< ئەزاكىيال 47 >
[ھېلىقى كىشى] مېنى ئۆينىڭ دەرۋازىسىغا قايتا ئاپاردى. مانا، ئىبادەتخانىنىڭ بوسۇغىسىدىن سۇلار شەرققە قاراپ ئېقىپ چىقىۋاتاتتى؛ چۈنكى ئۆينىڭ ئالدى شەرققە قارايتتى. سۇلار ئۆينىڭ ئاستىدىن، ئوڭ تەرىپىدىن، قۇربانگاھنىڭ جەنۇبىي تەرىپىدىن ئېقىپ چۈشەتتى. | 1 |
Dia nentiny niverina ho eo amin’ ny varavaran’ ny trano aho; ary, indro, nisy rano niboika avy eo atsinanana eo ambanin’ ny tokonan’ ny trano; fa manatrika ny atsinanana ny trano, ary ny rano nidina avy teo ambanin’ ny lafiny ankavanan’ ny trano teo atsimon’ ny alitara.
ئۇ مېنى شىمالغا قارايدىغان دەرۋازىسىدىن چىقاردى؛ ئۇ مېنى ئايلاندۇرۇپ شەرققە قارايدىغان دەرۋازىنىڭ سىرتىغا ئاپاردى؛ مانا، سۇلار ئوڭ تەرىپىدىن ئېقىپ تۇراتتى. | 2 |
Dia nentiny nivoaka tamin’ ny lalana mankamin’ ny vavahady avaratra aho ka nampandehaniny manodidina tamin’ ny lalana ivelany, hankany amin’ ny vavahady ivelany, dia teo amin’ ny lalana manatrika ny atsinanana, ary, indro, nisy rano nipoitra avy teo amin’ ny ilany ankavanana.
ھېلىقى كىشى قولىدا ئۆلچىگۈچ تانىنى تۇتۇپ، شەرققە قاراپ ماڭدى؛ ئۇ مىڭ گەز ئۆلچىدى، ئاندىن مېنى سۇلاردىن ئۆتكۈزدى؛ سۇلار ئادەمنىڭ ئوشۇقىغا چىقاتتى. | 3 |
Ary nony nandeha niantsinanana ralehilahy, nisy famolaina teny an-tànany, ka nandrefy arivo hakiho izy, dia nampitainy ny rano aho, ka hakitrokely ny rano.
ئۇ يەنە مىڭ گەز ئۆلچىدى؛ ئاندىن مېنى سۇلاردىن ئۆتكۈزدى؛ سۇلار ئادەمنىڭ تىزلىرىغا يەتتى. ئۇ يەنە مىڭ گەز ئۆلچىدى؛ ئاندىن مېنى سۇلاردىن ئۆتكۈزدى؛ سۇلار ئادەمنىڭ بېلىگە چىقاتتى. | 4 |
Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy ny rano aho, ka halohalika ny rano. Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy aho, ka havalahana ny rano.
ئۇ يەنە مىڭ گەز ئۆلچىدى؛ ئۇ مەن ئۆتەلمەيدىغان دەريا بولۇپ چىقتى؛ چۈنكى سۇلار ئۆرلەپ كەتتى؛ ئۇنىڭدا سۇ ئۈزگىلى بولاتتى، ئۇ ئۆتكىلى بولمايدىغان دەريا بولۇپ چىقتى. | 5 |
Ary nandrefy arivo hakiho indray koa izy, ary efa ony tsy azo itana, fa efa nihalalina ny rano, dia rano holanosina, eny, ony tsy azo itana.
ئۇ مەندىن: «ئىنسان ئوغلى، بۇنى كۆرگەنسەن؟» دەپ سورىدى؛ ئاندىن مېنى دەريانىڭ قىرغىقىغا قايتۇرۇپ ئاپاردى. | 6 |
Dia hoy izy tamiko: Ry zanak’ olona, efa hitanao va izany? Dia nitondra ahy niverina ho eny amoron’ ny ony izy.
قىرغاققا قايتتىم، مانا، دەريانىڭ قىرغىقىدا، ئۇ ۋە بۇ قېتىدا، ئىنتايىن كۆپ دەرەخلەر بار ئىدى. | 7 |
Ary nony niverina aho, indro, nisy hazo betsaka teny amoron’ ny ony, dia teny an-daniny roa.
ئۇ ماڭا مۇنداق دېدى: «بۇ سۇلار يۇرتنىڭ شەرقىگە چىقىدۇ؛ شۇ يەردىن ئۇلار ئاراباھ تۈزلەڭلىكىگە چۈشۈپ، ئاندىن دېڭىزغا كىرىدۇ. ئۇلار دېڭىزغا ئېقىپ كىرىشى بىلەن، دېڭىز سۇلىرى ساقايتىلىدۇ. | 8 |
Dia hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mivoaka hankany amin’ ny tany atsinanana, dia midìna any amin’ ny tani-hay ka miditra eo amin’ ny ranomasina; ary rehefa tonga eo an-dranomasina izy, dia sitrana ny rano.
