< Ndu Manzaniba 5 >
1 Ndhiri bayo ndi Ananias mba wama safira ba ban bubumba ri le.
Fa nisy kosa lehilahy atao hoe Ananiasy sy Safira vadiny nivarotra tany,
2 Nda zi mbru nkle wa ba kpa`a (uwama ngame a to), nda nji mbru nkle ka zi ni za manzaniba.
ka nanafenany ho azy ny vola vidiny, ary ny vavy koa nahalala izany; dia nentiny ny vola sasany vidiny ka napetrany teo anoloan’ ny tongotry ny Apostoly.
3 Bitrus a tre ndi, “Ananias wu ti he ni du brij shusron me nda du, u tiche ni Ruhi Tsatsra ni kma mbru nkle bubua'a zi ni tume?
Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin’ ny Fanahy Masìna ka hanafina ny vola sasany vidin’ ny tany?
4 Niwa wuna rhihe u banle'a ana wumena, u niwa wu banle ana rhihe ni wome na? A nha yo kpeyi ni suron me? wuna tiche ni ndhi na, ama ni irjhi”.
Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao ianao? Tsy nandainga tamin’ olona ianao, fa tamin’ Andriamanitra.
5 Niwo tre`a Ananias a ku rhoku u veri ma ka klekle, u biwa ba wo kpe yi ba ti sisiri kpukopme.
Ary Ananiasy, nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny ainy; dia raiki-tahotra loatra izay rehetra nandre izany.
6 Mri rize ba balu banwu cibi nda lo u nda ba u rhu ka rhu.
Ary nitsangana ny zatovo, dia nofonosiny ny faty ka nentiny nivoaka, dia naleviny.
7 Niwa nton tra ati, uwama a riye, ana to ka ngye si grensi zren na.
Fa rehefa afaka tokony ho ora telo, dia niditra koa ny vavy, nefa tsy fantany izay efa nanjo teo.
8 Bitrus a tre niwu ndi, “Hla nitawu bi le ni bubumbi mba nitu kpe to yi?” A tre ndi “Ehh, nitu toki.”
Ary hoy Petera taminy: Lazao amiko: Izany ihany va no vola vidin’ ny taninareo? Dia hoy izy: Eny, izany ihany.
9 Mle Bitrus alha niwu ndi, “Ahi ngyeti du yi zontu ni kpambi ndi tsra Ruhu Baci?, ya, za ndhi wa baka rhu lon me ba he ni kontra, ba banwu hi rhu.”
Ary hoy Petera taminy: Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin’ ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr’ izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy.
10 A kri ku rhoku ni za ma nda gbron vri ma wu kle. Niwa mir nzeba ba ri ye nimi ba to a que nda banwu rhu ka rhu ni kosan bei lonma.
Dia nikarapoka teo anoloan’ ny tongony niaraka tamin’ izay koa izy, ka afaka ny ainy; ary raha niditra ny zatovo, dia hitany fa maty, ary nentiny nivoaka ka naleviny teo anilan’ ny lahy.
11 sisir rigra ma a ti eklisiya wawu ni biwa bawo kpi biyi”a.
Dia raiki-tahotra indrindra ny fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany.
12 ikpi gbugbuwu wa bana taba to ni son ba na ni chu tro nkankan ba kiya faru ni cikin ndi tawuri mazani ba. Ba ki wawumba ni trankon solomon.
Ary ny tanan’ ny Apostoly no nanaovana famantarana sy fahagagana maro teo amin’ ny vahoaka; ary izy rehetra niray saina teo amin’ ny Fialofan’ i Solomona;
13 Mbru ndhi ba bana hini gbengble suron u huba hikina ama ndhiba ba to ba ni nfutu.
ary tsy nisy tamin’ ny olona sisa rehetra sahy niray taminy; nefa nankalaza azy ny vahoaka.
14 Nikima, ndhi ba ta ye nda ni kpa Bau; ndi lilon baba mba gbugbuwu.
Ary vao mainka nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany;
15 Nda duba vu bi lilo thuka zi nitu nkon tu bubu kru ko ni bla krumba, ndi i dan Bitrus si zren zu, iwhi ma ni ku nitu bari mba.
ka dia nentiny teny an-dalambe aza ny marary ka napetrany teny ambony farafara sy fandriana, mba hisy ho azon’ ny tandindon’ i Petera ahay, raha mandalo izy.
