< Nnwom 91 >

1 Nea ɔte Ɔsorosoroni no hintabea no biara bɛhome wɔ Otumfo no nwini ase.
Ny mitoetra ao amin’ ny fierena izay an’ ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin’ ny aloky ny Tsitoha.
2 Mese Awurade se, “Ɔyɛ me guankɔbea ne mʼabandennen, me Nyankopɔn a mewɔ no mu ahotoso.”
Izaho hilaza an’ i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako.
3 Ampa ara, obegye wo afi firisumfo afiri ne owuyare mu.
Fa Izy no hanafaka anao amin’ ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza.
4 Ɔde ne ntakra bɛkata wo so; na ne ntaban ase na wubenya guankɔbea; ne nokware bɛyɛ wo nkatabo ne wo kyɛm.
Ny volon’ elany no anaronany anao, Ary ao ambanin’ ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.
5 Worensuro ɔdasu mu ɔsɛe, anaa bɛmma a etu awia,
Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipìka manidina nony andro,
6 anaa owuyare a ɛba sum mu, anaa ɔyaredɔm a ɛsɛe ade wɔ owigyinae bere.
Na ny areti-mandringana mandeha amin’ ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin’ ny mitataovovonana.
7 Apem bɛtotɔ wo nkyɛn mu, na mpem du atotɔ wo nifa a, wo de, ɛremmɛn wo.
Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany
8 Wʼaniwa nko ara na wode bɛhwɛ na woahu nnebɔneyɛfo asotwe.
Hijery maso fotsiny ianao, Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy.
9 Sɛ woka se, “Awurade ne me guankɔbea,” na wode Ɔsorosoroni no hɔ yɛ wo tenabea a,
Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra,
10 ɔhaw biara remmunkam wo so, na ɔsɛe biara remmɛn wo ntamadan.
Dia tsy hisy loza hanjo anao, Na aretina hanakaiky ny lainao.
11 Efisɛ Onyankopɔn bɛsoma nʼabɔfo abɛbɔ wo ho ban na wɔabɛwɛn wo wʼakwan nyinaa mu;
Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny amin’ izay rehetra halehanao.
12 wɔde wɔn nsa bɛma wo so, na wo nan ampem ɔbo.
Eny an-tànany no hitondran’ ireo anao, Fandrao ho tafintohina amin’ ny vato ny tongotrao.
13 Wubetiatia gyata ne aprammiri so, wobɛnantew gyataforo ne ɔwɔ so.
Ny liona masiaka sy ny vipera hodiavinao; Ny liona tanora sy ny menarana no hohitsahinao.
14 Awurade ka se, “Esiane sɛ ɔdɔ me nti, megye no; mɛbɔ ne ho ban, efisɛ ogye me din to mu.
Satria Izaho no niraiketan’ ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin’ ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy
15 Ɔbɛfrɛ me na megye ne so; mɛka ne ho wɔ amanehunu mu, megye no na mahyɛ no anuonyam.
Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho.
16 Mɛma nkwa nna a ɛware amee no na makyerɛ no me nkwagye.”
Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko.

< Nnwom 91 >