< Ulusetulilo 13 >

1 Kange injoka jikima pakyanya pa lihanga mulubale mu nyanja. Kange nikakivona ikinu kihumile mu nyanja. Kilyale namapembe kijigho kimo na maatu lekela kubale. Mumapembe gha jeene mwesilyale ingela kijigho, na mumatu gha kyeene mweghalyale amasio agha kubenapula kwa Nguluve.
Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia niakatra avy tamin’ ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin’ ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin’ ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy.
2 Ikikanu ikio kino alyakivwene kilya hwene duma. amaghulu gha jeene ghalyale heene gha Samagu, umulomo gjwa jeeene ghulya heene ghwa nyalupala. Ilijoka lila likam'pela ingufu, napakitengo kya mwene ikya vutua nuvutavulilua uvunyangufu kyoongo kutema.
Ary ny bibi-dia izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny tongony tahaka ny an’ ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan’ ny liona; ary ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe.
3 Umutu ghwa kikanu kimonga kilyavonike kuuva nuvulemale uvuvaha vunovulyanoghile kumuletela uvufue. Looli uvulemale vwa jeene vukasooka, iisi jooni pe jikadegha jikavingilila kung'anu.
Ary hitako ny lohany anankiray, izay toa voa ka efa ho faty; nefa sitrana ihany ilay feriny saiky nahafaty azy; ary gaga ny tany rehetra nanaraka ilay bibi-dia.
4 Kange vakifunya ku njoka, ulwakuva alyapelilue uvutavulilua nikikanu kiila, kange vakifunya kukikanu kiila, vakaghendelelegha kujoova, “Ghweveni ndavule ikikanu? kange “Ghweveni juuno itovana nakyope?
Ary dia niankohoka teo anoloan’ ilay dragona ireo, satria izy no nanome ny fahefana ho an’ ny bibi-dia; ary niankohoka teo anoloan’ ny bibi-dia koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka ny bibi-dia? ary iza no mahay miady aminy?
5 Ikikanu kikapelua umulomo ulwakuuti kijoove amasio gha kughinia namaligho. Kilyatavulilue amesi ifijigho fiine nagha vili.
Dia nomena lela miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy izy, ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efa-polo volana.
6 Pauluo ikikanu kikadindula umulomo ghwa kyene kujoova amaligho kwa Nguluve, kikaligha ilitavua ilya mwene, napapano akikalagha navano vikukala kukyanya.
Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy an’ Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo mitoetra any an-danitra.
7 Ikikanu kikatavulua kuvomba uvulugu na vitiki pikuvatola. kange, kikapelua uvutavulilua kufipeelela fyooni, kuvaanhu, kunyovele na kufisina.
Ary navela hiady tamin’ ny olona masìna izy ka haharesy azy; ary nomena fahefana tamin’ ny fokom-pirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra iry.
8 Vooni vano vikukala mu iisi vikufunyagha kwa mweene, ghweni juno ilitavua lyake nalilembilue, kuhuma iisi jipelua, mukitabu kya vwumi, kino kya mwana ng'olo, juno alya dumulilue.
Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin’ ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin’ ny bokin’ ny fiainan’ ny Zanak’ ondry, izay voavono hatramin’ ny nanorenana izao tontolo izao.
9 Nave ghweeni juno alinimbughulutu ghwe apulikisiaghe.
Raha misy manan-tsofina, aoka izy hihaino.
10 Nave jumonga aghomilue, kwoope kuvughomua iluta. Nave jumo ibuda ni bamba, ni bamba ibuduagha. Iji ng'emela ja vukola nu lugudo nu lwitiko ku avuo nu lwitiko ku avuo vaano viitike.
Raha misy mamabo, dia mba hobaboina kosa izy; ary raha misy mamono amin’ ny sabatra, dia tsy maintsy hovonoina amin’ ny sabatra kosa izy. Indro ny faharetana sy ny finoan’ ny olona masìna.
11 Kange pe nikavona ikikanu ikinge kikwisa kuhuma mu iisi. Kilyale namapembe ghavili heene ng'olo pe jikajova heene njoka.
Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia iray koa niakatra avy tamin’ ny tany; ary nanan-tandroka roa tahaka ny an’ ny zanak’ ondry izy sady niteny tahaka ny dragona.
12 Alyatuhufisie uvutavulilua vyooni mu kikanu kila ikya kwasia nakuva apuo kyeene nakuvomba mu iisi navala vano valikalile vikufunya kukikanu ikilongosi, kila kino uvulemale vya kyeene vuponile.
Ary ny fahefana rehetra nananan’ ilay bibi-dia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin’ izay monina eo dia asainy miankohoka eo alohan’ ilay bibi-dia voalohany, izay efa sitrana tamin’ ilay feriny saiky nahafaty azy.
13 Akavombile ikidegho ikinyangufu, kange akaviki umwooto ghuike mu iisi kuhuma kukyanya pavulongolo pa vaanhu,
Ary manao famantarana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy any an-danitra ho amin’ ny tany eo imason’ ny olona aza.
14 na kukivalilo akatavulivue kuvomba, akavasyangile vaala vano vikukala mu iisi, ikuvavula kuling'anisia ifihwani nu vwoghofi uvwa kikanhu kino kikalemasivue ni bamba, looli ikukala.
Ary mamitaka izay monina ambonin’ ny tany izy amin’ ny famantarana izay nomena ary hatao eo imason’ ny bibi-dia, sady milaza amin’ izay monina ambonin’ ny tany koa mba hanao sary ho an’ ny bibi-dia, izay voan’ ny sabatra, nefa velona ihany.
15 Alyatavulivue kuhumia umwuja ku kihwani ikya kikanu ulwakuuti ikihwani kikagule pijova na pikuvambusia vooni vanovakan'kanile kukufunya kukikanhu vabudue.
Ary navela hanisy aina ny sarin’ ny bibi-dia izy, mba hahateny ny sarin’ ny bibi-dia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan’ ny sarin’ ny bibi-dia.
16 Kange akumilisie kwa muunhu ghweni, juno asita luvumbulilo nhu nyangufu, umofu nu n'kotofu, umwavuke nun'kami, kukwipula ikivalilo muluvoko ulwa ndio nambe muvweni.
Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin’ ny tànany ankavanana na eo amin’ ny handriny avokoa,
17 Nambe nalulyanoghile kwa muunhu ghweni ku ghusia nambe kughula mwene juno alinikivalilo ikya ngano, iiji je nambe ilitavua lyake mwelighendela.
mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran’ ny bibi-dia, na ny isan’ ny anarany.
18 Iiji jilonda uvukola. Nave ghweni alinuvukagusi, muleke akagule kuvomba imbalilo ja namba ija kikanu. Ulwakuuva namba ja vumuunhu. Inamba jake ja filundo tanda nifijigho tanda na tanda.
Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan’ ny bibi-dia, fa fanisan’ olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany.

< Ulusetulilo 13 >