ny alitara izany, ka hotapahiny amin’ ny hoho ny lohany, dia hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara, ary hofiazany eo amin’ ny rindrin’ ny alitara ny ràny;
16 Amma zai ɗauki kayan cikin tsuntsun da gashin yă zubar da su a gefen bagaden a wajen gabas a wurin zuba toka.
ary hesoriny ny takorobabony sy ny ao anatiny, ka hariany eo atsinanan’ ny alitara, dia eo amin’ ny fitoeran-davenona;
17 Zai tsaga shi biyu a tsaka, amma ba zai raba shi ba. Firist ɗin zai ɗibiya shi a bisa itacen da yake bisa bagaden, yă ƙone shi. Hadaya ce ta ƙonawa, hadaya ce kuma wadda aka yi da wuta, mai daɗin ƙanshi ga Ubangiji.
ary hosamahany amin’ ny elany no fameraka azy, fa tsy hohenteriny; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara, ambonin’ ny kitay izay eo amin’ ny afo; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.

< Firistoci 1 >