ۋە شۇنداق بولىدۇكى، بۇ «جۈپ دەريا» قايسى يەرگە ئېقىپ كەلسە، شۇ يەردىكى بارلىق سۇ ئۈزىدىغان جانىۋارلار ياشايدۇ؛ دېڭىزدا نۇرغۇن بېلىقلار بولىدۇ؛ چۈنكى سۇلار شۇ يەرگە ئېقىپ كېلىدۇ، ۋە دېڭىز سۇلىرى ساقايتىلىدۇ؛ دەريا نەگە ئاقسا، شۇ يەرنىڭ ھەممىسى ھاياتقا ئىگە بولىدۇ. | 9 |
Ary ny zava-manan’ aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan’ ny ony tondraka dia ho velona, ka hisy hazandrano sesehena; fa nony tonga ao ity rano ity, dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran’ ny ony.
ۋە شۇنداق بولىدۇكى، بېلىقچىلار دېڭىز بويىدا تۇرىدۇ؛ ئەن-گەدىدىن ئەن-ئەگلائىمگىچە ئۇلارنىڭ تورلىرى يېيىلىدىغان جايلىرى بولىدۇ؛ دېڭىز بېلىقلىرىنىڭ «ئوتتۇرا دېڭىز»دىكىدەك بەك كۆپ سورتلىرى بولىدۇ؛ | 10 |
Ary hisy mpaka hazandrano hitsangana eny amorony hatrany En-jedy ka hatrany En-eglaima; ho famelarana harato izany; ary ny hazandranony ho maro karazana, tahaka ny hazandrano betsaka dia betsaka any amin’ ny Ranomasina Lehibe.
بىراق ئۇنىڭ زەي-سازلىقلىرى ساقايتىلمايدۇ؛ ئۇلار شورلۇق بولۇشقا تاپشۇرۇلىدۇ. | 11 |
Fa ny honahona sy ny heniheny dia tsy hositranina, fa havela ho sira.
دەريا بويىدا، ئۇ ۋە بۇ قېتىدا، ئوزۇق بولىدىغان ھەرخىل دەرەخلەر ئۆسىدۇ. ئۇلارنىڭ يوپۇرماقلىرى سولاشمايدۇ، ئۇلار مېۋىسىز قالمايدۇ؛ ئۇلار ھەر ئايدا يېڭىدىن مېۋىلەيدۇ؛ چۈنكى ئۇنى سۇغىرىدىغان سۇلار مۇقەددەس جايدىن چىقىدۇ؛ ئۇلارنىڭ مېۋىسى ئوزۇق، ئۇلارنىڭ يوپۇرماقلىرى دورا-دەرمانلار بولىدۇ. | 12 |
Ary eny amoron’ ny ony, eny an-daniny roa, no anirian’ ny hazo rehetra fihinam-boa; tsy halazo ny raviny, na ho lany ny voany; fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria mivoaka avy ao amin’ ny fitoerana masìna ny ranony; ary ho fihinana ny voany, ary ho fanafody ny raviny.
رەب پەرۋەردىگار مۇنداق دەيدۇ: ــ تۆۋەندە ئىسرائىلنىڭ ئون ئىككى قەبىلىسىگە زېمىن مىراس سۈپىتىدە بۆلۈنۈپ تەقسىم قىلىنىپ چېگرالار ئايرىلىدۇ؛ يۈسۈپنىڭ قەبىلىسىگە ئىككى ئۈلۈش بۆلۈنىدۇ. | 13 |
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Izao no faritry ny tany hozarainareo ho lova araka ny firenen’ Isiraely roa ambin’ ny folo; anjaran-droa no ho an’ i Josefa.
مەن قولۇمنى كۆتۈرۈپ ئاتا-بوۋىلىرىڭلارغا قەسەم ئىچكەندەك، سىلەر بىر-بىرىڭلارغا باراۋەرلىك بىلەن زېمىننى مىراس بولۇشقا بۆلىسىلەر؛ ئۇ سىلەرگە مىراس بولىدۇ. | 14 |
Ary samy handova avokoa ianareo rehetra, satria efa nanangan-tanana hanome ity ho an’ ny razanareo Aho, ka dia ho azonareo ho lova ity tany ity.
