< 2 Летописи 15 >

1 Тогава Божият дух дойде на Азария, Одидовия син,
Ary ny Fanahin’ Andriamanitra tonga tamin’ i Azaria, zanak’ i Odeda;
2 и излезе да посрещне Аса и му рече: Слушай ме, Асо и целий Юдо и Вениамине: Господ е с вас докато сте вие с Него; и ако Го търсите, ще бъде намерен от вас, но ако Го оставите, Той ще ви остави.
ary dia nivoaka hitsena an’ i Asa izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy.
3 Дълго време Израил остана без истинския Бог, без свещеник, който да поучава, и без закон;
Ary efa ela ny Isiraely no tsy nanana an’ Andriamanitra marina, na mpisorona mampianatra, na lalàna.
4 но когато в бедствието си се обърнаха към Господа Израилевия Бог и Го потърсиха, Той биде намерен от тях.
Fa raha niverina tamin’ Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy nony azom-pahoriana, ka nitady Azy, dia nahita Azy.
5 И в ония времена не е имало мир нито за излизащия, нито за влизащия, но големи смутове върху всичките жители на земите.
Ary tamin’ izany dia tsy nisy fiadanana ho an’ izay nivoaka na izay niditra; fa horohoro be no nahazo ny mponina rehetra tamin’ ny tany.
6 Народ се сломяваше от народ, и град от град; защото Бог ги смущаваше с всякакво бедствие.
Ary nifandringana ny firenena sy ny tanàna, fa Andriamanitra nampangorohoro azy tamin’ ny fahoriana rehetra.
7 А вие се усилвайте, и да не ослабват ръцете ви; защото делото ви ще се възнагради.
Koa mahereza ianareo, fa aza miraviravy tanana; fa hisy valim-pitia tokoa ny ataonareo.
8 И когато чу Аса тия думи и предсказанието на пророк Одида, ободри се, и отмахна мерзостите от цялата Юдова и Вениаминова земя, и от градовете, които бе отнел от Ефремовата хълмиста земя; и поднови Господния олтар, който бе пред Господния трем.
Ary raha ren’ i Asa izany teny izany sy ny faminanian’ i Odeda mpaminany, dia niezaka izy ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin’ ny tanin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra ary tamin’ ny tanàna izay azony tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, sady nanavao ny alitaran’ i Jehovah izay teo anoloan’ ny lavarangana fidirana amin’ ny tranon’ i Jehovah.
9 И събра целия Юда и Вениамина, и живеещите между тях пришелци от Ефрема, Манасия и Симеона; защото мнозина от Израиля прибягваха при него като виждаха, че Господ неговият Бог бе с него.
Ary novoriny ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny vahiny teo aminy izay avy tany amin’ ny Efraima sy ny Manase ary ny Simeona; fa betsaka no nanatona azy avy tamin’ ny Isiraely, raha hitany fa Jehovah Andriamaniny no teo aminy.
10 Те се събраха в Ерусалим в третия месец, в петнадесетата година от царуването на Аса.
Ary nivory tany Jerosalema ireo tamin’ ny volana fahatelo tamin’ ny taona fahadimy ambin’ ny folo nanjakan’ i Asa.
11 В това време принесоха жертви Господу от донесените користи, седемстотин говеда и седем хиляди овци.
Ary androtrizay no nanaterany fanatitra ho an’ i Jehovah tamin’ ny babo izay nentiny, dia omby fitonjato sy ondry aman’ osy fito arivo.
12 И стъпиха в завет да търсят Господа Бога на бащите си от цялото си сърце и от цялата си душа,
Ary nanao fanekena hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, tamin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy,
13 и да се умъртвява всеки, малък или голям, мъж или жена, който не би потърсил Господа Израилевия Бог.
ka na iza na iza tsy mety mitady an’ i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, dia hatao maty, na kely na lehibe, na lahy na vavy.
14 И заклеха се Господу със силен глас, с възклицание, с тръби, и с рогове.
Ary nianiana ho an’ i Jehovah tamin’ ny feo mahery sy ny fihobiana ary tamin’ ny trompetra sy ny anjomara izy.
15 И целият Юда се развесели поради клетвата; защото се заклеха от цялото си сърце, и потърсиха Бога с цялата си воля, и Господ им даде покой от всякъде.
Ary ny Joda rehetra nifaly noho ny fianianana, fa efa nianiana tamin’ ny fony rehetra izy sady nazoto nitady an’ i Jehovah indrindra, ka dia nahita Azy; ary Jehovah dia nanome azy fiadanana tamin’ ny manodidina fahizay.
16 А още и майка си Мааха цар Аса свали да не бъде царица, понеже тя бе направила отвратителен идол на Ашера; и Аса съсече нейния идол, стри го, та го изгори при потока Кедрон.
Ary na dia Imaka, renin’ i Asa mpanjaka, aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an’ ny Aseraha izy; ary Asa nikapa ny sampiny, dia nanorotoro ka nandoro azy tao amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona.
17 Но високите места не се премахнаха от Израиля; сърцето, обаче, на Аса бе съвършено през всичките му дни.
Fa ny fitoerana avo tsy mba noravana tamin’ ny Isiraely; nefa nahitsy ny fon’ i Asa tamin’ ny androny rehetra.
18 И той донесе в Божия дом посветените от баща му вещи, и посветените от самия него, сребро, злато и съдове.
Ary nampidiriny ho ao an-tranon’ i Jehovah ny zavatra izay nohamasinin-drainy mbamin’ izay nohamasinin’ ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.
19 И нямаше вече война до тридесет и петата година от царуването на Аса.
Ary tsy nisy ady intsony hatramin’ ny taona fahadimy amby telo-polo nanjakan’ i Asa.

< 2 Летописи 15 >