< Timoti 3 >

1 ilisio ili lya kyang'ani, “umunhu juno ilonda imbombo ijakuva muloleleli ghwa kipugha kya vitiki, ujuo asalwile imbombo inofu.”
Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan’ ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy.
2 kwekuti umuloleleli ghwa kipugha kya vitiki, avisaghe munhu juno naipikua, juno nam'bwafu,”unya kukughela kange unya kukulolelela, umunhu ghwa vutavike, ntengeleli, juno akimanyile kuvulanisia
Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra,
3 aleke kuuva mughasi, aleke kuuva nyamabatu, avisaghe muhuugu. kange nangavisaghe muhojofu ghwa ndalama.
tsy mpimamo lian’ ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola,
4 avisaghe muunhu unyakwimila vunofu inyumba jaake, juno akimanyile kuvunga avaana muluveelo ulunofu, kange voope vikumpulika.
manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin’ ny fahamaotinana tsara
5 kwekuuti umunhu junoikunua kukwimilila unyumba jaake jujuo, ndepoonu ikwimilila ndaani ikipugha kya vitiki?
(fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny fiangonan’ Andriamanitra?),
6 kange nangavisaghe muunhu juno nanga asyetukagha, ulwakuva kyaikughinia. ulughinio uluo lukumpelela kukwingila muvuhighi ndavule alyahighilue uSetano.
tsy izay zazavao amin’ ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin’ ny fahamelohan’ ny devoly.
7 looli, avisaghe muunu juno ikwolekua vunofu nambe na vapanji, kuuti aleke kupikua na ghwilila mulutegho lwa Setano.
Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin’ izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin’ ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.
8 navatangili vavisaghe vagholofu vano navasyetung'ani, navaghaasi, valekaghe kuuva vahojofu va ndalama.
Ny diakona koa toy izany ihany, ho maotona, tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto,
9 looli vavisaghe vaanhu vano vigadilila uvwakyang'ani vwa lwitiko lwinu nu mwojo um'balafu.
mitandrina tsara ny zava-miafina ny amin’ ny finoana amin’ ny fieritreretana madio.
10 voope ava vaghelwaghe taasi, neke vangavoneke kuuti vanoghiile, vavombaaghe imbombo ijio.
Ary aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan’ ny diakona izy, raha tsy manan-tsiny.
11 navadala vaave vavisaghe nuluveelo lunofu, vano navadesi, vano vikughela, kange vavombi vanofu musooni.
Ny vehivavy koa ho toy izany ihany: maotona, tsy mpanendrikendrika, mahonon-tena, mahatoky amin’ ny zavatra rehetra.
12 avtangili valekaghe kuuva vavwafu, ulwene vavisaghe vaanhu vano vikwimila vunofu avaana vaake nasi nyumba saave.
Aoka ny diakona samy hanam-bady tokana sady hanapaka tsara ny zanany sy ny ankohonany.
13 vano vivomba vunofu imbombo ija vutangili, viiva voghopua. apuo viiva ni ngufu kupulikisia imhola ija lwitiko lwitu mwa Yeesu Kilisite.
Fa izay efa mahavatra tsara ny asan’ ny diakona dia mahazo toerana tsara ho an’ ny tenany sy fahasahiana be amin’ ny finoana izay ao amin’ i Kristy Jesosy.
14 nikuvalembela amasio agha, kumo nihuvila kukwisa kulyumue munsiki n'debe ghuno ghukwisa.
Izany zavatra izany dia soratako aminao, na dia manantena hankatỳ aminao faingana aza aho;
15 neke nambe nidiile, ukagulaghe sino sinoghiile kuvomba munyumba ja Nguluve, jino kye kipugha kya vitiki va Nguluve juno mwumi, mbanda, kange lwako lwa kyang'ani.
fa raha tratra ela aho, dia ny hahafantaranao izay fitondran-tena mety hatao ao an-tranon’ Andriamanitra, dia ny fiangonan’ Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan’ ny fahamarinana.
16 kyang'ani, sino uNguluve atuhufisie m'baha, soope se isi. uNguluve akivonesia mulwa m'bili, akalekua nu Mhepo kuuva mugholofu, akavoneka, akapulisivua mufisina fyoni, avaanhu ava muiisi vakamwitika, akatolua kuluta kukyanya muvuvaha.
Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin’ ny nofo, nohamarinina tao amin’ ny Fanahy; hitan’ ny anjely, notorina tany amin’ ny jentilisa, ninoana teny amin’ izao tontolo izao, nakarina tamin’ ny voninahitra.

< Timoti 3 >