16 Kpandhi ngame ba ye rhi ni gbu biwa ba ne we were ni urishilima, ni bi lilo baba biwa meme brjhi loba, ba kpa si kpa mba
Ary ny olona maro avy tamin’ ny vohitra manodidina an’ i Jerosalema dia nivory koa, nitondra ny marary sy izay nampahorin’ ny fanahy maloto; dia sitrana avokoa izy rehetra.
17 Nikima, niko firist alu kri, ni wawu biwa ba heniwu'a (biwa ba he ni derika sadukiawa); ba shuni ngu,
Ary nitsangana ny mpisoronabe mbamin’ ny namany rehetra (izay antokon’ ny Sadoseo), fa feno fialonana izy,
18 nda yo wo vu manzani ba ka tro ni buba tro. “
dia nisambotra ny Apostoly izy ka nanao azy tao an-tranomaizina.
19 Nikimame, niwa chu ati malaika u Baci a bwunko wu bubu tro'a nda njiba rhu ra, nda tha bawu ndi
Fa nisy anjelin’ ny Tompo namoha ny varavaran’ ny tranomaizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka ka nanao hoe:
20 “Hi, kri nimi Haikali ni tre ndi ndhiba wawu nitu lantre wu nu vriji”.
Mandehana, ka mitsangàna, ary mitoria amin’ ny vahoaka eo an-kianjan’ ny tempoly ny teny rehetra milaza izany fiainana izany.
21 Niwa ba wo tre yi a, ba ri hi ni haikalia tsra ni bwunble nda tsroba. I a ninkon firt a ye baba biwa baheni wu'a nda yo son shubi bi ninkon gbu baba datibai ndhi bi Israila wawumba, nda tonba hi ni ko tre duba hi nii manzani ba ye.
Ary rehefa nandre izany izy, dia niditra maraina koa teo an-kianjan’ ny tempoly ka nampianatra. Ary rehefa tonga ny mpisoronabe sy ny namany, dia nampiangona ny Synedriona sy ny loholona rehetra tamin’ ny Zanak’ isiraely izy ka naniraka nankao amin’ ny tranomaizina haka ny Apostoly.
22 Ofisa wa ba tonbarba hi ka waba hamani ko tro'a nda kima ye lha bawu.
Fa nony tonga ny mpiandry raharaha, dia tsy nahita azy tao an-tranomaizina; dia niverina izy ka nilaza hoe:
23 “Kika to nkotraba baki ni tro vrenme, ni bi ki gben ba ni kontra. Ama niwa ki bwu ni ri, kina to ndior nimi na.
Ny tranomaizina dia hitanay mihidy tsara, ary ny mpiambina mitsangana eo am-baravarana; kanefa nony novohanay, dia tsy nahita olona tao izahay.
24 Ni wo tre yi, captin wu haikalia mba ninko first wawu, ba ku sisiri nitu mba, don kpe wa ni wu gon ma.
Ary ny lehiben’ ny mpiambina ny tempoly sy ny lohan’ ny mpisorona, rehefa nandre izany teny izany, dia niroahana ny amin’ izay ho faran’ izany.
25 Mle ndhiri a ye nda ye lha bawu ndi, “Ndhi wa bi vu sru ni ko tro ba kri si tero ndhi ni mi haikali.”
Dia nisy tonga ka nilaza taminy hoe: Ireny lehilahy izay nataonareo tao an-tranomaizina ireny, dia indreo izy mitsangana eo an-kianjan’ ny tempoly ka mampianatra ny olona.
26 Kaptin babamir binduma ba wru hi nda ka vu ba ye, hama ni gbiba ni gbeneblen, nitu ba ti sisiri ko ndhi ba ta ba ni tita.
Dia lasa ny lehiben’ ny mpiambina sy ny mpiandry raharaha ka nitondra azy, nefa tsy nanao mahery, satria natahotra ny vahoaka izy, fandrao hotorahany vato.
27 Niwa ba njiba ye'a ba zi ba shishi bi ninkon'a,
Ary rehefa nentiny, dia napetrany teo anatrehan’ ny Synedriona ireo, ary ny mpisoronabe nanontany azy
28 Nikon first a tsra ba ni mye ndi, “we mha yi ndife yi ton du yi na tsro ni nde yi na, ama bi ka gbu urishilima ni tsro mbi ndi nison nji yi guyi ye sa nitumbu.”
ka nanao hoe: Efa noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin’ izany anarana izany; kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran’ izany Lehilahy izany.
