< Luke 7 >
1 Ni wa Yesu kle trema wa tre shishi ndji nda hi ni Kapanawum.
Ary rehefa vitan’ i Jesosy teo anatrehan’ ny olona izany toriteniny rehetra izany, dia nankany Kapernaomy Izy.
2 Akwe soja ri wa he ki ahi ni ner kon ma wa mi som tsutse, a buma si kpama nda yiza que.
Ary ny mpanompon’ ny kapiteny anankiray, izay malalany, dia narary efa ho faty.
3 Soja wo labari Yesu nda dru ndji bi ninkon bi Yahudawa, hla dun Irji ye nda warka ni vren koh ma.
Koa raha nahare ny amin’ i Jesosy ilay kapiteny, dia naniraka loholon’ ny Jiosy hankeo aminy hangataka Azy mba ho avy ka hahasitrana ny mpanompony.
4 Baya wa bu ye ni Yesu ndu bra tsutsi na tre ayi tsa du tie wayi ni wu.
Ary rehefa tonga teo amin’ i Jesosy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: Miendrika ny hanaovanao izany izy,
5 Ani son gbugbo, wawu yi men Choch nita wu.
satria tia ny firenentsika izy, sady izy no efa nanao ny synagoga ho antsika.
6 Yesu chi ka ni wuba. U wa ana zren bran nkon rji ni koh rina, soja tru kpukpan ma duba hla ni wu, “Bachi, na tie kpa me ya na, wu toh mina tsra dun-wu ye ri ni koh mu na.
Ary Jesosy nandeha niaraka taminy. Ary rehefa efa mby teo akaikin’ ny trano Izy, ilay kapiteny dia naniraka sakaiza hitsena Azy ka nanao taminy hoe: Tompoko, aza manahirana ny tenanao Hianao; fa tsy miendrika hidiranao ao ambanin’ ny tafon-tranoko aho.
7 Domin wuyi mi na ban ndi mi tsra dun mi ye ni wu na, u wuti hla tre riri mi toh ivren koh mu ni fie sikpa.
Koa na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy miendrika hankeo aminao; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.
8 Me ngame mi he ndji ninkon, mi he ni Sojoji wa ba he ni wo'mu. Mi ti hla ni rhi ndi 'hi,' wa ka hi, miti hla ni rhi ngari ndi 'Ye,' wa ka ye, u ni vren ndu koh mu'a, tie nayi, wa ka tie.”
Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany, ka manana miaramila izay feheziko; koa hoy izaho amin’ ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy, ary amin’ ny anankiray koa Avia, dia avy izy, ary amin’ ny mpanompoko: Ataovy izao, dia manao izy.
9 Wa Yesu wo naki, ayi mamaki nda gbaya ndji ba ba ta wu nda tre, Mi hla yiwu, ni gbu Israila mina toh ndji iri gin gbagba nayina.
Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga taminy; ary dia nitodika Izy ka nanao tamin’ ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’ ny Isiraely aza.
10 Biwa ba ton ndu ba gbaye ni kon nda ton vren koh ma aha sikpa.
Ary nony tafaverina tao an-trano ireo iraka ireo, dia hitany fa sitrana ilay mpanompo.
11 Ni veh ri, Yesu tsi hi ni gburi wa bayo ndi Nain. Mri kohma bahe niwu, ndji gbugbu u.
Ary taoriana kelin’ izany Jesosy dia nankany an-tanana atao hoe Naina; ary naniraka Azy ny mpianany sy ny vahoaka betsaka.
12 A yi kritsa ni gbu, bu ban gburi awuri ri iyinma grji wawu na tsrina, ndji gbugbu ni gbu ba he niwu.
Ary rehefa mby teo akaikin’ ny vavahadin’ ny tanàna Izy, dia, indro, nisy fatin’ ny lehilahy anankiray nentina nivoaka, izay zanakalahy tokan’ ny reniny, sady mpitondratena ravehivavy; ary nisy vahoaka betsaka avy tao an-tanàna nanaraka azy.
13 Ni toh, Irji alika ni tausayi ma, nda tre niwu ni yi na.
Ary nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: Aza mitomany.
14 Aye nda akwati bi ba akwati ba kukri nda la ivren tsey mi la niwu lunde.
Ary nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona, dia nijanona izay nilanja. Ary hoy Jesosy: zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena.
15 Ikmo lunde nda sorma tre Yesu ka nu no iyima.
Dia niarina ny maty sady niteny, ary dia natolony tamin-dreniny.
16 I sissri vu ba wawu mba, ba omangyiri ni Irji, nda la ba chu annabi ri kikle ma ni mi mbu, i Irji jan ndi ma.
Ary raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza an’ Andriamanitra hoe: Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto amintsika; ary Andriamanitra efa nitsinjo ny olony.
