< 撒母耳記下 1 >
1 撒烏耳死後,達味擊殺阿瑪肋克人回來,在漆刻拉格住了兩天。
Ary nony maty Saoly, ary niverina avy namono ny Amalekita Davida, dia nitoetra indroa andro tao Ziklaga izy.
2 第三天,有個人從撒烏耳營中跑來,衣服撕爛,滿頭灰塵,來到達味前,伏地叩拜。
Ary tamin’ ny andro fahatelo, indro, nisy lehilahy iray tonga avy tany amin’ ny miaramilan’ i Saoly, triatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; ary rehefa tonga teo amin’ i Davida izy, dia niankohoka tamin’ ny tany ka nitsaoka.
3 達味問他說:「你從那裏來﹖」他答說:「我從以色列營中逃命而來。」
Ary hoy Davida taminy: Avy taiza moa ianao? Dia hoy izy taminy: Afaka nandositra avy tany amin’ ny tobin’ ny Isiraely aho.
4 達味又問他說:「戰事怎樣﹖請告訴我! 」他答說:「軍民從戰場上逃跑了,許多人陣亡,撒烏耳和他的兒子約納堂也死了。」
Ary hoy Davida taminy: Nanao ahoana izay tany? Masìna ianao, ambarao amiko. Dia hoy izy: Ny olona nandositra tamin’ ny ady, ary be koa ny miampatrampatra sy maty, ary maty koa Saoly sy Jonatana zanany.
5 達味問那報信的少年人說:「你怎麼知道撒烏耳和他兒子約納堂死了呢﹖」
Ary hoy Davida tamin’ ilay zatovo niteny taminy: Ahoana no nahafantaranao fa maty Saoly sy Jonatana zanany.
6 那報信的少年人答說:「我無意中來到基耳波亞山上,看見撒烏耳伏在自己的槍上,戰車和騎兵都快要迫近他。
Dia nanambara taminy ilay zatovo nanao hoe: Sendra tao an-tendrombohitra Gilboa aho, ary, indro, Saoly nitehina tamin’ ny lefony; ary, indreo, ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly nanenjika azy mafy.
Dia niherika izy ka nahita ahy; ary niantso ahy izy, ka hoy izaho: Inty aho.
Ary hoy izy tamiko: Iza moa ianao? Dia hoy izaho taminy: Amalekita aho.
9 他向我說:「來我身邊,殺了我罷! 我現在雖還完全活著,但十分暈眩。
Ary hoy indray izy tamiko: Masìna ianao, hatony kely aho, ka vonoy, fa marary mivonkina ozatra aho, fa mbola ato anatiko ihany ny aiko.
10 我就來到他身邊,明知他倒下後,決不能生存,便殺了他;取下他頭上的王冠,腕上的手鐲,帶到這裏來奉獻給我主。」
Dia nanatona azy aho ka namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona izy, rehefa resy, ka dia nalaiko ny satro-boninahiny teo an-dohany sy ny fehin-tanana teo amin’ ny sandriny, ka nentiko etỳ amin’ ny tompoko izany.
11 達味就抓住自己的衣服撕破了;同他在一起的人也照樣作了。
Dia noraisin’ i Davida ny fitafiany ka notriariny: ary dia mba nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy.
12 大家為撒烏耳和他的兒子約納堂,以及上主的百姓和以色列的家族,舉哀痛哭,禁食直到晚上,哀悼他們喪身刀下。
Ary nisaona sy nitomany sy nifady hanina ambara-paharivan’ ny andro izy noho ny amin’ i Saoly sy Jonatana zanany sy ny olon’ i Jehovah ary ny taranak’ Isiraely, satria lavon-tsabatra ireny.
13 達味又問那報信的少年說:「你是那裏的﹖」他答說:「我是阿瑪肋克僑民的兒子。」
Ary hoy Davida tamin’ ilay zatovo nanambara taminy: Avy aiza ianao? Ary hoy izy: Zanaky ny vahiny Amalekita aho.
