< 4 Mose 34 >

1 Awurade ka kyerɛɛ Mose se,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 “Ka kyerɛ Israelfo no se: ‘Sɛ mubedu Kanaan asase no so a, asase a mede rema mo sɛ mo ankasa asase no a, sɛɛ na mo ahye bɛyɛ:
Mandidia ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha tonga any amin’ ny tany Kanana ianareo, dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka izay fari-taniny.
3 “‘Asase no anafo fam no bɛyɛ Sin sare so a ɛda Edom hye ano no fa bi. Anafo hye no ano befi apuei fam, Nkyene Po no anafo.
Ary ny lafiny atsimo amin’ ny taninareo dia hatramin’ ny efitra Zina, izay mifanolotra amin’ i Edoma. Ary ny fari-taninareo atsimo dia hatramin’ ny faran’ ny Ranomasin-tsira any atsinanana,
4 Ɛbɛtoa so akɔtra Akrabbim wɔ anafo hɔ a ɛrekɔ Sin no. Nʼanafo pa ara no bɛyɛ Kades-Barnea, na efi hɔ akosi Hasarada de akowie Asmon.
dia miolaka eo atsimon’ ny fiakarana Akrabima, dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any atsimon’ i Kadesibarnea, dia mahazo an’ i Hazar-adara ka mandroso hatrany Azmona,
5 Efi Asmon a, ɔhye no bɛkɔ ara akosi Misraim asuwa no mu na ano akɔpem Ntam Po no ano.
ary miolaka hatrany Azmona ka hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta, ka dia mihatra amin’ ny ranomasina.
6 Mo hye a ɛwɔ atɔe no bɛyɛ Ntam Po no ano.
Ary ny amin’ ny fari-tany andrefana, dia indro ny Ranomasina Lehibe sy ny amorony, ka hatreo no ho fari-taninareo andrefana.
7 Mo hye a ɛda atifi no befi ase wɔ Ntam Po no ano na atoa so akosi bepɔw Hor,
Ary izao no ho fari-taninareo avaratra: hatramin’ ny Ranomasina Lehibe dia aoka ny tendrombohitra Hora no hotandrifinareo;
8 de akɔ Lebo Hamat na akɔ Sedad
ary hatramin’ ny tendrombohitra Hora dia aoka ny lalana mankany Hamata no hotandrifinareo, ary aoka ny fari-tany hahazo an’ i Zedada,
9 na atoa so akɔ Sifron na akowie wɔ Hasar-Enan.
dia hahazo an’ i Zifrona, ka dia hihatra an’ i Hazar-enana; izany no ho faritaninareo avaratra.
10 Apuei hye no befi Hasar-Enan akɔ Sefam.
Ary ny ho fari-taninareo atsinanana dia ampifanitsio amin’ i Hazar-enana ka hatrany Sefama,
11 Ɔhye no besian afi Sefam akosi Ribla wɔ Ain apuei fam. Efi hɔ a, ebesiansian afa mmepɔw no ase wɔ Galilea Po no apuei fam.
dia hidina hatrany Sefama ka hatrany Ribla any atsinanan’ i Aina, dia mbola hidina ihany koa ka hipaka amin’ ny Ranomasin’ i Kinereta atsinanana,
12 Ɔhye no besian afa Asubɔnten Yordan ho na akɔpem Nkyene Po no. “‘Sɛnea mo nsase ne mo ahye te ni.’”
dia hidina ihany indray hatrany Jordana, ka dia hihatra amin’ ny Ranomasin-tsira. Izany no ho taninareo araka ny fari-taniny manodidina.
13 Afei Mose hyɛɛ Israelfo no se, “Momfa ntontobɔ so nkyekyɛ asase yi sɛ mo agyapade. Awurade ahyɛ sɛ wɔmfa mma mmusua akron ne fa no,
Ary Mosesy nandidy ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny filokana, dia izay andidian’ i Jehovah homena ny firenena sivy sy sasany;
14 efisɛ Ruben ne Gad mmusuakuw no ne Manase abusua no fa no de, wɔanya wɔn agyapade dedaw.
fa ny firenena taranak’ i Robena araka ny fianakaviany sy ny firenena taranak’ i Gada araka ny fianakaviany dia efa nandray ny zara-taniny, ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase koa dia efa nandray ny zara-taniny;
15 Saa mmusua abien ne fa yi anya wɔn agyapade wɔ Yeriko akyi, Yordan apuei fam a ɛhwɛ apuei no.”
dia ny firenena roa sy sasany samy efa nandray ny zara-taniny atỳ an-dafy atsinanan’ i Jordana, hitsin’ i Jeriko, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro.
16 Awurade ka kyerɛɛ Mose se,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
17 “Nnipa a wɔn din didi so yi na mayi wɔn sɛ wɔnkyekyɛ asase no mu mma mo sɛ mo agyapade: Ɔsɔfo Eleasar ne, Nun babarima Yosua.
Izao no anaran’ ny lehilahy izay hizara ny tany ho anareo: Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona.
18 Yi abusua biara mu ɔpanyin baako na ɔmmoa nkyekyɛ asase no.
Ary loholona iray avy amin’ ny isam-pirenena koa no halainareo hizara ny tany.
19 “Wɔn din na edidi so yi: “Yefune babarima Kaleb, Yuda abusuakuw ntuanoni;
Ary izao no anaran’ ireo lehilahy ireo: ny avy amin’ ny firenen’ i Joda dia Kaleba, zanak’ i Jefone;
20 Amihud babarima Semuel, Simeon abusuakuw ntuanoni;
ary ny avy amin’ ny firenena taranak’ i Simeona dia Semoela, zanak’ i Amihoda;
21 Kislon babarima Elidad, Benyamin abusuakuw ntuanoni;
ary ny avy amin’ ny firenen’ i Benjamina dia Elidada, zanak’ i Kislona;
22 Yogli babarima Buki, Dan abusuakuw ntuanoni;
ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Dana dia Boky, zanak’ i Jogly;
23 Efod babarima Haniel, Yosef babarima Manase abusuakuw ntuanoni;
ary ny avy amin’ ny taranak’ i Josefa: ny lohan’ ny firenena taranak’ i Manase dia Haniela, zanak’ i Efoda;
24 Siftan babarima Kemuel, Yosef babarima Efraim abusuakuw ntuanoni;
ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Efraima dia Kemoela, zanak’ i Siftana;
25 Parknak babarima Elisafan, Sebulon abusuakuw ntuanoni;
ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Zebolona dia Elizafana, zanak’ i Parnaka;
26 Asan babarima Paltiel, Isakar abusuakuw ntuanoni;
ary ny lohan’ ny firenena taranak’ Isakara dia Paltiela, zanak’ i Azana;
27 Selomi babarima Ahihud, Aser abusuakuw ntuanoni;
ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Asera dia Ahihoda, zanak’ i Selomy;
28 Amihud babarima Pedahel, Naftali abusuakuw ntuanoni.”
ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Naftaly dia Pedahela, zanak’ i Amihoda.
29 Saa nnipa yi na Awurade yii wɔn sɛ wɔnhwɛ nkyekyɛ agyapade no mu mma Israelfo no wɔ Kanaan asase so no.
Ireo no nodidian’ i Jehovah hizara ny tany Kanana ho an’ ny Zanak’ Isiraely.

< 4 Mose 34 >