17 Itre Yesu hi kon ni ntsen ni gbu Yahudiya ni gbungblu ba kagon ni wu'a.
Dia niely teny Jodia rehetra sy teny amin’ ny tany manodidina rehetra ny lazan’ i Jesosy ny amin’ izany zavatra izany.
18 Mri koh Yohana ba la niwu gbegbeme ikpiyi.
Ary ny mpianatr’ i Jaona nanambara izany rehetra izany taminy.
19 Yohana yo mri koh mah ha nda ton ba ndu hi ni ndji Yesu. Ba miye u ye? kon akwai ri ki ya konri ye
Ary Jaona niantso ny mpianany roa lahy hankao aminy, dia naniraka azy hankany amin’ ny Tompo hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
20 Baye wiewiere ni ndji ba tre, Yohana wuyi Batisma, aton ta, diki mbye wuyi u ye'a, ko akwai ndji ri wakiyi yakon yema?
Ary nony tonga tany aminy ireo lehilahy ireo, dia nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa naniraka anay hankatỳ aminao hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
21 Ni nton ki ndji gbugbu wu ba samu sikpa, iyamba kle, meme ruhu bri ba.
Ary tamin’ izany ora izany Jesosy dia nahasitrana olona maro tamin’ ny rofy sy ny aretina sy ny fanahy ratsy sady nampahiratra ny jamba maro.
22 Yesu amsa nda hla bawa, hi ndi hla ni Yohana kpe bi wo, ni kpe bi toh ni hishi mbi. Bi ra shishi baya, bi nkpurju za ba lunde zren, bi kuturu ba kpa ngla kpa, mangbi ton ba wo-tre, biwa ba kyu ba kma lunde ni vri, u biwa ba he nimi wa ba wo tre ndindima.
Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin’ i Jaona izao hitanareo sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.
23 Indji wa ana ka wo tre mu na nitu bi zren mu a kpa lulu.
Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.
24 U wa mri koh Yohana ba rju ni hi kpamba, Yesu kma ni hla ni gbugbu ndji ba nitu Yohana, “Ahi ngye bi rju hi ni miji si wa bi toh? Indji biwa vi ngyungyu ni fu yi hlega?
Ary rehefa lasa ny irak’ i Jaona, dia nilaza an’ i Jaona tamin’ ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an-efitra? Volotara nohozongozonin’ ny rivotra va?
25 U bi rju hi ni wa bi toh ngye yi? Indji wa a sru nklon bi ndindi ma? Yayi, biwa ba sru kpi bi tie nklen u nda ni son ni mi iro ba he ni mi koh ba chu.
Sa hizaha inona no nalehanareo? Olona mitafy lamba soa va? Indro, ny mitafy lamba soa sy mihinana zava-py dia ao an-tranon’ ny mpanjaka.
26 U bina rju hi ni ra ni wa bi toh ngye? Anabi? E, Mi hla ni yiwu, zan u anabi'a.
Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.
27 Wayi a wawu wa ba nha ngame ni wuh. yra mitub manzo gaba niyin, wa shi mle kon teh niyi.
Fa izy ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao.
28 Mi hla yiwu, ndi wa mba bagrji, ba wa nda zah Yohana.
Lazaiko aminareo: Amin’ izay nateraky ny vehivavy tsy misy lehibe noho Jaona; nefa ny kely indrindra amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra dia lehibe noho izy.
29 Baya ndji gbugbu bawo niki, ni bi kpa nklen gandu ba ya ba kpa Irji a ndindima. Ba biwa Yohana yi Batisma bawu.
Ary ny vahoaka rehetra sy ny mpamory hetra raha nandre, dia nanamarina an’ Andriamanitra, satria natao batisa tamin’ ny batisan’ i Jaona izy.
30 Farisawa ni wa ba ton tre zru Yahudawa bawa, ana Yohana yi Batisma ni bawu na, ba na ya nda ni tre lan na.
Fa ny Fariseo sy ny mpahay lalàna kosa nandà ny fikasan’ Andriamanitra, satria tsy mba nanatona hataon’ i Jaona batisa izy.
31 Yesu hla ni ge mi hada ndji bi tsara yi? Ba he hi he?
Tahaka ny inona ary no hanoharako ny olona amin’ ity taranaka ity? tahaka ny inona moa izy?
32 Ba he na mri ba tsi ron ni kasuwa, nda ni tre ni kpamba, “Ki nvri injon ni yiwu, u bina nglu na. ki ban je kyu, u bina yi na.
Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay mifampiantso hoe: Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy nitomany ianareo.