14 達味向他說:「怎麼你不怕伸手殺害上主的受傅者﹖」
Dia hoy Davida taminy: Nahoana ianao no tsy natahotra haninjitra ny tananao hamono ny voahosotr’ i Jehovah?
15 達味遂叫一個少年人來,向他說:「前來,殺了他! 」少年把他一刀砍死了。
Dia niantso zatovo anankiray Davida ka nanao hoe: Hatony io, ka vonoy; dia nasiany izy ka maty.
16 同時達味對他說:「你的血應歸在你頭上,因為你親口作供說:我殺死了上主的受傅者。」
ary hoy Davida taminy: Aoka ny rànao ho eo amin’ ny lohanao, satria ny vavanao ihany no efa niampanga anao nanao hoe: Izaho no namono ny voahosotr’ i Jehovah.
17 事後,達味作了這首哀歌,追悼撒烏耳和他的兒子約納堂,
Ary Davida nisaona an’ i Saoly sy Jonatana zanany tamin’ izao hira fisaonana izao
18 命令猶大子弟學習這首哀歌,這歌載在「壯士書」上:「
(ary nasainy nampianarina ny taranak’ i Joda ny hira atao hoe Tsipika; indro, voasoratra ao amin’ ny Bokin’ i Jasara izany):
19 以色列的榮華,倒在你的高岡上;葷英雄怎會陣亡﹖
Ilay voninahitrao, ry Isiraely, no voalefona teo amin’ ny havoananao; Endrey! Lavo ny mahery!
20 不要在加特報告,不要在阿市刻隆街市宣揚,免得培肋舍特的女子歡樂,免得未受割損者的女郎維雀躍!
Aza ambaranareo any Gata izany, Aza torinareo ho fifaliana any an-dalamben’ i Askelona. Fandrao mifaly ny zanakavavin’ ny Filistina. Fandrao miravoravo ny zanakavavin’ ny tsy mifora.
21 基耳波亞山,不祥的山野! 在你那裏露不再降,雨不再下! 因為英雄的盾牌,受了褻瀆,撒烏耳的盾牌,那傅油者的武器。
Hianareo tendrombohitra Gilboa, Aza misy ando aman’ orana intsony eny aminareo, na saha angalana fanatitra asandratra, satria tany no nandotoana ny ampingan’ ny mahery, Dia ny ampingan’ i Saoly, ka tsy nohosorana diloilo.
22 對傷者的血,英雄的脂油,約納堂的弓總不後轉,撒烏耳的劍決不空還。
Ny tsipìkan’ i Jonatana tsy nihemotra. Raha tsy nahazo ny ran’ ny maty sy ny tavin’ ny mahery; ary ny sabatr’ i Saoly tsy mba niverina foana.
23 撒烏耳與約納堂,相親相愛,生相聚,死不離,神速過鷹,勇猛勝獅。
Saoly sy Jonatana, izay tiana sady mahate-ho-tia fony fahavelony, dia tsy nosarahina na dia tamin’ ny nahafatesany aza; Faingana noho ny voromahery izy ary mahery noho ny liona.
24 以色列女郎! 應痛悼撒烏耳,他給你們披上了愉快的紫衣,在你們衣服上點綴了金飾。
Ry zanakavavin’ Isiraely, mitomania an’ i Saoly, fa nahafinaritra ny mampitafiany jaky anareo, sady nasiany firava-bolamena ny fitafianareo.
25 英雄怎會在戰鬥中陣亡! 哎,約納堂! 對你的死,我極度哀痛!
Endrey! lavo teo amin’ ny ady ny mahery voalefona teo amin’ ny havoananao Jonatana.
26 我的兄弟約納堂,我為你萬分悲傷! 你愛我之情,何等甜蜜! 你對我的愛,勝於婦女之愛。
Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko; nahafinaritra ahy indrindra ianao; nahagaga ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan’ ny vehivavy.
Endrey! lavo ny mahery, ary levona ny fiadiana!