< Yeremia 22 >
1 Sɛɛ na Awurade se, “Sian kɔ Yudahene ahemfi na kɔpae mu ka saa asɛm yi:
Izao no lazain’ i Jehovah: Midìna any amin’ ny tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda, ka lazao any izao teny izao hoe:
2 ‘Tie Awurade asɛm, Yudahene, wo a wote Dawid ahengua so, wo, wʼakannifo ne wo nkurɔfo a wɔfa apon yi mu.
Henoy ny tenin’ i Jehovah, ry mpanjakan’ ny Joda, izay mipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida, dia ianao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao izay miditra amin’ ireto vavahady ireto:
3 Sɛɛ na Awurade se: Monyɛ nea ɛteɛ na ɛnam kwan mu. Munnye nea wɔabɔ no korɔn mfi ne hyɛsofo nsam. Monnyɛ ɔhɔho, ayisaa ne okunafo bɔne na monnyɛ wɔn basabasa nso, na munnhwie mogya a edi bem ngu wɔ ha.
Izao no lazain’ i Jehovah: Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo, ka afaho amin’ ny tanan’ ny mpampahory ny olona voaroba; ary aza mampahory na mampidi-doza amin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, ary aza mandatsaka rà marina amin’ ity fitoerana ity.
4 Sɛ moyɛ ahwɛyie na mudi saa ahyɛde yi so a, ɛno de ahemfo a wɔte Dawid ahengua so ne wɔn adwumayɛfo ne wɔn nkurɔfo bɛfa saa ahemfi apon yi mu, a wɔtete nteaseɛnam mu ne apɔnkɔ so.
Fa raha mankatò izany teny izany tokoa ianareo, dia hisy mpanjaka mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida hiditra amin’ ity vavahady ity mitaingin-kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany.
5 Enti sɛ moanni saa nhyehyɛe yi so a, Awurade na ose, “Meka me ho ntam sɛ, saa ahemfi yi bɛdan ofituw.”’”
Fa raha tsy hihaino izany teny izany kosa ianareo, dia ny tenako no ianianako, hoy Jehovah, fa ho lao tokoa ity trano ity.
6 Nea Awurade ka fa Yudahene ahemfi ho ni: “Ɛwɔ mu wote sɛ Gilead ma me, te sɛ Lebanon mmepɔw atifi, nokware, mɛyɛ wo sɛ nweatam, sɛ nkurow a obiara nte mu.
Fa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ny mpianakaviny: Tahaka an’ i Gileada sy ny tampon’ i Libanona amiko ianao, nefa hataoko tonga efitra sy tanàna tsy onenana.
7 Mɛsoma asɛefo abɛtoa mo, obiara ne nʼakode, wobetwitwa mo sida mpuran fɛfɛ no mu na wɔatow agu ogya no mu.
Ary hanendry mpandrava hamely anao Aho, Izay samy hitondra ny fiadiany avy; Dia hokapain’ ireo ny sederanao voafantina ka hariany ao anaty afo.
8 “Nnipa a wofifi aman bebree so betwa mu wɔ kuropɔn yi so, na wobebisabisa wɔn ho wɔn ho se, ‘Adɛn nti na Awurade ayɛ saa kuropɔn kɛse yi sɛɛ?’
Ary firenena maro no handalo ity tanàna ity, ka samy hanao amin’ ny namany avy hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao izao tamin’ ity tanàna lehibe ity?
9 Na mmuae no bɛyɛ sɛ, ‘Efisɛ wɔagyaw Awurade, wɔn Nyankopɔn apam no akɔsɔre anyame afoforo asom wɔn.’”
Dia hovaliana hoe: Noho ny nahafoizany ny faneken’ i Jehovah Andriamaniny sy ny nivavahany tamin’ andriamani-kafa sy ny nanompoany ireny.
10 Munnsu ɔhene a wafi mu, na munni ne ho awerɛhow; mmom, munsu dennen mma nea ɔkɔ nnommum mu, efisɛ ɔrensan nʼakyi na ɔrenhu asase a wɔwoo no wɔ so no bio.
Aza mitomany ny maty ianareo, na misaona azy; Mitomania dia mitomania noho ilay efa lasan-ko babo; Fa tsy hiverina intsony izy, na hahita ny tany nahaterahany.
11 Na sɛɛ na Awurade ka faa Yosia babarima Salum a odii nʼagya ade sɛ Yudahene na wafi ha no ho: “Ɔrensan mma bio.
Fa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ i Saloma, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, dia ilay nanjaka nandimby an’ i Josia rainy, saingy efa niala tamin’ ity tany ity: Tsy hiverina atỳ intsony izy,
12 Obewu wɔ faako a wɔafa no nnommum kɔ hɔ; na ɔrenhu saa asase yi bio.”
Fa ho faty any amin’ ny tany izay nitondrana azy ho babo ka tsy hahita ity tany ity intsony.
13 “Nnome nka nea ɔmfa ɔkwan trenee so nsi nʼahemfi, ɔde asisi si nʼabansoro, ɔma ne manfo yɛ adwuma kwa, ontua wɔn apaade so ka.
Lozan’ izay manorina ny tranony amin’ ny tsy rariny sy ny ati-tranony ambony amin’ ny fitaka ka mampiasa maina ny namany, fa tsy mandoa ny karamany,
14 Ɔka se, ‘Mesi ahemfi kɛse ama me ho nea ɛwɔ abansoro adan a mu soso.’ Enti ɔyɛ mfɛnsere akɛse wɔ mu, ɔde sida dura mu na ɔde ahosu kɔkɔɔ hyehyɛ mu.
Sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho sy ati-trano ambony malalaka, ary holoahany hisy varavarankely sady hasiany valin-drihana sedera sy hohosorana loko mena.
15 “Wowɔ sida bebree a na ɛma woyɛ ɔhene ana? Na wʼagya nni aduan ne nsa ana? Ɔyɛɛ nea ɛfa ne kwan mu na ɛteɛ, enti esii no yiye.
Moa dia ho mpanjaka ianao, saingy ataonao be sedera noho ny an’ ny sasany ny tranonao? Tsy efa nihinana sy nisotro va rainao sady nanao fitsarana sy fahamarinana? Tamin’ izany dia nambinina izy.
16 Odii mmɔborɔfo ne ahiafo nsɛm maa wɔn, enti biribiara yɛɛ yiye maa no. Na ɛnyɛ eyi na ɛkyerɛ sɛ obi nim me ana?” Awurade na ose.
Nitsara ny tenin’ ny ory sy ny malahelo izy; Tamin’ izany dia nambinina izy. Tsy izany va no fahalalana Ahy? hoy Jehovah.
17 “Mo ani ne mo koma wɔ mfaso bɔne nko ara so, sɛ muhwie mogya a edi bem gu na moyɛ nhyɛso ne asisi nso.”
Nefa tsy misy alehan’ ny masonao sy ny eritreritrao afa-tsy ny filan-karena ihany sy ny fandatsahana rà marina ary ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny.
18 Ɛno nti, sɛɛ na Awurade ka fa Yudahene Yosia babarima Yehoiakim ho: “Wɔrensu no: ‘A, me nuabarima! A, me nuabea!’ Wɔrensu no: ‘A, me wura! A, nʼahoɔfɛ!’
Ary noho izany dia izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda: Ny olona tsy hisaona azy hoe: Indrisy, tompokolahy! na: Indrisy, tompokovavy! Ny olona tsy hitomany azy hoe: Indrisy, tompoko! na: Indrisy ny voninahiny!
19 Wobesie no sɛ afurum, wɔbɛtwe nʼase na wɔatow no akyene Yerusalem apon akyi.”
Halevina toy ny fandevina boriky izy, ka hotaritarihina sy hariana any ivelan’ ny vavahadin’ i Jerosalema.
