< Mark 1 >

1 Wayi hi Lauren wu mumlan ni tu tsartsar tre wu Yesu Kristi, vre Irji.
Ny niandohan’ ny filazantsaran’ i Jesosy Kristy, Zanak’ Andriamanitra.
2 Anabi Ishaya, a ya koshishi datre ndi ye mi tru indi wu ton di mu, niyi ani mlanko niwu.
Araka izay voasoratra ao amin’ Isaia mpaminany hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao;
3 Ilan wandi a si kpagro si yo ni tsutsu miji, mlan icontih ni Back mbu, do not ma hi nyeyre.
Injany! misy feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan’ i Jehovah. Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany,
4 Yohana a ye, da tsoro bi wandi ba ye ni wu nko wu wru latre mba hlega, da vu ba sukpa ni ma du Irji wru latre be hlega.
dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan’ ny fibebahana ho famelan-keloka.
5 Wawu u indi bi gbu Judea mba urishilima ba luni ka kpa sukpa wu ma da ni nhran latre mba do Irji wru ba hle.
Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin’ ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.
6 Yohana a ta sur nklon nta rakumi de to lo rjirji ni tri wu nta da ta rli langblan ba iton.
Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva; ary fehin-kibo hoditra no tamin’ ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.
7 A dubub di “Iri ni ye ni kogonmu wandi a zan gbengle mu, wandi mina malan wa mi chu langban wu zama na.
Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
8 Mi sukpa yiwu Nima ana wawu ni sukpa yiwu ni rubu Mai Tsraki.
Izaho efa nanao batisa anareo tamin’ ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin’ ny Fanahy Masìna.
9 Avi baki, yes a ye rji ni Nazareth wu Galilee e Yohana a sukpa ni wu ni nei Jordan.
Ary tamin’ izany andro izany dia tonga avy tany Nazareta any Galilia Jesosy ka nataon’ i Jaona batisa tao Jordana.
10 Da Yesu a nzutu ni ma wu ne wandi ba sukpa niwu, ato shulu a bwu u wa atoh Ruhu Irji a girji kuson ni u ni tu. “Irji ni shulu a trendi.
Ary raha vao niakatra avy teo amin’ ny rano Izy, dia hitany ny lanitra nisokatra, ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.
11 “Wayi wu vren wu surom mu, wandi a ni du surom mu see.
Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako.
12 Ruhu Irji a Chon hi ni tsutsu miji. Wu vi arbai,
Ary niaraka tamin’ izay dia nampandehanin’ ny Fanahy ho any an-efitra Izy.
13 ba ba nma miji mba birji (Satan) wandi a ka tsra. Irji a du maleka ma do ba tindu (hidima) niwu.
Ary tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain’ i Satana fanahy; ary teo amin’ ny bibi-dia Izy, ary ny anjely nanompo Azy.
14 Niwa bana vu Yohana tro Yes ye ni Galilee da bla tre rji andi ko Irji no shulu a grji ye weiweire ko nhá do
Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran’ Andriamanitra
15 ica me me drive chuwo da kpa wu wu.
ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara.
16 A si izren ni kpa kikle nei Galilee da to Siman ba Andru, mri vayi Simon, basi yo ngrow nima bana bi Vu lambe.
Ary nony nandalo teny amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia Izy, dia nahita an’ i Simona sy Andrea, rahalahin’ i Simona, nanarato teo amin’ ny ranomasina; fa mpanarato izy.
17 Yesu yo ba du ba hu a ni tsron.
Ary hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.
18 ba vu idi to ba lambe lude hu gbagbla.
Dia nandao ny harato niaraka tamin’ izay izy ka nanaraka Azy.
19 A la fon zre da to James (Yakubu), ba siya inla rjirji wu vu lambe ba ti
Ary rehefa nandroso kelikely Izy, nahita an’ i Jakoba, zanak’ i Zebedio, Jaona rahalahiny, izay teo an-tsambokely koa namboatra ny haratony.
20 ba wo yo a da lu don think a Zabadi mba mri ko ma da hu.
Dia niantso azy niaraka tamin’ izay Izy; ary izy mirahalahy nandao an’ i Zebedio rainy teo an-tsambokely mbamin’ ny olona nokaramainy, ka dia nanaraka an’ i Jesosy.
21 Ba ye ni Capernaum chachu sati, u yes hi ni tra irji ba (synagogue).
Ary nankany Kapernaomy izy ireo; nony tamin’ ny Sabata, dia niditra tao amin’ ny synagoga niaraka tamin’ izay Jesosy ka nampianatra.
22 Da ka tsro ba itre irji zan khikle bi nha mba
Dia talanjona ny olona tamin’ ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna.
23 Ni nto kima, i gu ri wandi a he ni meme ibrji a lu yrayi ni Yesu da mye,
Ary niaraka tamin’ izay dia nisy olona teo amin’ ny synagogany, izay azon’ ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy
24 wu ye tingye ni ta, Yesu ba Nazareth? Wu ye wuta mu? Mi to ko wu nha, wu tsatsra wu irji.
ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin’ Andriamanitra Hianao.
25 Yesu yra to ni wu da hla ni ibrji wandi a siya tree ni mi songbagbi.
Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangìna ianao ka mivoaha aminy.
26 Ibriji rhju ni gbengle da ni kpagro.
Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan’ ilay marary, dia niantso tamin’ ny feo mahery ka niala taminy.
27 Indi ba wandi ba hei ni kea ba bwu nyu yo ni wuo da miye kpamba, I wayi nghe, itsro sad gbengle ani you doka ni bring meme u ba wou.
Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy.
28 Injo nitu ma a zre yi ni clan Galilee.
Ary ny lazany dia niely niaraka tamin’ izay teny tontolo eny tamin’ ny tany rehetra eran’ i Galilia.
29 A rju ni tra irji da tsi you ni ko ba Siman ba Andrew, ba ba Yakubu mba Yohanna.
Ary niaraka tamin’ izay, raha nivoaka avy tao amin’ ny synagoga izy, dia niditra tao an-tranon’ i Simona sy Andrea Jesosy ary Jakoba sy Jaona.
30 Ni ri nikoa, a to yi wa Siman si lo kpa.
Ary ny rafozam-bavin’ i Simona nandry teo nanavin’ ny tazo; ary niaraka tamin’ izay dia nilaza azy taminy izy ireo.
31 Da ba hla niwu, a hi da ka thi wo nzu. Lol kpa a kri bre wu, wa kri lunde da nuba rhi.
Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tànany ary nanarina azy; dia afaka ny tazony, ka dia nanompo azy izy.
32 Ni yalu, be gbu wawu ba shubi ni nkotra.
Ary nony hariva ny andro, ka nilentika ny masoandro, dia nentina tany aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka.
33 Ba nji bi lilo kpa ye ni wu,
Ary ny tao an-tanàna rehetra dia tafangona teo anoloan’ ny varavarana avokoa.
34 wa ka nuba si kpa da zu meme brji rju ni kpa wandi a hei ba wu ni kpa. A na nu ibrji ba nyu wu tre na - ni tu ba to. Ko wawu hi nha.
Ary nahasitrana olona maro izay nararin’ ny aretina samy hafa Izy sady namoaka demonia maro; ary tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny.
35 Ni bwu mble a lunde da hi ni wutrji wandi ndi bana hei na daka bre irji.
Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany.
36 Kpúkpan zren ma Siman
Ary dia nandeha nitady Azy Simona sy ny namany.
37 ba bru mba ba wawu ka to da lila wu di indi basi waawu.
Ary nahita Azy izy, dia nanao taminy hoe: Ny olona rehetra mitady Anao.
38 A sa ba wu, khi hi ni wudji rhi, ni gbu ri kan. Nitu hla tre irji ni bawu shi need me ye.
Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hiala hankany amin’ ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako.
39 A zren kaāgo inkla gbu Galilee, ni tra irji mba (synagogue) da tsro ba jiji tre irji da zu meme ibrji rltju ni bi wandi ibrji lo ba nju da kpabachuwo.
Dia nandeha Izy ka nitori-teny tao amin’ ny synagogan’ ny olona eran’ i Galilia sady namoaka ny demonia.
40 Ndi ri wandi a hei ni lilo eshi a ye da kugu gbarhu ma da bre u andi.
Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
41 Wuta kpa nyme wu ka chu lilo yo wrjhu ni mu. A ló suron ni wu da ka wo ni wu da tre di, “mi kpa nyme lilo ka wu chuwo!
Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao.
42 Lilo ezhie a rhu hari kpama a kma ti sa.
Ary niaraka tamin’ izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy.
43 Yesu a mmba, u a du na hla ni tro na.
Ary namepetra azy mafy Jesosy, dia nampandeha azy niaraka tamin’ izay
44 Du gri kpa ma hi stro priest ya da a samu si see kpa ma du hei na wa Musa a ti gbuchu ni tu man.
ka nanao taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin’ iza na amin’ iza; fa mandehana, misehoa amin’ ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian’ i Mosesy, ho vavolombelona amin’ ireo.
45 Da gua rhu ni Yesu a tsi ka dubu kpe wa Yesu ti ni wu'a. Ni tu kima Yesu ana iya are ni mi gbu du ba to na. A nap zi are zu ni kosan gbu. Duk na ki ndi ba ba zi hu ko ni tse Wanda a hi.
Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin’ ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny.

< Mark 1 >