< 約書亞記 24 >
1 若蘇厄又聚集以色列眾支派來到舍根,也召集了以色列長老、首領,和官長,叫他們立在官長面前,
Ary Josoa nanangona ny firenen’ ny Isiraely rehetra tany Sekema ka niantso ny loholon’ ny Isiraely sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka dia niara-niseho teo anatrehan’ Andriamanitra izy ireo.
2 若蘇厄對全民眾說:「上主以色列的天主這樣說:從前你們的祖先亞巴郎和納曷爾的父親特辣黑,住在大河那邊,事奉別的神明。
Ary hoy Josoa tamin’ ny vahoaka rehetra: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tany an-dafin’ ny Ony no nonenan’ ny razanareo tany aloha, dia Tera, rain’ i Abrahama sy Nahora; ary nanompo andriamani-kafa izy.
3 我將你們的祖先亞巴郎從大河那邊召來,領他們走遍客納罕全地,使他的後裔繁多,賜給了他依撒格。
Dia naka an’ i Abrahama razanareo avy tany an-dafin’ ny Ony Aho ka nitondra azy nitety ny tany Kanana rehetra, dia nahamaro ny taranany ka nanome an’ Isaka ho zanany.
4 我又將雅各伯和厄撒烏賜給了依撒格;將色依爾山區賜給了厄撒烏作產業;雅各伯卻和他的兒子下到了埃及。
Ary Isaka koa dia nomeko an’ i Jakoba sy Esao ho zanany; ary nomeko ho lovan’ i Esao ny tendrombohitra Seïra; fa Jakoba sy ny taranany kosa nankany Egypta.
5 以後,我派遺了梅瑟和亞郎,在埃及行奇跡,打擊了埃及,然後將你們領了出來。
Dia naniraka an’ i Mosesy sy Arona Aho ka namely an’ i Egypta, araka izay nataoko teo aminy; ary rehefa afaka izany, dia nitondra anareo nivoaka Aho.
6 當我領你們的祖先離開埃及來到海邊時,埃及人率領車輛兵馬,追趕你們的祖先直到紅海。
Ary nony nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta Aho, dia tonga teo amin’ ny ranomasina ianareo; ary nanenjika ny razanareo hatreo amin’ ny Ranomasina Mena ny Egyptiana, nitaingina kalesy sy soavaly.
7 當他們呼求上主時,上主便在你們和埃及人之間突降濃霧,仗海水流回淹沒了他們。我在埃及所行的,你們都親眼見過。以後你們在曠野住了很久。
Dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy, ka nasiany maizina teo anelanelanareo sy ny Egyptiana, sady nakatony taminy ny ranomasina ka naony azy, ary ny masonareo nahita izay nataoko tany Egypta; ary nitoetra ela tany efitra ianareo.
8 當我領你們到了住在約旦河東阿摩黎人的地域時,你們曾攻擊過你們,但我將你們交在你們手中,使你們佔領他們的地方,由你們面前消滅了他們。
Ary nentiko ho any amin’ ny tanin’ ny Amorita, izay nonina tany an-dafin’ i Jordana ianareo; dia niady taminareo ireo; ary nanolotra azy teo an-tananareo Aho, mba handovanareo ny taniny, ary nandringana azy teo anoloanareo Aho.
9 那時摩阿布王,漆頗爾的兒子巴拉克起來攻擊以色列,並派人叫貝敖爾的兒子巴郎來詛咒你們。
Dia nitsangana Balaka, zanak’ i Zipora, mpanjakan’ i Moaba, ka niady tamin’ ny Isiraely; dia naniraka ka nampaka an’ i Balama, zanak’ i Beora, izy hanozona anareo.
10 但是我不想俯聽巴郎,他反而祝福了你們。這樣,我從他手中救了你們。
Fa tsy nety nihaino an’ i Balama Aho, koa nitahy anareo tokoa izy; ka dia namonjy anareo tamin’ ny tànany Aho.
11 以後你們渡過約旦河來到耶利哥,耶利哥的居民同你們作,以後有阿摩黎人、培黎齊人、客納罕人。赫特人、基爾加士人、希威人和耶步斯人,都同你們作過戰,但我將他們都交在你們手中。
Ary nita an’ i Jordana ianareo ka nankany Jeriko; dia niady taminareo ny mponina tao Jeriko mbamin’ ny Amorita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ka natolotro teo an-tananareo ireny.
12 我並派黃蜂在你們前,將阿摩黎人的兩個王子,從你們面前趕走,並未用你們的劍,也未用你們的弓。
Dia nampandehaniko teo anoloanareo ny fanenitra, Izay nandroaka azy teo anoloanareo, dia ny mpanjaka roa tamin’ ny Amorita, fa tsy tamin’ ny sabatrao, na tamin’ ny tsipìkanao.
13 這樣,我把未經你們開墾的地,賜給了你們;把未經你們建築的城,賜給了你們居住;將未經你們種植的葡萄園和橄欖樹林,賜給了你們作食物。
Ary nomeko tany izay tsy nasainareo ianareo sy tanàna izay tsy naorinareo ianareo ka dia nonina tao ianareo; ary nihinana ny avy amin’ ny tanim-boaloboka sy ny tanin’ oliva izay tsy nataonareo ianareo.
14 所以你們應該敬畏上主,誠心敬地事奉衪,拋棄你們祖先在大河那邊和埃及所事奉的神,惟獨事奉上主。
Koa ankehitriny, matahora an’ i Jehovah, ka manompoa Azy amin’ ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin’ ny razanareo tany an-dafin’ ny Ony sy tany Egypta, ka manompoa an’ i Jehovah.
