< Єзекіїль 38 >

1 І було́ мені слово Господнє таке:
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2 „Сину лю́дський, зверни́ своє обличчя до Ґоґа, кра́ю Маґоґа, кня́зя Ро́шу, Мешеху та Тувалу, і пророкуй на нього
Ry zanak’ olona, manandrifia an’ i Goga avy any amin’ ny tany Magoga, izay mpanjakan’ i Rosy sy Meseka ary Tobala, ary maminania ny hamelezana azy,
3 та й скажеш: Так сказав Господь: Ось Я проти тебе, Ґоґу, кня́же Рошу, Мешеху та Тувалу!
ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan’ i Rosy sy Meseka ary Tobala.
4 І заверну́ тебе, і вкладу́ гачки́ в ще́лепи твої, і ви́веду тебе та все ві́йсько твоє, ко́ней та верхівці́в, усі вони досконало озбро́єні, велике збо́рище, зо щита́ми та щитка́ми, усі озброєні меча́ми.
Ary hitarika anao Aho ka hanisy masom-by ny valanoranonao, ary ho entiko mivoaka ianao sy ny tafikao rehetra, dia ny soavaly sy ny mpitaingin-tsoavaly, samy mitafy marevaka izy rehetra, dia olona maro be mitondra ampinga lehibe sy ampinga kely, ary samy mitan-tsabatra;
5 Парас, Куш і Пут із ними, усі вони зо щито́м та з шо́ломом.
miaraka aminy ny Persiana sy ny Etiopiana ary ny Libyana, samy mitondra ampinga lehibe sy fiarovan-doha avokoa,
6 Ґомер і всі о́рди його, дім Тоґарми, кі́нці північні та всі відділи його, числе́нні наро́ди з тобою.
Gomera koa mbamin’ ny miaramilany rehetra, ny taranak’ i Togarma avy any amin’ ny farany avaratra mbamin’ ny miaramilany rehetra, dia firenena maro izay miaraka aminao.
7 Приготу́йся, і приготу́й собі ти та все збо́рище твоє, зі́брані при тобі, і бу́деш для них сторо́жею.
Miomana, ka mitaova tsara ianao, eny, ianao sy ireo momba anao izay efa mivory ao aminao, ary aoka ianao no ho mpitarika azy.
8 По багатьох днях ти бу́деш потрі́бний, у кінці ро́ків при́йдеш до Кра́ю, що пове́рнений від меча, що зі́браний від числе́нних наро́дів, на Ізраїлеві го́ри, що за́вжди були руїною, а він був ви́ведений від наро́дів, і всі вони сидять безпечно.
Rehefa afaka andro maro, dia hotadiavina ianao, raha mby any am-parany, dia ho tonga any amin’ ny tany izay novonjena ka afaka tamin’ ny sabatra ianao, dia tany novorina avy tany amin’ ny firenena maro, any an-tendrombohitry ny Isirady, izay efa lao hatry ny ela; fa efa navoaka avy tany amin’ ny firenena izy, ka dia mandry fahizay izy rehetra.
9 І ви́йдеш, при́йдеш як буря, будеш як хмара, щоб покрити землю, ти та всі відділи твої, та числе́нні наро́ди з тобою.
Eny, hiakatra ianao, ary ho tahaka ny fihavin’ ny rivo-doza no hihavianao, ka ho tahaka ny rahona hanarona ny tany dia ianao sy ny miaramilanao rehetra mbamin’ ny firenena maro izay miaraka aminao.
10 Так говорить Господь Бог: І станеться того дня, уві́йдуть слова́ на твоє серце, і ти бу́деш ду́мати злу ду́мку,
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Amin’ izany andro izany dia hisy eritreritra hiditra ao an-tsainao, ary hamoron-kevi-dratsy ianao
11 та й скажеш: Піду́ на неукріплений край, знайду́ спокійних, що безпечно сидять, усі вони сидять в оса́дах без муру, і нема в них за́сува та ворі́т,
ka hanao hoe: Hiakatra aho hamely ny tany izay misy tanàna tsy mimanda; hankamin’ izay mandry fahizay sy mitoetra tsy manana ahiahy aho, samy, monina ao an-tanàna tsy misy manda na hidy na vavahady izy rehetra,
12 щоб набрати здо́бичі, і чинити грабу́нок, щоб повернути свою руку на заселені руїни, і на наро́д, зібраний з народів, що набувають добу́ток та маєток, що сидять посеред землі.
mba hamabo sy handroba ary hamely indray izay efa rava, saingy vao misy mponina ankehitriny izao, ary ny firenena izay nangonina avy tany amin’ ny jentilisa sady nihary omby sy fananana, dia ireo mitoetra ao amin’ ny foiben’ ny tany.
13 Шева та Дедан, і купці Таршішу, і всі левчуки́ його скажуть тобі: Чи ти прийшов набрати здо́бичі, чи ти зібрав своє збо́рище, щоб чинити грабу́нок, щоб ви́нести срібло та золото, щоб набрати добу́тку та маєтку, щоб набрати великої здо́бичі?
