Preface
Read
+
Publisher
Nainoia, Inc.
PO Box 462, Bellefonte, PA 16823
(814) 470-8028
Nainoia Inc, Publisher
LinkedIn/NAINOIA-INC
Third Party Publisher Resources
Request Custom Formatted Verses
Please contact us below
Submit your proposed corrections
I understand that the Aionian Bible republishes public domain and Creative Commons Bible texts and that volunteers may be needed to present the original text accurately. I also understand that apocryphal text is removed and most variant verse numbering is mapped to the English standard. I have entered my corrections under the verse(s) below. Proposed corrections to the Malagasy Bible 1865, Isaiah Chapter 21 https://www.AionianBible.org/Bibles/Malagasy---Malagasy-Bible/Isaiah/21 1) Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo ny Efitra Ranobe. Tahaka ny firimorimon’ ny tadio any atsimo no fihaviny avy any an-efitra, dia avy any amin’ ny tany mahatahotra. 2) Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana. Iakaro, ry Elama ô! ekeo, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra. 3) Ary raha nahita izany aho, dia feno fanaintainana ny valahako; Fijalijaliana no nahazo ahy tahaka ny fijalijalian’ ny vehivavy raha miteraka; Niolanolana fatratra aho ka tsy nandre izany; Toran-kovitra aho ka tsy nahita izany. 4) Niemponempona ny foko, nampahatahotra ahy ny horohoro; Ny hariva fahafinaretako nampodiny ho fangovitako. 5) Velarina ny latabatra, miambina ny mpiambina, mihinana sy misotro ny olona mitsangàna, ianareo lehibe, ka hosory ny ampinga! 6) Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Mandehana, manendre tily; Ka izay hitany no aoka holazainy. 7) Dia nahita izy ka indreo mpitaingina manao andiany mandeha tsiroaroa sy boriky andiany ary rameva andiany. Ary nihaino izy, eny, nihaino dia nihaino; 8) Dia niantso nanao feon-diona izy ka nanao hoe: Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin’ ny fitazanako nony antoandro, Ary mitoetra eto amin’ ny fiambenako aho mandritra ny alina; 9) Koa, indreo, avy ny olona andiany, mpitaingina mandeha tsiroaroa; Ary nanandratra ny feony izy ka nanao hoe: Rava, rava Babylona! Ary ny sarin’ ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin’ ny tany. 10) Ry ahy voavely toy ny vary teo am-pamoloako ô! Izay efa reko tamin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no nambarako taminareo. 11) Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Edoma. Misy miantso ahy any Seïra manao hoe: Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? 12) Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina; Raha mbola ta-hanontany ianareo, dia manontania ihany; ka avia, miverena. 13) Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Arabia. Any an’ ala any Arabia no andrianareo, ry andian’ ny Dedanita. 14) Itondrana rano ny mangetaheta; Ny mponina amin’ ny tany Tema mitsena hanina ny mandositra; 15) Fa mandositra ny sabatra ireo, dia ny sabatra voatsoaka sy ny tsipìka voahenjana ary ny havesatry ny ady. 16) Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Ato anatin’ ny herintaona, tahaka ny taonan’ ny mpikarama, dia ho levona avokoa ny voninahitr’ i Kedara; 17) Ary ny tsipìka sisa izay; an’ ny lehilahy mahery, taranak’ i Kedara, dia ho vitsy foana, fa Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ao efa niteny. Additional comments?
Refresh Captcha
The world's first Holy Bible un-translation!