< Yeremia 37 >
1 Babiloniahene Nebukadnessar de Yosia babarima Sedekia dii Yudahene; osii Yehoiakim babarima Yehoiakin anan mu.
Ary Zedekia mpanjaka, zanak’ i Josia, dia nanjaka nandimby an’ i Jekonia, zanak’ i Joiakima, fa nampanjakain’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, tao amin’ ny tanin’ ny Joda izy;
2 Ɔno, nʼasomfo ne nnipa a wɔwɔ asase no so antie Awurade asɛm a ɔnam odiyifo Yeremia so kae no.
nefa na izy, na ny mpanompony, na ny vahoaka, dia samy tsy nihaino ny tenin’ i Jehovah, izay nampilazainy an’ i Jeremia mpaminany.
3 Ɔhene Sedekia somaa Selemia babarima Yehukal ne Maaseia babarima ɔsɔfo Sefania se, wɔnkɔka nkyerɛ Yeremia se, “Yɛsrɛ wo, bɔ Awurade, yɛn Nyankopɔn, mpae ma yɛn.”
Ary Zedekia mpanjaka naniraka an’ i Jehokala, zanak’ i Selemia, sy Zefania, zanak’ i Mahaseia, mpisorona, ho any amin’ i Jeremia mpaminany hanao hoe: Mba ivavaho amin’ i Jehovah Andriamanitsika re izahay.
4 Na Yeremia de ne ho a otumi di nnipa no mu akɔneaba, efisɛ na wɔmfaa no ntoo afiase ɛ.
Ary Jeremia mbola niditra sy nivoaka teo amin’ ny olona ihany; fa tsy mbola nataony tao an-trano-maizina izy.
5 Na Farao asraafo afi Misraim reba, na Babiloniafo a wɔatua Yerusalem no tee wɔn nka no, wofii Yerusalem.
Ary efa niainga avy tany Egypta ny miaramilan’ i Farao, ka raha nahare izany ny Kaldeana izay nanao fahirano an’ i Jerosalema, dia niala tany Jerosalema izy.
6 Na Awurade asɛm baa odiyifo Yeremia nkyɛn se,
Dia tonga tamin’ i Jeremia mpaminany ny tenin’ i Jehovah hoe:
7 “Sɛɛ na Awurade, Israel Nyankopɔn, se: Monka nkyerɛ Yudahene a, ɔsomaa mo se mummebisa me hɔ biribi no se, ‘Farao asraafo a wofii adi sɛ wɔrebɛboa mo no bɛsan akɔ wɔn ankasa asase, Misraim so.
Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no lazaonareo amin’ ny mpanjakan’ ny Joda, izay naniraka anareo hankatỳ amiko hanontany amiko: Indro, ny miaramilan’ i Farao, izay efa niainga hamonjy anareo, dia hiverina ho any Egypta taniny;
8 Na Babiloniafo no bɛsan abɛtow ahyɛ saa kuropɔn yi so; wobegye na wɔahyew kurow no dwerɛbee.’
fa ho avy indray ny Kaldeana ka hamely ity tanana ity sady hanafaka azy sy handoro azy amin’ ny afo.
9 “Sɛ Awurade se ni: Monnnaadaa mo ho nsusuw sɛ, ‘Ampa ara Babiloniafo no befi yɛn so akɔ.’ Wɔrenkɔ!
Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mamita-tena foana ianareo ka manao hoe: Hiala amintsika tokoa ny Kaldeana; fa tsy hiala izy tsy akory.
10 Sɛ mudi Babiloniafo asraafo a wɔatow ahyɛ mo so no so ma ɛka apirafo wɔ wɔn ntamadan mu mpo a, wobefi adi abɛhyew kuropɔn yi dwerɛbee.”
Fa na dia mamely ny miaramilan’ ny Kaldeana rehetra izay miady aminareo aza ianareo, ka izay voalefona no ho sisa velona, ireo aza dia samy hitsangana avy ao anaty lainy ka handoro ity tanàna ity amin’ ny afo.
11 Babilonia asraafo no fii Yerusalem, esiane Farao asraafo no nti akyiri no,
Ary raha niala tany Jerosalema ny miaramilan’ ny Kaldeana noho ny amin’ ny miaramilan’ i Farao,
12 Yeremia yɛɛ ahoboa sɛ ɔrefi kuropɔn no mu, akɔ Benyamin mantam mu akogye nʼagyapade mu kyɛfa wɔ nkurɔfo a wɔwɔ hɔ no nkyɛn.
dia nivoaka Jeremia avy tao Jerosalema hankany amin’ ny tanin’ ny Benjamina mba handray izay anjarany eo amin’ ny vahoaka.
