< 4 Mose 36 >

1 Afei, Gilead abusua no ntuanofoɔ, Makir a ɔyɛ Manase babarima ne Yosef nana asefoɔ kɔɔ Mose ne Israel ntuanofoɔ nkyɛn de adesrɛdeɛ kɔtoo wɔn anim.
Dia nanatona ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny fokon’ ny taranak’ i Gileada, zanak’ i Makira, zanak’ i Manase, avy tamin’ ny fokon’ ny taranak’ i Josefa, ka niteny teo anatrehan’ i Mosesy sy ny lehibe, lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Zanak’ Isiraely, ka nanao hoe:
2 Wɔkaa sɛ, “Awurade ka kyerɛɛ wo sɛ bɔ ntonto kronkron na gyina so kyekyɛ asase no ma Israelfoɔ. Awurade ka kyerɛɛ wo sɛ fa yɛn nuabarima Selofehad agyapadeɛ ma ne mmammaa.
Hianao, tompokolahy, efa nodidian’ i Jehovah hizara ny tany amin’ ny filokana ho an’ ny Zanak’ Isiraely; ary ianao, tompokolahy, efa nodidian’ i Jehovah hanome ny zara-tanin’ i Zelofada rahalahinay ho an’ ny zananivavy.
3 Na sɛ ɛba sɛ wɔn mu bi kɔware wɔ abusua foforɔ mu a, ɔde asase a wɔde ama no no bɛkɔ awadeɛ. Sɛ ɛba saa a, yɛn abusua no asase kɛseɛ so bɛte.
Koa raha manambady ny zanakalahin’ ny firenena sasany amin’ ny Zanak’ Isiraely ireo, dia hesorina amin’ ny an’ ny razanay ny zara-taniny ka hanampy ny zara-tanin’ ny firenena izay hatoniny, dia hesorina amin’ ny zara-taninay izay azonay tamin’ ny filokana izany.
4 Sɛ Mfirinhyia Aduonum Afahyɛ no duru so a, saa agyapadeɛ no bɛka hɔ ara. Na ɛbɛfiri abusuakuo a anka ɛwɔ no no nsam koraa.”
Ary raha tonga ny Jobilin’ ny Zanak’ Isiraely, ny zara-taniny dia hanampy ny an’ ny firenena izay hatoniny, ary ny azy dia hesorina amin’ ny zara-tanin’ ny razanay.
5 Enti Mose de saa ɔhyɛ nsɛm a ɛfiri Awurade yi maa Israelfoɔ no: “Yosef abusuakuo mu nnipa no asɛm no yɛ nokorɛ.
Ary Mosesy nandidy ny Zanak’ Isiraely araka ny tenin’ i Jehovah ka nanao hoe: Marina ny tenin’ ny firenena taranak’ i Josefa.
6 Awurade ɔhyɛ nsɛm a ɛfa Selofehad mmammaa no ho no nie: wɔtumi ware ɔbarima biara a wɔpɛ a ɔfiri wɔn agya abusuakuo mu.
Izao no teny izay andidian’ i Jehovah ny amin’ ny zanakavavin’ i Zelofada: Aoka izy hanambady izay tiany, nefa ny ao amin’ ny fokon’ ny firenen’ ny razany ihany no hovadiny.
7 Ɛnsɛ sɛ agyapadeɛ biara firi abusuakuo bi nsam kɔ abusuakuo foforɔ nsam, ɛfiri sɛ, ɛsɛ sɛ abusuakuo biara agyapadeɛ tena hɔ sɛdeɛ ɛteɛ firi kane no.
Dia tsy hifindra maso ny zara-tanin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely; fa samy ho eo amin’ ny zara-tanin’ ny razany avy no hipetrahan’ ny Zanak’ Isiraely.
8 Mmammaa a wɔwɔ Israel mmusuakuo mu nyinaa a agyapadeɛ tumi kɔ wɔn nsam no, ɛsɛ sɛ wɔwareware wɔ wɔn mmusuakuo mu na wɔn agyapadeɛ amfiri wɔn abusuakuo mu.
Ary ny zazavavy rehetra izay mandova zara-tany eo amin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely dia hanambady ny anankiray ao amin’ ny fokon’ ny firenen’ ny razany ihany, mba hananan’ ny Zanak’ Isiraely rehetra ny zara-tanin’ ny razany avy.
9 Ɛnsɛ sɛ agyapadeɛ biara firi abusuakuo bi nsam kɔdi ɔfoforɔ nsam, ɛsɛ sɛ Israel abusuakuo biara bɔ nʼagyapadeɛ ho ban.”
Ary aoka tsy hisy hifindra maso ny zara-tanin’ ny firenena samy hafa, fa samy ho eo amin’ ny azy avy no hipetrahan’ ny Zanak’ Isiraely.
10 Selofehad mmammaa no yɛɛ sɛdeɛ Awurade hyɛɛ Mose no.
Araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nataon’ ny zanakavavin’ i Zelofada,
11 Mahla, Tirsa, Hogla, Milka ne Noa nyinaa warewaree wɔn agyanom nuammarima mma.
ka Mahala sy Tirza sy Hogla sy Milka ary Noa, zanakavavin’ i Zelofada, dia samy nanambady ny zanaky ny rahalahin’ ny rainy avy.
12 Wɔwarewaree wɔ Yosef babarima Manase mmusua mu enti wɔn agyapadeɛ no kaa wɔn abusuakuo mu.
Izay avy tamin’ ny fokon’ ny taranak’ i Manase, zanak’ i Josefa, no novadin’ ireo, ka dia nitoetra teo amin’ ny firenen’ ny mpianakavin’ ny rainy ihany ny zara-taniny.
13 Yei ne mmara ne nhyehyɛeɛ a Awurade nam Mose so de maa Israelfoɔ ɛberɛ a wɔbɔɔ atenaeɛ wɔ Moab tata so so, wɔ Asubɔnten Yordan a ɛne Yeriko di nhwɛanimu no ho.
Ireo no didy sy fitsipika izay nandidian’ i Jehovah ka nampitondrainy an’ i Mosesy ho amin’ ny Zanak’ Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.

< 4 Mose 36 >