< Авакум 2 >

1 Нехай я стою́ на сторо́жі своїй, і нехай на обло́зі я стану, і хай вигляда́ю, щоб бачити, що він буде казати мені, і що́ відповість на жало́бу мою.
Hitsangana eo ambonin’ ny fitazanako aho Ary hijoro eo ambonin’ ny manda, Hiandry hahitako izay holazainy amiko Sy izay havaliko amin’ ny fitarainako.
2 А Госпо́дь відповів та й сказав: Напиши це виді́ння і поясни́ на табли́цях, щоб чита́ч його ле́гко читав.
Dia namaly ahy Jehovah ka nanao hoe: Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin’ ny fàfana, Mba ho azon’ ny mihazakazaka hovakina aza.
3 Бо ще на умо́влений час це виді́ння, і приспішає кінець, і не обма́не. Якщо б протягну́лось, чекай ти його, бо воно конче при́йде, не спі́зниться.
Fa ny fahitana dia mbola ho amin’ ny fotoan’ andro, Ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; Eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, Fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona.
4 Ось надута, не про́ста душа його в ньому, а праведний житиме вірою своєю.
Indro, feno avonavona ny fanahin’ ireny, fa tsy mahitsy ao anatiny, Fa ny marina ho velon’ ny finoany.
5 І що ж, — як зрадли́ве вино, так го́рда люди́на споко́ю не знає: він роззя́влює па́щу свою, як шео́л, і не наси́чується, як та смерть, і всіх людей він до се́бе збирає, і всі наро́ди до себе згрома́джує. (Sheol h7585)
Ary koa, mamitaka ny divay; Ny olona miavonavona tsy mba mahatoetra, Dia ilay mitanatana vava tahaka ny fiainan-tsi-hita, Eny, toy ny fahafatesana, ka tsy mety voky, Fa manangona ny firenena rehetra ho ao aminy Sy mamory ny olona rehetra ho ao aminy. (Sheol h7585)
6 Чи ж усі вони не складуть припові́стки на нього та зага́дки насмі́шливої йому не прока́жуть: „Горе тому́, хто для себе розмно́жує те, що не його́! Аж до́ки це бу́де? Горе тому́, хто чинить тяжко́ю заставу на се́бе!“
Tsy hanao oha-teny hamelezana azy va ireto rehetra ireto? Tsy hanao eson-teny sy fitenenana hanoherana azy va izy ka hanao hoe: Lozan’ izay mahery mandroaka ny tsy azy! Mandra-pahoviana! dia ilay mivesatra ny zavatra nalaina ho tsatòka
7 Хіба на́гло не встануть оті, хто тебе́ буде гри́зти, і збу́дяться ті, хто тебе́ попиха́є, і за здо́бич ти станеш для них?
Tsy hitsangana tampoka va izay hanaikitra anao, Ary tsy hifoha va izay hanaitaitra anao, Ka ho babony ianao?
8 За те, що ти грабува́в був багато наро́дів, вся ре́шта наро́дів тебе пограбу́є за ту людську кров, і за наси́льство над краєм, над містом та над усіма́, хто ме́шкає в ньому.
Fa efa namabo firenena maro ianao, Ka dia mba hobaboin’ ny sisa rehetra amin’ ny firenena kosa, Noho ny ran’ ny olona sy ny fandozana natao tamin’ ny tany, Dia tamin’ ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.
9 Горе тому́, хто неправедний зиск побирає для дому свого́, щоб покласти гніздо́ своє на висоті́, і тим із рук злого врято́ваним бути!
Lozan’ izay fatra-pila harena amin’ ny tsy marina ho an’ ny taranany, Hanaovany ny akaniny any amin’ ny avo, Mba tsy ho tratry ny tanan’ ny loza
10 Нара́див ти сором для дому свого́, щоб кінець учинити числе́нним наро́дам, і ти прогріши́вся за душу свою́.
Efa namoron-tsaina izay hahatonga henatra ho an’ ny taranakao ianao, Dia ny handringanana firenena maro; Ary nankahà-doza hihatra amin’ ny ainao ianao.
11 Бо камінь з стіни буде кли́кати, і йому́ відповість сволок із де́рева.
Fa hitaraina ny vato ao amin’ ny rindrina, Ary ny sakamandimby ao amin’ ny trano no hamaly azy.
12 Горе тому́, хто кров'ю місто будує, хто беззако́нням встановлює го́род!
Lozan’ izay manao vohitra amin’ ny fandatsahan-drà Sy manorina tanàna amin’ ny heloka!
13 Чи ж оце не від Господа Саваота, що народи тру́дяться для огню́, і му́чаться люди на ма́рність?
Indro, tsy avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, va no hiasan’ ny olona ho an’ ny afo, Sy hisasaran’ ny firenena noho ny zava-poana?
14 Бо пізна́нням Господньої слави напо́внена буде земля, як море вода покрива́є.
Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr’ i Jehovah, Toy ny fanaron’ ny rano ny fanambanin’ ny ranomasina.
15 Горе тому, хто́ свого бли́жнього напо́ює з ке́ліху гніву свого́, і по́їть, щоб ба́чити со́ром його́!
Lozan’ izay mampisotro divay ny namany Dia ianao izay manampy fahatezerana ka mampahamano azy, Mba hijery ny fitanjahany;
16 ти наси́тишся га́ньбою більше, як славою. Пий також ти, та показуй свій сором! На тебе обе́рнеться ке́ліх прави́ці Господньої, га́ньба ж на славу твою!
Efa feno henatra ianao, fa tsy voninahitra; Mba sotroy koa, ka mitanjaha; Hatolotra anao ny kapoaka eny an-tanana ankavanan’ i Jehovah, Ary fahamenarana no ho amin’ ny voninahitrao.
17 Бо наси́лля твоє над Ліва́ном на тебе спаде́, а грабу́нок худоби зламає тебе за кров лю́дську, та за насилля над кра́єм, над містом та над усіма́, хто ме́шкає в ньому.
Fa hanody anao ny loza natao tamin’ i Libanona Sy ny fandringanana mahatahotra namelezana ny biby, Noho ny ran’ ny olona sy ny loza natao tamin’ ny tany, Dia tamin’ ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.
18 Яки́й дасть пожи́ток бовва́н, що його ви́різьбив творець його́, і ві́длив, і вчитель неправди, що творець його мав охоту чинити богів цих німих?
Mahasoa inona ny sarin-javatra voasokitra, No misokitra azy ny mpanao azy? Na ny sarin-javatra an-idina sy ny mpampianatra lainga, No matoky azy izay namorona azy Tamin’ ny nanaovany sampy moana?
19 Горе тому́, хто дереву каже: „Збуди́сь“, мовчазли́вому каменю: „Зру́шся!“Чи він буде навчати? Ось він срі́блом та золотом ви́кладений, але жо́дного духу в ньому нема!
Lozan’ izay manao amin’ ny hazo hoe: Mifohaza! Ary amin’ ny vato moana hoe: Mitsangàna! Hampianatra va ireo? He! voapetaka takela-bolamena sy volafotsy ihany izy, Nefa tsy misy fanahy akory ao anatiny.
20 А Господь у Своїм храмі святім, — мовчи перед обличчям Його, уся зе́мле!“
Jehovah dia ao amin’ ny tempoliny masìna; Mangìna eo anatrehany, ry tany rehetra!

< Авакум 2 >