13 Nanso okoduu Benyamin Pon ano no, awɛmfo no so panyin a wɔfrɛ no Yiria a ɔyɛ Selemia babarima ne Hanania nena kyeree no kae se, “Woreguan agya yɛn akɔ Babiloniafo afa!”
Ary raha tonga teo am-bavahadin’ i Benjamina izy, dia, indro, ny kapitenin’ ny mpiambina, atao hoe Jiria, zanak’ i Selemia, zanak’ i Hanania, no teo; dia nisambotra an’ i Jeremia mpaminany izy ka nanao hoe: Miray tetika amin’ ny Kaldeana ianao.
14 Yeremia buae se, “Ɛnyɛ nokware. Merenguan nkɔ Babiloniafo afa.” Nanso Yiria antie, na mmom ɔkyeree Yeremia de no kɔmaa ne mpanyimfo.
Fa hoy Jeremia: Lainga izany. Tsy miray tetika amin’ ny Kaldeana aho. Nefa tsy nino azy ireo, ka dia nosamborin’ i Jiria ihany Jeremia ary nentiny ho ao amin’ ny mpanapaka.
15 Wɔn bo fuw Yeremia, na wɔma wɔboroo no de no too afiase wɔ ɔkyerɛwfo Yonatan fi a na wɔde ayɛ afiase no.
Ary tezitra tamin’ i Jeremia ny mpanapaka ka nikapoka azy, dia nandatsaka azy tao an-trano-maizina tao amin’ ny tranon’ i Jonatana mpanoratra; fa izany no nataony trano-maizina.
16 Wɔde Yeremia too asase ase afiase, ma odii nna bebree wɔ hɔ.
Ary nony tafiditra tao an-trano-maizina, tao amin’ ilay niefitrefitra, Jeremia, ka efa nitoetra tao andro maro,
17 Akyiri no, ɔhene Sedekia soma ma wɔkɔfaa no baa ahemfi, ɛhɔ na obisaa no wɔ kokoa mu se, “Woanya asɛm bi afi Awurade nkyɛn ana?” Yeremia buae se, “Yiw, wɔde wo bɛma Babiloniahene.”
dia naniraka haka azy Zedekia mpanjaka; ary ny mpanjaka nanontany azy mangingina tao an-tranony nanao hoe: Moa misy teny avy tamin’ i Jehovah tokoa va? Dia hoy Jeremia: Eny, misy; ary hoy koa izy: Hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona ianao.
18 Afei Yeremia bisaa ɔhene no se, “Dɛn bɔne na mayɛ atia wo, anaa wʼadwumayɛfo anaa nnipa yi a enti wɔde me ato afiase yi?
Ary hoy koa Jeremia tamin’ i Zedekia mpanjaka: Inona no ratsy nataoko taminao, na tamin’ ny mpanomponao, na tamin’ ity firenena ity, no dia nataonareo tao an-trano-maizina aho?
19 Ɛhe na wʼadiyifo a wɔhyɛɛ nkɔm kyerɛɛ wo se, ‘Babiloniahene rentow nhyɛ wo so anaa asase yi so’ no wɔ?
Aiza moa ireo mpaminaninareo, izay naminany taminareo hoe: Tsy ho avy hiady aminareo na hamely ity tany ity ny mpanjakan’ i Babylona?
20 Na afei, ɔdɛɛfo, mesrɛ wo tie. Ma memfa me nkotosrɛ nto wʼanim: Mfa me nkɔto ɔkyerɛwfo Yonatan fi hɔ bio, anyɛ saa a mewu wɔ hɔ.”
Koa trarantitra ianao, ry tompokolahy mpanjaka, henoy kely ange! aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonako, ka aza averina ho ao amin’ ny tranon’ i Jonatana mpanoratra aho, fandrao dia maty ao.
21 Ɔhene Sedekia hyɛɛ sɛ wɔmfa Yeremia nkɔto awɛmfo adiwo hɔ, na wɔmma no brodo a efi brodotofo borɔn so da biara nkosi sɛ kuropɔn no mu brodo nyinaa bɛsa. Enti Yeremia kaa awɛmfo adiwo hɔ.
Dia nasain’ i Zedekia mpanjaka nataony teo amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana Jeremia, ka nasainy nomena mofo iray isan’ andro isan’ andro avy any amin’ ny fitoeran’ ny mpanao mofo izy, ambara-pahalanin’ ny mofo rehetra tao an-tanàna. Toy izany no nitoeran’ i Jeremia teo amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana.