Preface
Read
+
Publisher
Nainoia, Inc.
PO Box 462, Bellefonte, PA 16823
(814) 470-8028
Nainoia Inc, Publisher
LinkedIn/NAINOIA-INC
Third Party Publisher Resources
Request Custom Formatted Verses
Please contact us below
Submit your proposed corrections
I understand that the Aionian Bible republishes public domain and Creative Commons Bible texts and that volunteers may be needed to present the original text accurately. I also understand that apocryphal text is removed and most variant verse numbering is mapped to the English standard. I have entered my corrections under the verse(s) below. Proposed corrections to the Malagasy Bible 1865, Song-of-Solomon Chapter 3 https://www.AionianBible.org/Bibles/Malagasy---Malagasy-Bible/Song-of-Solomon/3 1) Teo am-pandriako nony alina dia mazàna nitady ilay tian’ ny fanahiko aho; Nitady azy aho, fa tsy nahita azy. 2) Dia hoy izaho: Hifoha aho ka handehandeha eo an-tanàna, dia eny an-dalambe sy eny an-kalalahana, hitady ilay tian’ ny fanahiko eny, nitady azy aho, nefa tsy nahita azy. 3) Hitan’ ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna aho; Dia hoy izaho: Sao mba hitanareo lahy ilay tian’ ny fanahiko iny? 4) Nony vao nandalo ireo vetivety foana aho, dia hitako ilay tian’ ny fanahiko, ka nohazoniko izy, fa tsy navelako handeha, mandra-pitondrako azy ho any an-tranon’ ineny, dia any amin’ ny efi-tranon’ ilay niteraka ahy. 5) Mampianiana anareo amin’ ny gazela na amin’ ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin’ i Jerosalema; Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa sitrapony. 6) Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, tahaka ny setroka mitankosina, sady tsara fofona amin’ ny miora sy ny ditin-kazo mani-pofona mbamin’ ny vovoka manitra samy hafa entin’ ny mpandranto? 7) Indro ny filanjan’ i Solomona! Lehilahy enim-polo, mahery avokoa, avy amin’ ny lehilahy mahery amin’ ny Isiraely, no manotrona azy. 8) An-tsabatra avokoa izy rehetra sady mahay miady, samy mitondra ny sabany eo am-balahany avy noho ny tahotra amin’ ny alina. 9) Nanao filanjana ho azy Solomona mpanjaka tamin’ ny hazo avy any Libanona: 10) Volafotsy no nataony andriny, ary volamena ny fiankinana, volomparasy ny ondany, ny ao anatiny voaravaka amin’ ny fanomezam-pitiavana avy tamin’ ny zanakavavin’ i Jerosalema. 11) Mivoaha, ry zanakavavin’ i Ziona, ka mijere an’ i Solomona mpanjaka, misatroka ilay satro-boninahitra nasatro-dreniny azy tamin’ ny andro nampakarany vady, dia tamin’ ny andro nifalian’ ny fony. Additional comments?
Refresh Captcha
The world's first Holy Bible un-translation!