33 Nakiyi Yohana aye, na ri hla, ana son mah na bi tre ahe ni brji.
Fa tonga Jaona Mpanao-batisa tsy nihinan-kanina na nisotro divay, ka hoy ianareo: Manana demonia izy.
34 Ivren Ndji ye nda ri nda ni so ibi tre yah, ndji branda so, a kpa bi kpa nklen gandu ni bi lahtre.
Tonga ny Zanak’ olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ ny mpamory hetra sy ny mpanota.
35 Imri ma wawu ba he ni wayu.
Fa ny fahendrena dia hamarinin’ ny zanany rehetra.
36 Ni viri Bafarisen, ri bre Yesu ye ni koh ma bawu ri. Wa Yesu ri ni koh Bafarisen, a kuson ni tebru nda ri lla.
Ary ny Fariseo anankiray nanasa an’ i Jesosy hiara-mihinana aminy; ary dia niditra tao an-tranon’ ilay Fariseo Izy ka nipetraka nihinana.
37 Iwa ri lah tre, a rju rji ni mi gbu nda wo Yesu he ni koh Bafarisen, nda ri lla. Nda ye ni ri iyema ni alabasta iyi ri wuwi ma.
Ary, indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, ka rehefa fantany fa Jesosy nipetraka nihinana tao an-tranon’ ilay Fariseo, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy;
38 Nda ye kluwei na Yesu nda tsi yi nda jum nza ma ni ma shishi ma nda sezah ma ni nfutu ma a tre kauna ma nimu zah gban zah mu ni turare.
ary nijanona teo ivohony tanilan’ ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin’ ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin’ ny menaka manitra,
39 Bafarisen yo Yesu bi ninkon ma, ato naki nda tre ni suron ma nda ndji yi ana anabi njanji yi ani toh ndi wayi meme iwa, wa si tawu ndji wu lahtre.
Ary nony nahita izany ilay Fariseo nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany Ity, dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny; fa mpanota io.
40 Yesu kpa nyime nda hla ni wu Siman, mi son hla niwu ikperi, wa tre, hla Malam.
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho. Dia hoy izy: Lazao ary, Mpampianatra ô.
41 Yesu hla ndji ri inu hla niwu ndji ha bari lah kudi niwu, ndji rima sule deri, irima ani hu rima sule hamsi.
Nisy roa lahy nananan’ ny mpampanàna vola anankiray trosa: ny iray nananany denaria diman-jato, ary ny iray kosa dimam-polo.
42 Bana he kudi baya hana igu wruhle bawu, hari mba, iri me nimi mba ani fi son igu?
Ary raha tsy nanan-kaloa izy roa lahy, dia samy navelany. Koa iza moa amin’ ireo no ho tia azy indrindra?
43 Siman hla mi ya wa kudi ma bran, Yesu hla niwu, wu hla ndindi.
Simona namaly ka nanao hoe: Ataoko fa ilay namoizany be. Dia hoy Izy taminy: Marina ny hevitrao.
44 Yesu kma hi ni wa'a nda hla ni Siman wu toh wayi, mi ye ni koh me, wu na ne mma wu ngla zah muna, wawu ne, ni mashishi ma a ngla zah mu niwu, nda se zah mu ni nfutu ma.
Ary Jesosy nitodika nijery an-dravehivavy ka nanao tamin’ i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro ianao; fa izy kosa nahakotsa ny tongotro tamin’ ny ranomasony, dia namaoka azy tamin’ ny volon-dohany.
45 Iwu u na tsro son nimu na i wawu tie tu wa mi ye ni wa, ana bri mena.
Tsy mba nanoroka Ahy akory ianao; fa izy, hatr’ izay nidirako, dia tsy mbola nitsahatra nanoroka fatratra ny tongotro.
46 Iwu wu na gban nye ni tumu na, a gban izah mu ni nye ni nfutu ma.
Ny lohako tsy mba nohosoranao diloilo akory; fa izy kosa nanoso-menaka manitra ny tongotro.
47 A he na kiyi wa i lutre ma a bran anu kpa awa bran, nda tsro son wu brama. Wa ba wruhle ni vi fime a suron vi fime kame.
Ary amin’ izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin’ ny kely dia kely fitiavana.
48 Baya wayi ala niwu, ba wru la tre me hle niwu.
Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: Voavela ny helokao.
49 Wa ba son niki, ba son tre kpa-mba, wayi anha wa ani wru lahtre hle?”
Ary izay niara-nipetraka nihinana teo aminy dia niresaka hoe: Iza moa Ity no mba mamela heloka?
50 Yesu hla niwu, isuron ndindima anu ceto me, hi ni si kpa.
Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara.