< Ndu Manzaniba 6 >

1 Zizan ni vi biyi, wa mir ko bi hua, ba si ye ni bran Yahuda wa bi wo helenanci bi nji yiye nitu bi Ibrini yawaba, ahdi bana mla niya mmba be k'po ni zo wa ba yi bawu chachuna.
Ary tamin’ izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan’ ny mpianatra, dia nimonomonona tamin’ ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin’ ny fiantrana isan’ andro ny mpitondratenany.
2 don ha'a ba yo kpaa mir ko ba nda tre ndi “Ana bi du ta ka tsro lan tre Irjhi chuwo ni k'ma ki ta ga biri na.
Ary ny roa ambin’ ny folo lahy nampiangona ny mpianatra rehetra ka nanao hoe: Tsy mety raha mandao ny tenin’ Andriamanitra hitandrina latabatra izahay.
3 Nitu kima, bika chu, ndi tamgban ni mimbi, indhi wa ndi ba kpanyme ni ba u ba he ni rhuhu mba mre wuto ndindi, ni chuba yo ni ndu yi.
Koa amin’ izany, ry rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany.
4 Anita um mbu, ki kri nitu bre mba ndu tsro lan tre Irjhi.
Fa izahay kosa haharitra amin’ ny fivavahana sy ny fampianarana.
5 I tre mba a bi wo ni kpaandhi ba wawu. Niki ba chu Istifanus, ndhi wa a shu ni suron gbangban ni nkon Rjhi, mba ni Ruhu Tsatra, u Filibus, Prochorus, Nicanor, Timon, Pamenas, mba Nicolaus ndhi wu Antioch, wa a kpanyme n'dani hu Rjhi bibi wu Yahudawaba.
Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an’ i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masìna, ary Filipo sy Prokoro sy Nikanora sy Timona sy Parmena ary Nikoleo (proselyta avy any Antiokia),
6 Bi wa ba kpanyme niwu'a ba nji ndhi biyi ye ni shishi ba manzaniba, u ba bre Rjhi nibawu nda sa wo ni tu mba.
ireo dia narosony teo anatrehan’ ny Apostoly; ary rehefa nivavaka ny Apostoly, dia nametra-tanana taminy.
7 Niki u tre Rjhi a si bwu kagon U mir ko ni Urishilima ba si bran kpukpome. U Prist gbugbuu ba kpa trea nda hu ni gbengble suron.
Dia nandroso ny tenin’ Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan’ ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.
8 Zizan, Istifanus wa alheni mba gbengble ahe wu suron a si ti kikle kpi ni shishi ndhi ba.
Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin’ ny vahoaka.
9 Ama Ndhi bari ba rhuki rhi ni haikali'a wa ba yo ndi Haikali wu bi wa ba chubachuwo, rhi ni Cyrenians mba Alexandrians, ni basi rhi ni Cilicia mba Asia. Ndhi biyi ba si a sen nyk ni Istifanus
Fa ny sasany, izay avy amin’ ny synagoga atao hoe Synagogan’ ny Libertina sy ny Kyreniana sy ny Aleksandriana mbamin’ izay avy any Kilikia sy Asia, dia nitsangana ka niady hevitra tamin’ i Stefana.
10 Ama bana to kri nda ti kpe zan iri hikima mba iri ruhu wa Istifanus tre'a na. Mle ba lunde le nyu bari ni du ba tre ndi.
Fa tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany ireo;
11 ki wo Istifanus a sia tre lan wu mmre Musa mba Rjhi”.
dia nisy olona nomeny vava hanao hoe: Efa renay niteny ratsy an’ i Mosesy sy Andriamanitra ity.
12 Ba chon ndhiba, ni datibe, bahabi nha (Scribes) mle ba wa Istifanus hi nda jiwu ye ni bi niko ni tra sonmba.
Ary nampitaitra ny olona sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna izy, dia nankeo amin’ i Stefana ka nisarika azy, dia nitondra azy ho eo amin’ ny Synedriona;
13 Ba nji bi che du ba lha ndi ba wa to ni shishinda wa ni tonmba kpiwa ba bla sa niwu'a. Ba tre ndi iguyi na donme ni tre lan meme nitu tsatsra bubuyi mba doka Rjhi na.
ary izy nanangana vavolombelona mandainga, izay nanao hoe: Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy ity fitoerana masìna ity sy ny lalàna;
14 Nikima, ki wo-u a tre ndi Yesu wu Na'zarat yi, ani zi bubuyi, nda k'ma njo Musa wa a yo nda ka nuta duta ki hu'a sran.
Fa efa renay izy nilaza fa ilay Jesosy avy any Nazareta dia handrava ity fitoerana ity sy hanova ny fomba izay natolotr’ i Mosesy antsika.
15 Ko nha wa a son ni tra son bi ninko a sru shishi ni wu nda to shishima a k'ma rhu wu malaika.
Ary izay rehetra nipetraka teo amin’ ny Synedriona, raha nandinika an’ i Stefana, dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin’ anjely.

< Ndu Manzaniba 6 >