< Ephesians 6 >

1 Children, do what your parents tell you, for this is the right thing to do.
Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ ny Tompo, fa marina izany.
2 “Honor your father and mother.” This is the first commandment that has a promise attached:
Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana),
3 “that things may go well for you and you may live a long life on the earth.”
mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin’ ny tany.
4 Fathers, don't make your children mad, but look after them by disciplining them and instructing them about God.
Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ ny famaizana sy ny fananaran’ ny Tompo izy.
5 Servants, obey those who are your human masters, with proper respect and awe, doing things from sincere motives as if you were serving Christ.
Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin’ ny fahatsoran’ ny fonareo, toy ny fanekena an’ i Kristy ihany,
6 Don't just work well when you're being watched to gain approval, but work like servants of Christ, honestly doing God's will,
tsy amin’ ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin’ olona, fa tahaka ny mpanompon’ i Kristy manao izay sitrapon’ Andriamanitra amin’ ny fo,
7 happily serving as if you were doing it for the Lord, and not for people.
amin’ ny sitrapo manao fanompoana toy ny amin’ ny Tompo, fa tsy amin’ olona,
8 You know that whoever does what's good will be rewarded by the Lord, whether that person is a servant or someone who is free.
satria fantatrareo fa izay soa ataon’ ny olona rehetra no horaisiny amin’ ny Tompo, na andevo na tsy andevo izy.
9 Masters, you should treat your servants the same way. Don't threaten them, remember that the Lord in heaven is both their master and yours, and he treats people the same, without favoritism.
Ary ianareo tompo, manaova toy izany aminy kosa, ka atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa ny Tompony sady Tomponareo koa dia any an-danitra; ary tsy misy fizahan-tavan’ olona aminy.
10 Lastly, stay strong in the Lord, and in his mighty power.
Farany, mahereza ao amin’ ny Tompo sy amin’ ny herin’ ny faherezany.
11 Put on all the armor of God so you can withstand all the devil's attacks!
Tafio avokoa ny fiadian’ Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ ny fanangolen’ ny devoly.
12 We're not fighting against human forces, but against supernatural rulers and powers, the dark lords of this world, against the spiritual forces of evil in the heavens. (aiōn g165)
Fa isika tsy mitolona amin’ ny nofo aman-drà, fa amin’ ny fanapahana sy amin’ ny fanjakana sy amin’ ny mpanjakan’ izao fahamaizinana izao, dia amin’ ny fanahy ratsy eny amin’ ny rivotra. (aiōn g165)
13 Take all the weapons God provides so that you may be able to stand your ground in the day of evil and after doing all you can, to find yourself still standing!
Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian’ Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin’ ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo.
14 So stand up, wrap the belt of truth around your waist, tie on the breastplate of justice and the right,
Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,
15 and put on the shoes of readiness to share the good news of peace.
ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ ny filazantsaran’ ny fihavanana ny tongotrareo;
16 Above all, take up the shield of trusting God, by which you'll be able to put out all the devil's flaming arrows.
ary ho fanampin’ izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan’ ilay ratsy.
17 Wear the helmet of salvation, and carry the sword of the Spirit—the Spirit that's the word of God.
Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin’ Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy;
18 Always pray in the Spirit as you do all this. Stay awake and keep on praying for all God's people.
ary mivavaha mandrakariva ao amin’ ny Fanahy amin’ ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’ izany amin’ ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an’ ny olona masìna rehetra,
19 Pray for me too so that I'll be given the right words to say, and that I'll be able to explain confidently the hidden truths of the good news.
ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin’ ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara
20 I'm an imprisoned ambassador for the sake of the good news, so please pray that I will speak fearlessly, as I should.
(iraka migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin’ ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko.
21 Tychicus, our good friend and faithful minister, will give you all my news and explain everything so you'll know how I'm doing.
Fa mba ho fantatrareo koa izay toetro, dia Tykiko, rahalahy malala sady mpanompo mahatoky ao amin’ ny Tompo, no hampahalala anareo ny zavatra rehetra;
22 That's why I'm sending him to you—to tell you what's happened to us and to encourage you.
izy no nirahiko hilaza izany zavatra izany indrindra aminareo, mba ho fantatrareo ny toetray, ary mba hamporisihiny ny fonareo.
23 Peace to all the Christians there, from God the Father and the Lord Jesus Christ, with love and trust in him.
Fiadanana anie ho an’ ny rahalahy ary fitiavana mbamin’ ny finoana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
24 Grace to all those who eternally love our Lord Jesus.
Ny fahasoavana anie ho amin’ izay rehetra tia an’ i Jesosy Kristy Tompontsika amin’ ny fitiavana tsy mety levona. Amena.

< Ephesians 6 >