15 若是你們不樂意事奉上主,那麼今天就揀選你們所願事奉的,或是你們祖先在大河那邊所事奉的神,或是你們現住地的阿摩黎人的神;至於我和我的家族,我們一定要事奉上主。」
Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an’ i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ ny razanareo tany an-dafin’ ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin’ ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’ i Jehovah izahay.
16 眾百姓回答說:「我們絕對不願背棄上主,去事奉其他的神!
Dia namaly ny vahoaka ka nanao hoe: Sanatria raha hahafoy an’ i Jehovah izahay ka hanompo izay andriamani-kafa.
17 因為上主是我們的天主,是衪領我們和我們的祖先出離了埃及地,為奴之家,在我們眼前行了絕大的神蹟,在我們所走的一切路上,在我們所經過的一切民族中,紿終保護了我們。
Fa Jehovah Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tany amin’ ny trano nahandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin’ ny lalana rehetra nalehantsika sy teny amin’ ny firenena rehetra izay notetezintsika.
18 上主更從我們面前,趕走了所有的異族,和住在這地的阿摩黎人。為此我們必要事奉上主,因為衪是我們的天主。」
Ary Jehovah nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, dia ny Amorita izay nonina teto amin’ ny tany; koa izahay koa dia mba hanompo an’ i Jehovah, fa Izy no Andriamanitsika.
19 若蘇厄對百姓說:「你們不能事奉上主,因為衪是神聖不可侵犯的天主,是忌邪的天主,衪決不寬赦你們的過犯和罪惡,
Ary hoy Josoa tamin’ ny vahoaka: Tsy mahay manompo an’ i Jehovah ianareo; fa Andriamanitra masìna Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo.
20 如果你們背棄上主,去事奉外邦的神,在衪恩待你們之後,衪必轉而向你們降禍,消滅你們。
Raha mahafoy an’ i Jehovah ianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hiverina Izy ka hampahory anareo sy hahafongana anareo, rehefa nasiany soa.
21 百姓答覆若蘇厄說:「決不! 我們一定要事奉上主! 」
Dia hoy ny vahoaka tamin’ i Josoa: Tsia; fa Jehovah ihany no hotompoinay.
22 若蘇厄對百姓說:「這是你們自己對自己作證,要選擇事奉上主! 」他們答說:「我們自己作證。」
Dia hoy Josoa tamin’ ny vahoaka: Vavolombelona ho an’ ny tenanareo ianareo fa efa nifidy an’ i Jehovah hotompoinareo. Ary hoy ny olona: Eny vavolombelona izahay.
23 「那麼,你們應除掉你們中間的外邦神,一心歸向上主,以色列的天主。」
Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo, ka ampanatony an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ny fonareo.
24 百姓答覆若蘇厄說:「我們決定事奉上主,我們的天主,必聽從衪的聲音。」
Dia hoy ny vahoaka tamin’ i Josoa: Jehovah Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinay
25 當天若蘇厄便與百姓立約,在舍根為他們立定了誡命和典章。
Ary dia nanao fanekena tamin’ ny vahoaka Josoa tamin’ izany andro izany ka nanome azy lalàna sy didy tany Sekema.
26 若蘇厄將這些話都寫在天主的法律書上;又取了一塊一石,立在上主聖所旁邊的篤耨樹下。
Dia nosoratan’ i Josoa tao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ Andriamanitra ireo teny ireo, ary naka vato lehibe izy ka nanangana azy teo ambanin’ ny hazo terebinta, izay teo anilan’ ny fitoera-masin’ i Jehovah.
27 g寸全民眾說:「看! 這塊石頭將作我們的見證,因為這塊石頭聽見了上主對我們所說的一切話。這塊石頭也將作你們的見證,以免你們背棄你們的天主。」
Dia hoy Josoa tamin’ ny vahoaka rehetra; Indro, io vato io ho vavolombelona amintsika; fa efa nahare ny teny rehetra nolazain’ i Jehovah tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin’ Andriamanitrareo ianareo.
Dia nampodin’ i Josoa ny vahoaka samy ho any amin’ ny lovany avy.
29 這事以後,上主的僕人,農的兒子若蘇厄便去了世,享年一百一十歲。
Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia maty Josoa, zanak’ i Nona, mpanompon’ i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny.
30 人將埋葬在阿士山北,厄弗辣因山區的提默納特色辣黑自己的產業內。
Dia nalevina tao amin’ ny faritanin’ ny lovany izy, dia tao Timnata-sera, any amin’ ny tany havoan’ i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa.
31 若蘇厄在世時以及在他死後,那些知道上主為以色列所行的一切事蹟的長老們在世時,以色列人常事奉了上主。
Ary nanompo an’ i Jehovah ny Isiraely tamin’ ny andro rehetra niainan’ i Josoa sy tamin’ ny andro rehetra niainan’ ny loholona izay velona taorian’ i Josoa ka nahalala ny asa rehetra izay nataon’ i Jehovah ho an’ ny Isiraely
32 以色列子民也將從埃及抬回來的若瑟遺骸,埋葬在舍根的田裏。那塊地是雅各伯用一百銀錢,由舍根的父親,哈摩爾的子孫手中買來的;這塊地便成了若瑟子孫的產業。
Ary ny taolan’ i Josefa, izay efa nentin’ ny Zanak’ Isiraely avy tany Egypta, dia naleviny tao Sekema, tao amin’ ny tany izay novidin’ i Jakoba volafotsy zato tamin’ ny zanak’ i Hamora, rain’ i Sekema; dia tonga lovan’ ny taranak’ i Josefa izany.
33 亞郎的兒子厄肋阿匝爾也死了。人將他埋葬在基貝亞,即他的兒子丕乃哈斯在厄弗辣因山地分得的城內。
Dia maty koa Eleazara, zanak’ i Arona, ka naleviny teo amin’ ny havoan’ i Finehasa zanany, izay nomena azy tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima.