< 列王紀上 9 >
1 [上主再次顯現]撒羅滿建造完了上主的殿、王宮和他所喜歡建造的一切建築物以後,
Ary rehefa vitan’ i Solomona ny nanaovany ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ ny mpanjaka araka izay rehetra efa niriny hatao,
2 上主第二次顯現給撒羅滿,像在基貝紅顯現給他一樣。
dia niseho tamin’ i Solomona indray Jehovah tahaka ilay nisehoany taminy tao Gibeona.
3 上主對他說:「我已應允了你在我面前所行的祈禱和哀求,我也祝聖了你所建築的這殿,將我的名永遠安放在那裏,我的眼和我的心,也將時常留在那裏。
Ary hoy Jehovah taminy: Efa reko ny vavakao sy ny fifonanao izay nataonao teo anatrehako; koa efa nohamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay: ary ho amin’ ity mandrakariva ny masoko sy ny foko.
4 至於你,如果你在我面前行走,像你父親達味那樣行走,心地純樸,公正無私,遵守我所吩咐你的一切,恪守我的法律和點章,
Ary raha ianao handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan’ i Davida rainao tamin’ ny fahitsian’ ny fo sy ny fahamarinana ka hanao araka izay rehetra nandidiako anao ary hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,
5 我必永遠鞏固你在以色列中的王位,照我應許你父親達味所說:你的子孫中,決不缺人坐上以色列的寶座。
dia hampitoeriko mandrakizay amin’ ny Isiraely ny seza fiandrianan’ ny fanjakanao, araka ilay nolazaiko tamin’ i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely ianao.
6 但是,如果你們或你們的子孫遠離我,不遵守我給你們頒賜的誡命和律例,而去服侍敬拜別的神,
Fa raha miala amin’ ny fanarahana Ahy kosa ianareo na ny zanakareo ka tsy mitandrina ny lalàko sy ny didiko, izay nataoko teo anoloanareo, fa mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehany,
7 我必要將以色列從我賜給他們的地面上除掉,而我為我的名所祝聖的這殿,我也必要棄之不顧,使以色列成為萬民中的話柄和笑談,
dia hofongorako tsy ho amin’ ny tany izay nomeko azy ny Isiraely; ary ity trano izay nohamasiniko ho an’ ny anarako ity dia hofongorako tsy ho eo imasoko; ary ny Isiraely ho tonga ohabolana sy ambentinteny any amin’ ny firenena rehetra;
8 這殿要成為廢墟,凡從這裏經過的人,都要驚愕嗟歎說:上主為什麼這樣對待了這地和這殿﹖
ary na dia avo aza ity trano ity, dia mbola hitalanjonan’ izay rehetra mandalo izy sady hisitrisirany ka hanaovany hoe: Naninona re no dia nataon’ i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity?
9 人必回答說:是因為他們離棄了領他們祖先出離埃及的上主,他們的天主,而歸依、崇拜、服侍了別的神,為此,上主使這一切災禍臨到他們的身上。」撒羅滿與希蘭的交易
Ary hisy hamaly hoe: Satria ny olona nahafoy an’ i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra ny razany nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, ary nikikitra tamin’ andriamani-kafa sy niankohoka teo anatrehany ka nanompo azy, dia izany no nampidiran’ i Jehovah izao loza rehetra izao taminy.
10 撒羅滿費時二十年,纔完成了那兩大殿宇:即上主的殿宇和君王的宮殿。
Ary nony afaka ny roa-polo taona nanaovan’ i Solomona ny trano roa, dia ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ ny mpanjaka
11 其間提洛王希蘭曾依照撒羅滿的要求,供給了他香柏木、柏木和黃金。此時撒羅滿王便將加里肋亞境內二十座城,送給了希蘭。
(Hirama, mpanjakan’ i Tyro, nanome an’ i Solomona hazo sedera sy hazo kypreso ary volamena, araka izay rehetra niriny), dia nomen’ i Solomona tanàna roa-polo tany amin’ ny tany Galilia kosa Hirama.
12 希蘭從提洛前來,觀看撒羅滿送給他的城,一見就不滿意,
Ary Hirama niala tany Tyro hizaha ny tanàna izay nomen’ i Solomona azy, ka tsy tiany ireny.
13 說「吾兄,你送給我的這些城,是什麼城﹖」因此直到今日,這些城仍稱為加步耳地。
Dia hoy izy: Hatao inona ireo tanàna nomenao ahy ireo, ry rahalahiko? Ary ireny dia natao hoe tany Kobola mandraka androany.