Sheba sy Dedana ary ny mpandranton’ i Tarsisy rehetra mbamin’ ireo lionany tanora rehetra dia hanao aminao hoe: Tonga hamabo va ianao? Nangoninao handroba va ireto olonao betsaka ireto, hahalasa volafotsy sy volamena, handroba harena sy fananana ary hahazo babo betsaka?
14 Тому́ пророкуй, сину лю́дський, та й скажеш до Ґоґа: Так говорить Господь Бог: Чи того дня, коли наро́д Мій сидітиме безпечно, ти не довідаєшся про це?
Koa maminania, ry zanak’ olona, ka ataovy amin’ i Goga hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Moa amin’ izany andro hitoeran’ ny Isiraely oloko mandry fahizay izany dia tsy ho fantatrao va izany?
15 І при́йдеш із свого місця, із півні́чних кінців, ти та числе́нні народи з тобою, — всі вони гарцю́ють на ко́нях, зборище велике й ві́йсько числе́нне!
Ary ho tonga avy any amin’ ny fonenanao avy any amin’ ny farany avaratra ianao mbamin’ ny firenena maro miaraka aminao, izay samy mitaingin-tsoavaly, dia olona maro be sy miaramila betsaka;
16 І зді́ймешся на наро́д Мій Ізраїлів, як хмара, щоб покрити землю. Буде це на кінці днів, і ви́веду тебе на Мій Край, щоб наро́ди пізнали Мене, коли Я покажу́ Свою святість тобі, Ґоґу, на їхніх оча́х.
ary hiakatra hamely ny Isiraely oloko tahaka ny fiakatry ny rahona hanarona ny tany ianao; any am-parany no ho tonga izany; ary ho entiko hamely ny taniko ianao, mba hahafantaran’ ny firenena Ahy, rehefa miseho ho masìna eo anatrehany Aho amin’ ny ataoko aminao, ry Goga.
17 Так говорить Господь Бог: Чи ти той, що про нього говорив Я за давніх днів через Моїх рабів, Ізра́їлевих пророків, що пророкували за тих днів про роки́, щоб приве́сти тебе на них?
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Moa ianao va ilay nampilazaiko ny mpanompoko hatramin’ ny fahiny, dia ny mpaminanin’ ny Isiraely, izay naminany ela tamin’ izany andro izany ny hampakarako anao hamely azy?
18 І станеться того дня, у дні прихо́ду Ґоґа на Ізраїлеву землю, говорить Господь Бог, — уві́йде ревність Моя в ніздрі Мої.
Ary amin’ izany andro izany, dia ny andro hihavian’ i Goga hamely ny tanin’ ny Isiraely, hoy Jehovah Tompo, dia hiefona eo am-bavoroko ny fahatezerako.
19 І в ревності своїй, в огні Свого гніву Я сказав: цього дня буде великий трус на Ізраїлевій землі.
Fa amin’ ny fahasaro-piaroko sy ny afon’ ny fahatezerako no nitenenako hoe: Amin’ izany andro izany dia hisy horohoro mafy any amin’ ny tanin’ ny Isiraely,
20 І затремтя́ть перед Моїм лицем мо́рські риби та птаство небесне, і польова́ звірина́, всяке гаддя́, що плазу́є по землі, і всяка люди́на, що на поверхні землі, і будуть поруйно́вані го́ри, і поваляться у́рвища, і всякий мур на землю впаде́.
ka hangorohoro eo anatrehako ny hazandrano any an-dranomasina sy ny voro-manidina sy ny bibi-dia ary ny biby mandady sy mikisaka rehetra izay mandady sy mikisaka amin’ ny tany ary ny olona rehetra ambonin’ ny tany; dia hazera ny tendrombohitra, hikoany fiakarana mideza, ary hirodana ity ampiantany rehetra.
21 І покличу проти нього меча на всіх го́рах Моїх, — говорить Господь Бог, — меч кожного буде на брата його!
Dia hiantso sabatra Aho hamely azy eny amin’ ny tendrombohitro rehetra, hoy Jehovah Tompo: ary hifamely sabatra amin’ ny namany avy izy rehetra.
22 І буду судитися з ними моровице́ю та кров'ю, і пущу́ заливни́й дощ та камі́нний град, огонь та сі́рку на нього та на відділи його, та на числе́нні народи, що з ним.
Ary hamaly azy amin’ ny areti-mandringana sy ny rà sy ny ranon’ orana manafotra ary ny havandra vaventy Aho; ary koa, handatsaka afo sy solifara aminy sy amin’ ny miaramilany mbamin’ ny firenena maro izay miaraka aminy Aho.
23 І звели́чуся, і покажу́ Свою святість, і буду пі́знаний на оча́х числе́нних народів, і вони пізнають, що Я — Госпо́дь!
Ka dia hasehoko ny fihalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason’ ny firenena maro Aho: ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.

< Єзекіїль 38 >