29 Bitrus baba manzaniba ba sa ndi, kita ki hu tre irjhi zan tre ndhi.
Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.
30 Irjhi ba timbu a nzu Yesu hi, wandi bi klo wuu ni kunkro.
Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an’ i Jesosy, Izay novonoin’ ny tananareo nahantonareo teo amin’ ny hazo.
31 Irjhi a nzu u hon hi ni woko ko rhima na uren u tuchu mba wu kpachuwo, don du buw kon tuba ni mir Israila, nda wru latre mba lhe.
Izy nasandratry ny tanana ankavanan’ Andriamanitra ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an’ ny Isiraely.
32 kita ki biwa ki to kpibiyi, ni ruhu tsatsra ngame, wandi Irjhi a nu bi wa ba hu tre ma'a.
Ary izahay dia vavolombelon’ izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masìna koa, Izay efa nomen’ Andriamanitra ny manaiky Azy.
33 Niwa, bi ninko wa ba son'a da trea nfu a toba, u bata son wuu manzani ba.
Ary raha nandre izany izy, dia lotika ny fony, ka nihendry hamono azy izy.
34 Ama igu pharisawa ri wu nde ma hi Gamalial ndhi wu tsro doka, wandi ndhi wawu ba kpanyme ni wu'a, a lu kri ni minba nda ti gbuchu du manzani ba rhu dinko ni bawu wu ton fime ri.
Dia nitsangana teo amin’ ny Synedriona ny Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin’ ny olona rehetra, ary nasainy navoaka kely ireo olona ireo.
35 Wa alu kri lha ni son ndi, “ndhi Israila, mal ya kpe wa bi tre bi ti ni ndhi biyi.
Dia hoy izy tamin’ ny namany: Ry lehilahy Isiraely, tandremo tsara izay hataonareo amin’ ireo olona ireo.
36 Kafi du vi biyi ye, Theudus a lu wru nda gbresan ndi wawu hi ndior, u ndhi bari, ba derinzia ba zontu hu. Ba wuu, duka biwa bata hu'a ba vra hi kankan ni zremba ngame a na ti tu na.
Fa nitsangana fahiny Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efa-jato no isan’ ny lehilahy izay niandany taminy; fa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy ka tonga tsinontsinona.
37 Bay ki ma u, Juda wu Galile a lu kri ni vi wa ba bla ndhi nda gbron bari baka hu. wawu ngame a que kado u biwa bata hu'a ba vera hi kan kan.
Ary nanarakaraka azy indray, tamin’ ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana Jodasy avy any Galilia; ary izy nitaona olona hikomy hanaraka azy; dia novonoina koa izy, ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy.
38 Zizan mi lhayiwu, rhu ni nkon ndhi biyi di don ba toome, idan shiri yo ko ndu yi, hi wundi ana kri gban me na nda vralhe.
Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo: Mandefera amin’ ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa raha avy amin’ olona izao saina na asa izao, dia ho foana;
39 Anita ndu Irjhi, bina iya yi nasara ni ba na bi klna to bisi tsi ni Irjhimu.” Toki ba kpanyme ni tre ma.
fa raha avy amin’ Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin’ Andriamanitra ianareo.
40 Mle ba yo manzaniba ri ni son nda lhobatsi nda hla ndi du ba na tre ni nde Yesu na, nda du ba hi kpamba.
Dia nanaiky azy izy; ary rehefa niantso ny Apostoly izy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy hiteny amin’ ny anaran’ i Jesosy intsony, ary dia nandefa azy handeha.
41 Ba rhu rhi ni son bi ninko'a ni takpe don ba he ni mi biwa ba mla duba ti ba ya nitu ndema.
Ary ireo dia niala teo anatrehan’ ny Synedriona, sady faly, satria natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr’ izany anarana izany.
42 Hu kima, chachu, ni mi haikali mba ni ko hi ni ko, ba zi tsro ndani d'bu ni lha njo ndi Yesu wawuyi hi Kristi.
Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an’ i Jesosy ho Kristy isan’ andro teo an-kianjan’ ny tempoly sy tao an-trano izy.