< Daniel 3 >
1 Ɔhene Nebukadnessar yɛɛ sikakɔkɔɔ ohoni bi a na ne ɔsorokɔ yɛ anammɔn aduɔkron, na ne tɛtrɛtɛ nso yɛ anammɔn nkron. Wɔde sii Dura tata so wɔ Babiloniaman mu.
Nebokadnezara mpanjaka nanao sariolona volamena, enim-polo hakiho ny hahavony, ary enina hakiho ny sakany; dia natsangany teo amin’ ny tany lemaka Dora tamin’ ny fehin’ i Babylona izany.
2 Afei, ɔtoo nkra kɔmaa ahenemma, mpanimfoɔ, amradofoɔ, afotufoɔ, nsanaafoɔ, atemmufoɔ, asɛnnifoɔ ne ɔman no mu mpanimfoɔ sɛ, wɔmmra ohoni a wɔreda no adi no ase.
Ary Nebokadnezara mpanjaka naniraka nampamory ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony mba hanamasina ilay sariolona efa natsangan’ i Nebokadnezara mpanjaka.
3 Ɛberɛ a ahenemma, mpanimfoɔ, amradofoɔ, afotufoɔ, nsanaafoɔ, atemmufoɔ, asɛnnifoɔ ne ɔman no mu mpanimfoɔ no bɛhyiaeɛ sɛ wɔrebɛda ohoni a Ɔhene Nebukadnessar de asi hɔ adi no, wɔbɛgyinagyinaa ohoni no anim.
Dia nivory hanamasina ny sariolona izay efa natsangan’ i Nebokadnezara mpanjakan’ ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony, ka dia nitsangana tandrifin’ ny sariolona izay efa natsangan’ i Nebokadnezara ireo.
4 Na wɔbɔɔ dawuro teaam sɛ, “Nnipa ahodoɔ ne aman ahodoɔ ne kasa ahodoɔ nyinaa montie deɛ ɔhene ahyɛ sɛ monyɛ!
Ary dia nisy mpikabary niantso mafy hoe: Izao no lazaina aminareo, ry fokom-pirenena, ry firenena sy samy hafa fiteny:
5 Sɛ mote abɛn, odurugya, sankuo, sankuten, atɛntɛbɛn ne nnwontodeɛ ahodoɔ nyinaa nnyegyeeɛ a, monkoto fam, na monsɔre ɔhene Nebukadnessar sikakɔkɔɔ ohoni no.
Rehefa mandre ny fanenon’ ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany ianareo, dia miankohofa, ka mivavaha amin’ ny sariolona volamena izay efa natsangan’ i Nebokadnezara mpanjaka,
6 Obiara a wankoto fam ansɔre ohoni no dɔn no ara mu no, wɔde no bɛto fononoo a ogya redɛre wɔ mu framfram mu.”
ary na iza na iza no tsy miankohoka sy tsy mivavaka dia hatsipy miaraka amin’ izay ho ao anatin’ ny lafaoro misy afo mirehitra.
7 Enti, ɛberɛ a wɔtee abɛn, odurugya sankuo, sankuba sankuo, bɛnta, atɛntɛbɛn ne nnwontodeɛ ahodoɔ nyinaa nnyegyeeɛ no, nnipa no nyinaa ne aman ahodoɔ ne wɔn a wɔka kasa ahodoɔ nyinaa kotoo fam, sɔree ohoni a Ɔhene Nebukadnessar de asi hɔ no.
Koa tamin’ ny fotoana nandrenesan’ ny fokom-pirenena rehetra ny fanenon’ ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha ary ny zava-maneno isan-karazany, dia niankohoka sy nivavaka tamin’ ny sariolona volamena izay efa natsangan’ i Nebokadnezara mpanjaka ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra.
8 Nanso, Kaldeafoɔ no bi kɔɔ ɔhene no nkyɛn kɔtoatoa Yudafoɔ no sɛ,
Ary tamin’ izay dia nisy Kaldeana sasany nanatona ka niampanga ny Jiosy.
Dia niteny izy ka nanao tamin’ i Nebokadnezara mpanjaka hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao.
10 Wohyɛɛ mmara maa ɔmanfoɔ sɛ, obiara te abɛn, odurugya sankuo, sankuba sankuo, bɛnta, atɛntɛbɛn ne nnwontodeɛ ahodoɔ nyinaa nnyegyeeɛ a, ɔnkoto fam, na ɔnsɔre sika ohoni no,
Ry mpanjaka ô, ianao efa nanao lalàna fa ny olona rehetra izay mandre ny fanenon’ ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany dia hiankohoka hivavaka amin’ ny sariolona volamena;
11 na obiara a wantie ankɔto ansɔre ohoni no, wɔde no bɛto fononoo a ogya redɛre framfram wɔ mu no mu.
fa izay tsy miankohoka sy tsy mivavaka kosa dia hatsipy ao anatin’ ny lafaoro misy afo mirehitra.
12 Nanso, Nana, Yudafoɔ bi a wɔn din de Sadrak, Mesak ne Abednego a wode wɔn atuatua Babiloniaman ano no abu wo animtia, na wansɔre wʼanyame anaa sikakɔkɔɔ ohoni a wode asi hɔ no.”
Koa misy Jiosy izay nataonao ho tonian’ ny raharaha amin’ i Babylona sy ny fehiny, dia Sadraka sy Mesaka ary Abednego; ireo lehilahy ireo tsy mba manaiky ny teninao akory, ry mpanjaka ô: tsy mba manompo ny andriamanitrao izy, na mivavaka amin’ ny sariolona volamena izay efa natsanganao.
13 Ɛhɔ ara, Nebukadnessar bo fuu yie, na ɔhyɛɛ sɛ, wɔmfa Sadrak, Mesak ne Abednego mmra nʼanim. Wɔde wɔn baeɛ no,
Dia niteny tamin’ ny fahavinirana sy ny fahatezerana Nebokadnezara, ka nasainy nalaina Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Dia nentiny teo anatrehan’ ny mpanjaka ireo lehilahy ireo.
14 Nebukadnessar bisaa wɔn sɛ, “Sadrak, Mesak ne Abednego, ɛyɛ nokorɛ sɛ, moansɔre mʼanyame ne sikakɔkɔɔ ohoni a mede asi hɔ no?
Dia niteny Nebokadnezara ka nanao taminy hoe: Moa fanahy ninianareo va, ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, no tsy mba anompoanareo ny andriamanitro, na ivavahanareo amin’ ny sariolona volamena izay natsangako?
15 Mɛma mo ɛkwan bio. Sɛ mote abɛn, odurugya sankuo, sankuba sankuo, bɛnta, atɛntɛbɛn ne nnwontodeɛ ahodoɔ nyinaa nnyegyeeɛ no, na mokoto fam, na mosɔre ohoni a mayɛ no a, na me ne mo nni asɛm biara. Na sɛ mopo a, wɔbɛto mo agu fononoo a ogya redɛre wɔ mu no mu prɛko pɛ. Sɛ ɛba saa a, nyame bɛn na ɔbɛtumi agye mo afiri me tumi ase?”
Ankehitriny raha miomana ianareo amin’ izay handrenesanareo ny fanenon’ ny anjomara sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia sy ny Sobaba sy ny lokanga ary ny zava-maneno isan-karazany ka miankohoka sy mivavaka amin’ ny sariolona izay nataoko, dia tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin’ izay ho ao anatin’ ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin’ ny tanako izany?
16 Sadrak, Mesak ne Abednego buaa sɛ, “Ao, Nana Nebukadnessar, yɛnnye nni sɛ ɛho hia sɛ yɛyi yɛn ho ano wɔ wʼanim.
Dia namaly Sadraka sy Mesaka ary Abednego ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe: Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin’ izany zavatra izany.
17 Sɛ wɔto yɛn gu fononoo a ogya redɛre wɔ mu no mu a, Onyankopɔn a yɛsom no no bɛgye yɛn. Nana, ɔbɛgye yɛn afiri wo tumi ase.
Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin’ ny tananao, ry mpanjaka ô.
18 Na sɛ ɛba sɛ wannye yɛn mpo a, Nana nte aseɛ sɛ, sɔre deɛ, yɛrensɔre wʼanyame anaa sikakɔkɔɔ ohoni a wode asi hɔ no da biara da.”
Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.
19 Nebukadnessar bo fuu Sadrak, Mesak ne Abednego yie, na wampɛ wɔn anim ahwɛ. Ɔhyɛɛ sɛ, wɔmma fononoo no ogya no hyeɛ no nnɔ mmɔho nson.
Dia feno fahatezerana Nebokadnezara, ka niova ny tarehiny tamin’ i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, dia nasainy nafanaina ho impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro.
20 Afei, ɔhyɛɛ nʼakodɔm mu mmarima ahoɔdenfoɔ pa ara no bi sɛ, wɔnkyekyere Sadrak, Mesak ne Abednego, na wɔnto wɔn ngu fononoo no mu ogyadɛreɛ no mu.
Ary izay lehilahy matanjaka indrindra tamin’ ny miaramilany no nasainy namatotra an’ i Sadraka sy Mesaka ary Abednego sy nanipy azy tao anatin’ ny lafaoro nisy afo mirehitra.
21 Enti, wɔkyekyeree saa nkurɔfoɔ yi a wɔhyehyɛ wɔn ntwontwo, wɔn ntadeɛ, wɔn mmotire ne wɔn ntoma papee, too wɔn guu fononoo ogya a ɛrederɛ no mu.
Dia nafatotra ireo lehilahy ireo, nefa mbola teny aminy ihany ny lobany sy ny akanjony ary ny kapitiny mbamin’ ny fitafiany hafa koa, ka dia natsipy teo anatin’ ny lafaoro nisy afo mirehitra izy;
22 Na ɛsiane ɔhene no abufutrasoɔ ne ɔhyɛ a ama fononoo no adɔ hyeehyeehye aborosoɔ no enti, asraafoɔ a wɔde Sadrak, Mesak, ne Abednego regu fononoo no mu no wuwuu ogyaframa no ano.
ary satria mafy ny tenin’ ny mpanjaka, ka natao mahamay indrindra ny lafaoro, dia matin’ ny lelafo ireny lehilahy izay nanipy an’ i Sadraka sy Mesaka sy Abednego.
23 Na Sadrak, Mesak ne Abednego a wɔakyekyere wɔn pampee no hwehwee ogya fononoo a ɛrederɛ no mu.
Ary izy telo lahy ireo, Sadraka sy Mesaka sy Abednego, dia voatsipy am-patorana teo anatin’ ny lafaoro nisy afo mirehitra.
24 Nebukadnessar gu so rehwɛ no, prɛko pɛ, ɔhuri teaam ahodwirie so guu nʼafotufoɔ no so sɛ, “Ɛnnyɛ mmarima baasa na yɛkyekyeree wɔn too wɔn guu fononoo no mu?” Wɔbuaa sɛ, “Aane, Nana, yɛyɛɛ saa pɛpɛɛpɛ.”
Dia talanjona Nebokadnezara mpanjaka ary nitsangana faingana izy ka niteny tamin’ ny mpanolo-tsainy hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin’ ny afo? Dia namaly ny mpanjaka ireo ka nanao hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô.
25 Nebukadnessar teaam sɛ. “Monhwɛ! Mehunu nnipa baanan a biribiara nkyekyeree wɔn sɛ wɔnenam ogya no mu. Egya dɛreɛ no nhyee wɔn. Onipa a ɔtɔ so ɛnan no te sɛ anyame ba bi!”
Ary hoy izy: Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak’ ireo andriamanitra.
26 Na Nebukadnessar twe bɛnee fononoo a ogya redɛre wɔ mu no ɛpono ano, sɛdeɛ ɔbɛtumi, teaam sɛ, “Sadrak, Mesak ne Abednego, ɔsorosoro Onyankopɔn asomfoɔ, momfiri mmra! Mommra ha!” Ɛno enti, Sadrak, Mesak ne Abednego firii ogya no mu baeɛ.
Dia nanatona ny varavaran’ ny lafaoro nisy afo mirehitra Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon’ Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia atỳ. Dia nivoaka avy teo anatin’ ny afo Sadraka sy Mesaka ary Abednego.
27 Afei, ahenemma, mpanimfoɔ, amradofoɔ ne afotufoɔ bɛtwaa wɔn ho hyiaeɛ, na wɔhunuu sɛ, ogya no anka wɔn. Wɔn tirinwi mpo ho anka. Na wɔn ntadeɛ anhye. Na wisie mpo mmɔn wɔn ho.
Dia nifanatona ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka sy ny governora ary ny mpanolotsain’ ny mpanjaka ka nahita ireo lehilahy ireo, fa tsy nanan-kery hampaninona ny tenany akory ny afo, na nisy singam-bolo nikainkona tamin’ ny lohany, na niova ny lobany, ary tsy nisy fofon’ afo akory taminy.
28 Afei, Nebukadnessar kaa sɛ, “Ayɛyie nka Sadrak, Mesak ne Abednego Onyankopɔn. Ɔsomaa ne ɔbɔfoɔ, ma wɔbɛgyee nʼasomfoɔ a wɔgye no die. Wɔbuu me ɔhene mmara so, na wɔde wɔn honam maeɛ, sɛdeɛ ɛbɛyɛ a wɔrensom na wɔrensɔre anyame biara gye wɔn Onyankopɔn.
Nebokadnezara niteny ka nanao hoe: Isaorana anie Andriamanitr’ i Sadraka sy Mesaka sy Abednego, Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka nandika ny tenin’ ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin’ izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany.
29 Ne saa enti, merehyɛ saa mmara yi sɛ ɔman, nkurɔfoɔ ne kasa ahodoɔ nyinaa mu, obiara a ɔbɛka Sadrak, Mesak ne Abednego Onyankopɔn ho abususɛm no, ampa ara wɔbɛtwitwa wɔn mu asinasini na wɔadwiri wɔn afie ama adane wira. Onyame biara nni hɔ a ɔbɛtumi agye nkwa sɛɛ yi.”
Ka dia manao lalàna aho fa ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay manao teny tsy mety ny amin’ Andriamanitr’ i Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia hotetitetehina, ary hatao trano fivoahana ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.
30 Afei, Ɔhene Nebukadnessar maa Sadrak, Mesak ne Abednego dibea a ɛkorɔn yie wɔ Babiloniaman mu.
Ary Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia nasandratry ny mpanjaka tamin’ i Babylona sy ny fehiny.