< 士師記 1 >
1 大與西默盎出征 若蘇厄死後,以色列子民詢問上主說:「我們中誰應首先上去供攻打客納罕人﹖」
Ary rehefa maty Josoa, dia nanontany tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin’ ny Kananita ho anay?
2 上主說﹕「猶大先上去。看,我已將那地交在他手中。」
Dia hoy Jehovah: Joda no hiakatra; indro, efa nanolotra ny tany ho eo an-tànany Aho.
3 猶大遂對自己的兄弟西默盎說﹕「請你同我到我拈龜所得的地方去,與客納罕人作戰,日後我也同你到你拈龜所得的地方去。」西默盎就同他去了。
Ary hoy Joda tamin’ i Simeona rahalahiny: Andeha hiara-miakatra amiko ianao ho any amin’ ny lovako, ka aoka isika hiady amin’ ny Kananita; ary izaho kosa dia handeha hiaraka aminao ho any amin’ ny lovanao. Ary Simeona dia nandeha niaraka taminy.
4 猶大上去,上主把客納罕人和培黎齊人交在他們手中,他們在貝則克擊殺了一萬人。
Dia niakatra Joda, ary natolotr’ i Jehovah teo an-tànany ny Kananita sy ny Perizita, ka nahafaty iray alin-dahy tany Bezeka izy.
5 他們在貝則克又遇上了阿多尼貝則克,與他交戰,擊敗了客納罕人和培黎齊人。
Ary nahita an’ i Adoni-bezeka tany Bezeka izy, dia niady taminy ka naharesy ny Kananita sy ny Perizita.
6 阿多尼貝則克逃走,他們在後面追趕,捉住他,割去了他手腳的姆指。
Nefa nandositra Adoni-bezeka; ary nanenjika azy izy ireto ka nisambotra azy, dia nanapaka ny ankihiben-tànany sy ny ankihiben-tongony.
7 阿多尼貝則克說:「七十位王子被割去了手腳的姆指,在我桌下拾取零碎食物;天主照我所行的報復了我。」他們將他帶到耶路撒冷,他就死在那裏。
Ary hoy Adoni-bezeka: Mpanjaka fito-polo voatapaka ny ankihiben-tànany sy ny ankihiben-tongony no nitsindroka hanina teo ambanin’ ny latabatro; ka mba tahaka ny nataoko ihany lahy ity no navalin’ Andriamanitra ahy! Ary nentin’ ireo ho any Jerosalema izy ka maty tany.
8 猶大子孫攻打了耶路撒冷,將城佔領,用利劍殺了城中的居民,放火燒了城。
Ary namely an’ i Jerosalema ny taranak’ i Joda, ka nahafaka azy, dia namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra ka nandoro ny tanàna.
9 此後,猶大子孫下去與住在山地、南方和平原的客納罕人作戰。
Ary rehefa afaka izany, dia nidina ny taranak’ i Joda hiady amin’ ny Kananita izay nonina tany amin’ ny tany havoana sy tany amin’ ny tany atsimo ary tany amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka.
10 猶大又去攻打住在赫貝龍的客納罕人,─郝貝龍以前名叫克黎雅特阿爾巴─擊敗了舍瑟、阿希曼和塔耳買。
Dia nandeha Joda hiady amin’ ny Kananita, izay nonina tany Hebrona (Kiriat-arba no anaran’ i Hebrona taloha), ka namono an’ i Sesay sy Ahimana ary Talmay.
11 他們從那裏又去攻打住在德彼爾的居民,─德彼爾以前名叫克黎雅特色費爾。
Dia niala tao izy ka nandeha hiady amin’ ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran’ i Debira taloha).
12 那時加肋布說:「誰能攻打克黎雅特色費爾,將城拿下,我就將我的女兒阿革撒嫁給他為妻。」
Ary hoy Kaleba: Izay mamely an’ i Kiriata-sefera ka mahafaka azy dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny.
13 加肋布的弟弟刻納次的兒子敖特尼耳奪取了那城,加肋布遂把自己的女兒阿革撒嫁給他為妻。
Ary Otniela, zanakalahin’ i Kenaza, zandrin’ i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny.
14 當她過門的時候,丈夫勸她向父親要一塊田地,她一下驢,加肋布便問她說:「你要什麼﹖」
Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin’ ny borikiny izy, ka hoy Kaleba taminy: Inona moa no ilainao?
15 她答說:「請你給我一件禮物,因為你既把我安置於南方旱地,求你也將水泉給我! 」加肋布遂把上泉和下泉給了她。
Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tany tsy misy rano no nomenao ahy ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomen’ i Kaleba azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
16 梅瑟的姻親刻尼的子孫從棕樹城上來,同猶大子孫一同往阿辣得南方的猶大曠野去,與那裏的百姓住在一起。
Ary ny taranak’ ilay Kenita, zaodahin’ i Mosesy dia niara-niakatra tamin’ ny taranak’ i Joda niala tao amin’ ny tanàna be rofia hankany an-efitr’ i Joda, atsimon’ i Arada nandeha ireo ka nonina teo amin’ ny Isiraely.
17 以後猶大和他兄弟西默盎又起程,擊敗了住在責法特的客納罕人,將城完全毀滅,故稱這城為曷爾瑪。
Ary Joda nandeha niaraka tamin’ i Simeona rahalahiny, dia namely ny Kananita, izay nonina tany Zefata, ka nataony ringana ireo, ary ny anaran’ ny tanàna nataony hoe Horma.
18 猶大卻未能奪取迦薩及其四境;阿布刻隆及其四境;厄刻龍及其四境。
Dia afak’ i Joda Gaza sy ny sisin-taniny an Askelona sy ny sisin-taniny ary Ekrona sy ny sisin-taniny.