14 希蘭原送給了撒羅滿王一百二十「塔冷通」黃金。建城造船
Ary Hirama nampanatitra talenta volamena roa-polo amby zato ho an’ ny mpanjaka.
15 此段記載撒羅滿徵夫服役,建造上主的殿、王宮、米羅、耶路撒冷的城牆、哈祚爾、默基多、革則爾、【
Ary izao no toetry ny fanompoana nampanaovin’ i Solomona mpanjaka ny olona, tamin’ ny nanaovany ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ andriana ary Milo sy ny màndan’ i Jerosalema, sy Hazora sy Megido ary Gazera
16 以前,埃及王法郎曾上來,攻取了革則爾,放火燒城,屠殺了城裏的客納罕人,將這城賜給了自己的女兒,撒羅滿的妻子,作為妝奩。
(fa Farao, mpanjakan’ i Egypta, efa niakatra, dia nahafaka an’ i Gazera ka nandoro azy tamin’ ny afo; ary ny Kananita izay nitoetra tao an-tanàna dia novonoiny, ary ny tanàna dia nomeny ho haren-jazavavy ho an’ ny zananivavy, vadin’ i Solomona),
ary, Solomona nanamboatra an’ i Gazera sy Beti-horona ambany
sy Baleta sy Tadmora any an-efitra, amin’ ny tany Samata,
19 撒羅滿所有的貯貨城、屯車城和養馬城,以及撒羅滿在耶路撒冷,在黎巴嫩,在他管轄的各地內,喜歡建造的一切建築物。
ary ny tanàna fitehirizana rehetra izay nananan’ i Solomona sy ny tanàna fitoeran’ ny kalesy sy ny tanàna fitoeran’ ny mpitaingin-tsoavaly sy izay tian’ i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin’ ny tany nanjakany rehetra.
20 至於不屬於以色列子民的阿摩黎人、赫特人、培黎齊人、希威人和耶步斯人的遺族,
Ary ny olona sisa rehetra tamin’ ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan’ ny Zanak’ Isiraely,
21 就是以色列人子民未能消滅而留在地方上的外族子孫,撒羅滿都徵來充作苦役,直到今天。
dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin’ ny tany, izay tsy azon’ ny Isiraely naringana avokoa, no nampanaovin’ i Solomona fanompoana mandraka androany.
22 至於以色列子民,他不令他們作苦役,只叫他們服兵役,作朝臣、將帥、軍官、戰車長和騎兵長。
Fa ny Zanak’ Isiraely dia tsy mba nampanaovin’ i Solomona izany; fa izy kosa no miaramila sy mpanompony sy komandy sy mpanafika malaza sy komandin’ ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.
23 管理撒羅滿工程的主任官員,計有五百五十人,他們負責監督作工的人。
Izao no isan’ ny mpifehy ny olona voatendry izay nitandrina ny asan’ i Solomona: dimam-polo amby dimam-jato lahy no mpifehy ny mpiasa.
24 法郎的女兒從達味城,搬進撒羅滿為她建造的宮室之後,撒羅滿纔開始建造米羅。
Ary rehefa niakatra avy any an-Tanànan’ i Davida ny zanakavavin’ i Farao hankany amin’ ny tranony izay nataon’ i Solomona ho azy, dia nanao an’ i Milo koa izy.
25 撒羅滿每年三次在他建的祭壇上,向上主奉獻全燔祭與和平祭,在上主面前的香壇上焚香;又常修理聖殿。
Ary intelo isan-taona no nanateran’ i Solomona fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo ambonin’ ny alitara izay naoriny ho an’ i Jehovah, sady nandoro ditin-kazo manitra teo ambonin’ ny alitara teo anatrehan’ i Jehovah izy. Ka toy izany no nahavitany ny trano.
26 此後,撒羅滿王又在厄東城,紅海之濱,靠近厄拉特的厄茲雍革貝爾建造船隻。
Ary Solomona mpanjaka nanao sambo tao Ezion-gebera, izay ao anilan’ i Elota, ao amoron’ ny Ranomasina Mena, amin’ ny tany Edoma.
27 希蘭派遣自己的臣僕,善於航海的船員,與撒羅滿的僕人同船航行,
Ary Hirama nampandeha ny vahoakany tamin’ ny sambo, dia matilô izay nahay ranomasina, hiaraka amin’ ny vahoakan’ i Solomona.
28 去了敖非爾,從那裏裝載了四百二十「塔冷通」黃金,運到撒羅滿王那裏。
Ary nankany Ofira ireo, dia naka talenta volamena roa-polo amby efa-jato, ka nentiny tany amin’ i Solomona mpanjaka izany.