< Псалми 140 >

1 Для дириґента хору. Псалом Давидів. Ви́зволь мене від люди́ни лихо́ї, о Господи, бережи мене від наси́льника,
Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Jehovah ô, vonjeo amin’ ny olon-dratsy aho, Ary arovy amin’ ny olon-dozabe,
2 що в серці своїм замишляють злі речі, що ві́йни щодня виклика́ють!
Izay mihevitra ratsy ao am-pony Ka manangana ady isan’ andro
3 Вони го́стрять свого язика́, як той вуж, отру́та гадю́ча під їхніми у́стами! (Се́ла)
Mandranitra ny lelany tahaka ny bibilava izy, Ny poizin’ ny menarana no ao ambanin’ ny molony. (Sela)
4 Пильнуй мене, Господи, від рук нечести́вого, бережи мене від наси́льника, що заду́мали сто́пи мої захита́ти»
Jehovah ô, vonjeo amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy aho, Ary arovy amin’ ny olon-dozabe, Izay efa nihevitra handronjina ahy ho potraka.
5 Чванли́ві сховали на мене тене́та та шну́ри, розтягли́ свою сі́тку при сте́жці, сільця́ розмістили на ме́не! (Се́ла)
Ny mpiavonavona efa nanafina fandrika sy kofehy hamandrihany ahy; Efa namela-pandrika harato teo amoron-dalana izy; Nametraka tadivavarana hahazoany ahy izy.
6 Я сказав Господе́ві: „Ти Бог мій, — почуй же, о Господи, голос блага́ння мого!“
Hoy izaho tamin’ i Jehovah Andriamanitro Hianao; Henoy ny feon’ ny fifonako, Jehovah ô!
7 Господи, Владико мій, сило мого спасі́ння, що в день бо́ю покрив мою го́лову, —
Jehovah, Tompo ô, ry Herin’ ny famonjena ahy, Manarona ny lohako amin’ ny andro fiadiana Hianao.
8 не виконай, Господи, бажань безбожного, не здійсни́ його за́думу! (Се́ла)
Jehovah ô, aza manome ny irin’ ny ratsy fanahy; Ary aza avela ho tanteraka ny hevi-dratsiny, fandrao hisandratra izy. (Sela)
9 Бода́й голови́ не підне́сли всі ті, хто мене оточи́в, бодай зло їхніх уст їх покрило!
Ny lohan’ izay manemitra ahy Dia aoka hosaronan’ ny ratsy tononin’ ny molony.
10 Хай при́сок на них упаде́, нехай кине Він їх до огню́, до прова́лля, щоб не встали вони!
Aoka hisy vain’ afo halatsaka aminy; Aoka hariana any anaty afo izy, na any amin’ ny rano lalina, ka tsy hiarina intsony.
11 Злоязи́чна люди́на — щоб міцно́ю вона не була́ на землі, люди́на насильства — бодай лихо спійма́ло її, щоб попхну́ти на поги́біль!
Tsy hampitoerina amin’ ny tany ny olo-mahay vava; Henjehin-doza ny olon-dozabe ka ho lavo.
12 Я знаю, що зробить Господь правосу́ддя убогому, при́суд правдивий для бідних, —
Fantatro fa Jehovah no handahatra ny tenin’ ny mahantra Sady hanome rariny ho an’ ny malahelo.
13 тільки праведні дя́кувати будуть Іме́нню Твоєму, невинні сидітимуть перед обличчям Твоїм!
Eny tokoa, ny marina hisaotra ny anaranao; Hitoetra eo anatrehanao ny mahitsy.

< Псалми 140 >