< Waefeso 2 >

1 Ndavule mulivuo kuuti mufwile mu vuhosi ni nyivisinu.
Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin’ ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo,
2 Lukale mu agha kuuti ulwakwasia mukalutile kuling'ana nuvnsiki ughwa iisi iji. ukale muluta kuvingilila untemi ughwa vutavulilua ughwa vulanga. Iiji je mhepo jamwene jula juno ivomba imbombo mu vaana agagalusi. (aiōn g165)
izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban’ izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ ny zanaky ny tsi-fanarahana; (aiōn g165)
3 Usue tweni apuo pa vwasio tukale mun'kate mu aava vano na vitike. Tulyale tuluta ndavule uvu noghelelua uvuvivi vwa mavili ghitu. Tulyale tuvomba uvughane vwa m'bili na kukagula kulyusue. Tulyale va vutengulilo avaana ava lukwelo ndavule avange.
teo amin’ ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ ny filan’ ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin’ ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika.
4 Looli u Nguluve ghwe mwinga ghwa lusungu ulwakuva ulughano lwa mwene lukome luno atughanile usue.
Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin’ ny famindram-po, noho ny halehiben’ ny fitiavany izay nitiavany antsika,
5 Unsiki ghuno tukale vafue nu vuhosi vwitu, alyatuletile palikimo mu vukalo uvupia mun'kate mwa Kilisite. Kulusungu kwekuuti mupokilue.
na dia fony mbola matin’ ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin’ i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);
6 U Nguluve alya tusyusisie palikimo na pikutuviika kukukala palikimo pala pavulanga mun'kate mwa Kilisite Yesu.
ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin’ i Kristy Jesosy,
7 Alyavombile n'diiki kuuti munsiki ghuno ghukwisaanoghile kukutusona uvumofu uvukome uvwa lusungu lwa mwene. Ikutusona usue iili kusilanija vuhugu vwa mwene mun'kate mwa Kilisite Yesu. (aiōn g165)
mba hasehony amin’ ny andro ho avy ny haben’ ny haren’ ny fahasoavany amin’ ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin’ i Kristy Jesosy. (aiōn g165)
8 Mulusungu mupokilue musila ija lwitiko. Ulu naluhumile kulyumue. Luvonolo lwa Nguluve.
Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’ Andriamanitra;
9 Najihumilanila ni mbombo. Ku isio nakwangavisaghe nambe jumo ughwa kughinia.
tsy avy amin’ ny asa, fandrao hisy hirehareha.
10 Ulwakuva usue tuli mbombo ja Nguluve, tupelilue mwa Kilisite Yesu kuvomba imbombo inono. Nimbombo iisi sino u Nguluve alya tuvikile kuhumila pa vukulu vwimila usue, ulwakuuti tughendelelaghe mu isio.
Fa asany isika, voaforona tao amin’ i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’ Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.
11 Pauluo mukumbukaghe kuuti pa mwande paala mulyale vaanhu va paanji mu lwa m'biili. Mutambulua “Mwevasila kudumulua” ku kila kino kitambulua vu dumulua vwa m'biili vuno vuvombua na mavoko gha vaanhu.
Koa tsarovy fa fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain’ ny voaforan-tanana teo amin’ ny nofo hoe tsy voafora ―
12 Kunsiki ughuo mulyabaghulue nu Kilisite. Mulyale va hesia muvaanhu va Israeli. Mulyale va hesia mulufingo lwa kufingana. Mulyale vasila vwa kyang'haani kunsiki ghuno ghukwisa. Mulyale vasila Nguluve mu iisi.
eny, tsarovy fa tamin’ izany andro izany dia tsy nanana an’ i Kristy ianareo, fa olon-ko azy tamin’ ny fanjakan’ ny Isiraely ary vahiny tamin’ ireo faneken’ ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’ Andriamanitra teo amin’ izao tontolo izao;
13 Looli lino mwa Kilisite u Yesu umue mwevano pakali apuo mulyale patali nu Nguluve muletilua pipi nhu Nguluve mu danda ja Kilisite.
fa ankehitriny kosa, ao amin’ i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken’ ny ran’ i Kristy.
14 Ulwakuuva umwene ghwe lutengano lwitu. Alya vombile vavili kuva jumo. Vwimila um'bili ghwa mwene alyananginie uluvumba lwa vugalung'ani vuno vulya tughavinie, uvulugu uvuo.
Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana,
15 Kuuti alyimisie indaghilo sa lulaghilo nuvutavike ulwakuuti apeele umuunhu jumo umpia mun'kate mwa mweene. Akaviika ulutengano.
fa tao amin’ ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin’ ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana,
16 Alyavombile vulevule ulwakuuti aghasambanie amapugha ghavili agha vaanhu kuuva m'bili ghumo kwa Nguluve kukilila ku kikovekano. Ku siila ja kikovekano alya budile uvulugu.
ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin’ Andriamanitra noho ny hazo fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana.
17 U Yesu alisile na kupulisia ulutengano kulyumue umue mwevano mulyakutali nulutengano kuvaala vano valya pipi.
Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana taminareo izay lavitra ary fihavanana tamin’ izay akaiky koa.
18 Ulwakuva ku sila ija Yesu usue tweeni vaviili tuli nuvwelefu kwa Mhepo jula jumo kukwingila kwa Nhaata.
Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin’ ny Fanahy iray ho any amin’ ny Ray.
19 Pa uluo, umue mwe vaanhu mwe vapanji namulimulughendo na kuuva vahesia kange. Looli muli vanakaja palikimo navala avabaghulua vwimila u Nguluve na kuuva valetamola munyumba ja Nguluve.
Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ ny olona masìna sady ankohonan’ Andriamanitra,
20 Mujengilue mulwalo lwa vasung'ua nava viili. Ukilisite yesu jujuoalyale ghwe livue ilivaha ilya pa nguuto.
natsangana teo ambonin’ ny fanorenan’ ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra;
21 Vwimila umue lijengo lyooni lilunganisivue palikimo na kukula heene nyumba ja kufunyila ija Mutwa.
ao aminy no irafetan’ ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masìna ao amin’ ny Tompo.
22 Mwe mun'kate mwa mwene umue najumue mujengua palikimo heene pe pala apakukala apa Nguluve mwa Mhepo.
Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan’ Andriamanitra amin’ ny Fanahy.

< Waefeso 2 >