19 上主與猶大同在,因此,他佔據了山地,但不能趕走平原的居民,因為他們有鐵甲車。
Ary Jehovah nomba an’ i Joda, ka dia azony ny tany havoana; nefa tsy naharoaka ny mponina teny amin’ ny tany lemaka izy, satria nanana kalesy vy ireny.
20 按照梅瑟吩咐的,他們把赫貝龍給了加肋布,因為他由那裏鏟除了阿納克的三支後裔。其餘各支派佔領基業
Ary Hebrona dia nomeny an’ i Kaleba, araka izay efa nolazain’ i Mosesy, ka noroahin’ i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita.
21 本雅明子孫沒有逐出住在耶路撒冷的耶步斯人,因此耶步斯人與本雅明子孫,直到今日同住在耶路撒冷。
Ary ny taranak’ i Benjamina tsy nandroaka ny Jebosita, izay mponina any Jerosalema; fa ny Jebosita dia miara-monina amin’ ny taranak’ i Benjamina any Jerosalema ihany mandraka androany.
Ary ny taranak’ i Josefa dia niakatra koa hamely an’ i Betela; ary Jehovah nomba azy.
23 當若瑟家族差人去偵探貝特耳時,─這城昔名叫路次,─
Dia naniraka hisafo an’ i Betela ny taranak’ i Josefa (Lozy no anaran’ ny tanàna taloha);
24 偵探看見一個人從城裏出來,就向他說:「請指給我們進城的路,我們必要恩待你。」
ary nahita lehilahy anankiray nivoaka avy tao an-tanàna ny mpisafo ka nanao taminy hoe: Mba atoroy kely anay ny fidirana mankao an-tanàna, dia hamindra fo aminao izahay.
25 那人就指給了他們進城的路;他們用刀屠殺了全城的百姓,但把那人和他全家放走了。
Dia natoron-dralehilahy azy ny fidirana mankao an-tanàna, ka dia nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra ny tanàna; fa ralehilahy sy ny mpianakaviny rehetra dia navelany handeha.
26 那人到了赫特人的地方,建了一座城,起名叫路次,直到今日仍叫此名。
Ary nandeha ho any amin’ ny tanin’ ny Hetita ralehilahy, ka nanorina tanàna izy, ary ny anarany dia nataony hoe Lozy, ary mbola izany ihany no anarany mandraka androany.
27 默納協沒有趕走貝特商及其屬境的居民,塔納客及其屬境的居民,多爾及其屬境的居民,依貝肋罕及其屬境的居民,默基多及其屬境的居民,客納罕人依舊住在這些地方。
Ary Manase tsy nahafaka an’ i Beti-sana sy ny zana-bohiny, na Tanaka sy ny zana-bohiny, sady tsy naharoaka ny mponina tany Dora sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Ibleama sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Megido sy ny zana-bohiny, satria tian’ ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany.
28 等到以色列強盛了,只能使客納罕人服役,終未能把他們全部逐出。
Fa rehefa nihahery kosa ny Isiraely, dia nampanaoviny fanompoana ny Kananita, fa tsy nandroaka azy rehetra izy.
29 厄弗辣因也沒有逐出住在革則爾的客納罕人,所以客納罕人仍在革則爾住在他們中間。
Ary Efraima tsy nandroaka ny Kananita, izay nonina tany Gazera; fa nonina teo aminy tany Gazera ny Kananita.
30 則步隆也沒有逐出克特龍的居民及納哈羅耳的居民,客納罕人仍住在他們中間,但應為他們服役。
Zebolona tsy nandroaka ny mponina tany Kitrona, na ny mponina tany Nahalola; fa nonina teo aminy ny Kananita ka nampanaovina fanompoana.
31 阿協爾也沒有把阿苛、漆冬、阿赫拉布、阿革齊布、赫耳巴、阿費克和勒曷布的居民逐出,
Asera tsy nandroaka ny mponina tany Ako, na ny mponina tany Sidona, na ny tany Alaba, na ny tany Akziba, na ny tany Helba, na ny tany Afika, na ny tany Rehoba;
32 所以阿協爾人住在當地的居民客納罕人中間,因為他們沒有把他們逐出去。
fa nonina teo amin’ ny Kananita tompon-tany ny taranak’ i Asera, fa tsy nandroaka azy.
33 納裴塔里也沒有把貝特舍默士的居民和貝特阿納特的居民逐出,於是他們就住在當地的居民客納罕人中間;但是貝特舍默士和貝特阿納特的居民應為他們服役。
Naftaly tsy nandroaka ny mponina tany Beti-semesy, na ny mponina tany Bet-anata; fa nonina teo amin’ ny Kananita tompon-tany izy, kanefa nampanaoviny fanompoana ny mponina tany Beti-semesy sy Bet-anata.
34 阿摩黎人強迫丹的子孫住在山上,不讓他們下到平原。
Ary ny Amorita nanesika ny taranak’ i Dana ho any amin’ ny tany havoana, fa tsy namela azy hidina ho any amin’ ny tany lemaka,
35 阿摩黎人依舊住在哈爾赫勒斯、阿雅隆和沙耳賓;但在若瑟家族勢力強大之後,他們就成了服役的人。
fa tian’ ny Amorita hitoerana indrindra ny tendrombohitra Heresa sy ny tany Aialona sy Salbima; nefa nahery ny tanan’ ny taranak’ i Josefa, ka dia nampanaovina fanompoana ireo.
36 厄東人的境界,是從阿刻辣賓山坡直到色拉以上地帶。
Ary ny fari-tanin’ ny Amorita dia hatramin’ ny fiakarana Akrabima ka hatramin’ ilay harambato no ho mankany.