زېمىننىڭ [تۆت] تەرىپىنىڭ چېگراسى مۇنداق: شىمالىي تەرىپى، «ئوتتۇرا دېڭىز»دىن باشلىنىپ خەتلوننىڭ يولىنى بويلاپ، زەداد شەھىرىنىڭ كىرىش ئېغىزىغىچە بولىدۇ؛ | 15 |
Ary izao no faritry ny tany: Ny lafiny avaratra dia hatramin’ ny Ranomasina Lehibe amin’ ny lalana mankany Hetlona ka hatrany akaikin’ i zedada,
ئۇ خامات، بېروتاھ، سىبرائىم (دەمەشق بىلەن خاماتنىڭ چېگرىسىنىڭ ئوتتۇرىسىدا)، ھاۋراننىڭ چېگرىسىدا بولغان خازار-ھاتتىكون شەھەرلىرىنى ئۆز ئىچىگە ئالىدۇ؛ | 16 |
dia Hamata, Berota, Sibraima, izay eo anelanelan’ ny faritanin’ i Damaskosy sy ny fari-tanin’ i Hamata, Hazara afovoany, izay eo an-tsisin’ i Haorana.
شۇنىڭدەك «ئوتتۇرا دېڭىز»دىن باشلانغان چېگرا ھازار-ئېنانغىچە سوزۇلىدۇ؛ ئۇ دەمەشقنىڭ چېگرىسىنى بويلاپ، خاماتنىڭ شىمالىي رايونىنىڭ چېگراسىغا تۇتىشىدۇ؛ بۇ بولسا شىمالىي تەرىپى بولىدۇ. | 17 |
Ary ny fari-taniny dia hatramin’ ny ranomasina, dia Hazar-enana, fari-tanin’ i Damaskosy, ary amin’ ny avaratra dia Hamata no fari-taniny. Izany no lafiny avaratra.
شەرق تەرىپىنىڭ چېگرىسى، ھاۋران بىلەن دەمەشقنىڭ ئوتتۇرىسىدىن باشلىنىپ، گىلېئاد ۋە ئىسرائىل زېمىنىنى بۆلۈپ تۇرىدىغان ئىئوردان دەرياسى بولىدۇ. سىلەر بۇنىڭدىن «ئۆلۈك دېڭىز»غىچە مىراسلارنى بۆلۈپ ئۆلچەيسىلەر. بۇ بولسا شەرق تەرىپى بولىدۇ. | 18 |
Ary ny lafiny atsinanana hatrany anelanelan’ i Haorana sy Damaskosy sy Gileada ary ny tanin’ ny Isiraely dia Jordana; hatramin’ ny fari-tany ka hatreo amoron’ ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana.
جەنۇبىي تەرىپى بولسا، تامار شەھىرىدىن مېرىباھ-قەدەش دەرياسىنىڭ ئېقىنلىرىغىچە، ئاندىن مىسىر ۋادىسىدىن «ئوتتۇرا دېڭىز»غىچە سوزۇلىدۇ. بۇ جەنۇبىي چېگرا بولىدۇ. | 19 |
Ary ny lafiny atsimo dia hatrany Tamara dia hatramin’ ny ranon’ i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin’ ny Ranomasina Lehibe. Izany no lafiny atsimo.
غەربىي تەرىپى بولسا «ئوتتۇرا دېڭىز»نىڭ ئۆزى، خامات رايونىغا كىرىش ئېغىزىغىچە بولىدۇ؛ بۇ غەربىي چېگرىسى بولىدۇ. | 20 |
Ny lafiny andrefana koa dia ny Ranomasina Lehibe hatramin’ ny faritany ka hatrany akaikin’ i Hamata. Izany no lafiny andrefana.
سىلەر بۇ زېمىننى ئىسرائىلنىڭ قەبىلىسى بويىچە ئۆز-ئاراڭلاردا ئۈلۈشۈشۈڭلار كېرەك. | 21 |
Hozarainareo ho anareo izany tany izany araka ny firenen’ Isiraely.
شۇنداق بولۇش كېرەككى، سىلەر ئۆز-ئاراڭلار ۋە ئاراڭلاردا ئولتۇراقلاشقان، ئاراڭلاردا بالىلىق بولغان مۇساپىرلارغا ئۇنى مىراس بولۇشقا چەك تاشلاپ بۆلىسىلەر؛ ئۇلار سىلەرگە نىسبەتەن ۋەتىنىدە تۇغۇلغان ئىسرائىللارغا ئوخشاش بولۇشى كېرەك. ئۇلار سىلەر بىلەن تەڭ چەك تاشلاپ ئىسرائىل قەبىلىلىرى ئارىسىدىن مىراس ئالسۇن. | 22 |
Ary amin’ ny filokana no hizaranareo azy ho lovanareo sy ny vahiny monina ao aminareo, izay miteraka ao aminareo; ka izy dia hataonareo ho tahaka ny tena zanak’ Isiraely; hiara-manao filokana aminareo hiara-mandova amin’ ny firenen’ Isiraely izy.
مۇساپىر قايسى قەبىلە ئارىسىدا ئولتۇراقلاشقان بولسا، سىلەر شۇ يەردىن ئۇنىڭغا مىراس تەقسىم قىلىسىلەر، دەيدۇ رەب پەرۋەردىگار. | 23 |
Ary amin’ izay firenena hitoeran’ ny vahiny dia ao no hanomezanareo azy ny lovany, hoy Jehovah Tompo.