< Vagalatia 5 >
1 ulwakuva uKilisite alyatupelile uvwelu neke tuuve nu vwelu. lini mwime mu lukangafu kange namungakolwaghe kuva vavombi.
Ho amin’ ny fahafahana no nanafahan’ i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin’ ny zioga fanandevozana intsony.
2 lola une ne Paulo, nikuvavula kuuti ndeve mulikekua, uKilisite nailikuvwagha uvufumbue ku sila jojoni.
Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy.
3 kange, nikumwagha umughosi ghweni juno akekilue kuuti anoghiile kuvomba ku ndaghilo joni.
Ary lazaiko marina indray amin’ ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankatò ny lalàna rehetra izy.
4 vala vooni vano vivalilua ikyang'haani mu ndaghilo, muvikilue kutali nu Kilisite, mughwile kutali nu vumosi.
Dia tafasaraka amin’ i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin’ ny lalàna; efa lavo niala tamin’ ny fahasoavana ianareo.
5 lwakuva ku sila ja Mhepo ku lwitiko tughula ulukangasio lwa kyang'haani.
Fa izahay amin’ ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana ny fahamarinana.
6 kwa Kilisite Yesu kukekua nambe kisila kukekua kusila luvumbulilo lwolwoni lwe lwitiko lwene luno luvomba imbombo kukilila ulughano luno luleta uluvumbulilo.
Fa ao amin’ i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin’ ny fitiavana.
7 mukale mukimbila vunono, veeni juno akavasighile kuleka kukujitikila ilweli?
Hianareo nihazakazaka tsara, iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina?
8 uvusyangi vya kuvomba ndikio navuhuma kwa mwene juno alyavakemhelile umue.
Izany fitaomana izany dia tsy avy tamin’ ilay miantso anareo.
9 ikilule kidebe kinangania i nonge jooni.
Ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa.
10 nili nu luhuvilo numue mwa Mutwa kuuti namusagha ku sila ijinge jojoni, nu mwene juno ikuvasyanga ilihighua mwene.
Izaho matoky anareo ao amin’ ny Tompo fa tsy hisaina zavatra hafa akory ianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hiharan’ ny fanamelohana, na zovy na zovy izy.
11 vanyalukolo ndeve nighendelea kupulisia itohala, kiki nifipumhuka? mu ulio kila kino kye kisighi kya kikovekano kilinangisivua.
Fa izaho, ry rahalahy, raha mbola mitory ny famorana ihany, nahoana aho no mbola enjehina? Dia afaka tokoa ny fahatafintohinana noho ny hazo fijaliana.
12 lwe lunoghelua lwango kuuva vala vano vikuvalongosia fivi fikujisyanga vavuo.
Enga anie ka hiesotra aza izay mampitabataba anareo.
13 uNguluve avakemhelile umue vanyalukolo ku vwelu. neke namungatumilaghe uvweru vwinu hwene kyuma kya m'bili. pe pano ku lughano mutanganaghe jumue kwa jumue.
Fa efa nantsoina ho amin’ ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin’ ny fitiavana.
14 ulwakuva indaghilo joni jikamilike ku ndaghilo jimo; jope je “unoghile kukumughana juno ulipipi naghwo ndavule juve.
Fa tanteraka amin’ ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
15 neke ndeve mubudala na kulisana, mujilolelelaghe kuuti namungajinanganiaghe jumue kwa jumue.
Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana.
16 niti, mughendaghe mwa Mhepo, namulivomba isa mubili.
Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ ny nofo ianareo.
17 ulwakuva um'bili ghuli ni noghelua ing'ome kukila inumbula, ni numbula jili ni noghelua in'gome kukila um'bili. isi ssoni sipingana, amahumile ghake kwe kuuti namuvomba ifinu fino munoghelua kuvomba.
Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo.
18 neke ndeve uMhepo ikuvalongosia umue, namuli mundaghilo.
Fa raha tarihin’ ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin’ ny lalàna.
19 lino amaghendee gha mbili ghivoneka. ghope uvuvwafu, uvulamafu,
Fa miharihary ny asan’ ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,
20 ulufunyo lwa kihwanikisio, uvuhavi, uvulugu, ilibaatu, ni mbedo, kuva ni lyojo, kusindana, ing'aning'ano,
fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,
21 kiltule, vuhasi, vulia kyongo, ni singi sino sihwanine nisio. nikuvavunga umue ndavele nilyavavungule mu vutengulilo, kuuti voni vanovivomba isio navilikuvwagha uvutwa vwa Nguluve.
fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’ Andriamanitra.
22 neke ulughano lwa Mhepo lwe lughano. kuhovoka, ulutengano ulugudo,
Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,
23 uvukoola uvumuunu uvunofu, ulwitiko, uvukoola, nu vudebe, kusila ndaghilo mu ndavule isio.
fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.
24 vala vano va Kilisite Yesu vaghupumwisie um'bili palikimo ni noghelua saae imbivi.
Fa izay an’ Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ ny faniriany sy ny filany tamin’ ny hazo fijaliana.
25 ndeve tukukala kwa Mhepo, kange tughendaghe kwa Mhepo.
Raha velon’ ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.
26 natungavisaghe na kukughinia, natungahovesanaghe nambe kuvonelanila kitule.
Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.