20 “Monkɔ Lebanon nkosu, momma wɔnte mo nne wɔ Basan, munsu mfi Abarim, efisɛ wɔadwerɛw mo dɔm nyinaa.
Miakara any Libanona, ka mitaraina; Dia asandrato any Basana ny feonao, ary mitaraina any Abarima; Fa ringana avokoa ireo tia anao.
21 Mebɔɔ wo kɔkɔ, bere a na ɛyɛ wo sɛ wʼasom adwo wo no, nanso wokae se, ‘Merentie!’ Eyi ne ɔkwan a wonam so fi wo mmerantebere mu; woanyɛ osetie amma me.
Efa niteny taminao Aho, fony ianao mbola nipetraka tsy nanana ahiahy; Nefa hoy ianao: Izaho tsy hihaino. Fanaonao hatry ny fony ianao mbola tanora ny tsy mihaino ny teniko.
22 Mframa bɛbɔ wo nguanhwɛfo nyinaa akɔ, na wʼapamfo nyinaa bɛkɔ nnommum mu. Afei wʼani bewu na wʼanim agu ase esiane wʼamumɔyɛ nyinaa nti.
Ny mpitondra anao rehetra ho paohin’ ny rivotra, ary ireo tia anao ho lasan-ko babo, eny, ho menatra sy hangaihay tokoa ianao noho ny haratsianao rehetra.
23 Mo a mote Lebanon, na modeda sida adan mu, sɛnea mubesi apini wɔ ɔyaw mu, ɔyaw ɛte sɛ ɔbea a ɔreko awo de.
Ry ilay mponina any Libanona, izay manao ny akaninao eny amin’ ny sedera, indrisy ny fisentoanao, raha iharan’ ny faharariana ianao, toy ny fanaintainan’ ny vehivavy raha miteraka!
24 “Nokware, sɛ mete ase yi,” Awurade na ose, “Mpo sɛ wo Yehoiakin, Yudahene Yehoiakim babarima yɛ me nsa nifa so nsɔwano kaa a, anka mɛworɔw wo.
Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, na dia ho peratra fanombohan-kase amin’ ny tanako ankavanana aza ianao, ry Jekonia, zanak’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, dia hotsoahako hiala eo ianao,
25 Mede wo bɛma wɔn a wɔrehwehwɛ wo kra, wɔn a wusuro wɔn no; Babiloniahene Nebukadnessar ne Babiloniafo.
Ka hatolotro eo an-tànan’ izay mitady ny ainao sy eo an-tànan’ izay atahoranao, dia eo an-tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy eo amin’ ny tanan’ ny Kaldeana.
26 Mɛpam wo ne ɛna a ɔwoo wo no akogu ɔman foforo so, baabi a ɛnyɛ hɔ na wɔwoo mo mu biara, hɔ na mo baanu bewuwu.
Ary ianao sy ny reninao niteraka anao dia hariako any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo, ka any no hahafatesanareo.
27 Morensan mma asase a mo kɔn dɔ sɛ mobɛsan aba so no so bio.”
Fa ny tany iriny hiverenana dia tsy hiverenany.
28 Saa ɔbarima Yehoiakin yi yɛ asɛnka a abɔ ade a obiara mpɛ ana? Adɛn nti na wɔbɛpam ɔne ne mma, akogu asase a wonnim so no so?
Moa ity lehilahy Jekonia ity dia vilany vingavingaina sy efa hotorotoroina ary fanaka tsy mahafinaritra va? Koa nahoana no nariana izy sy ny taranany ka natsipy any amin’ ny tany tsy fantany?
29 Ao, asase, asase, asase! Tie Awurade asɛm!
Ry tany! ry tany! ry tany! Henoy ny tenin’ i Jehovah.
30 Sɛɛ na Awurade se: “Monkyerɛw ɔbarima yi ho asɛm nto hɔ te sɛ obi a onni ba, ɔbarima a ɔrennya nkɔso ne nkwa nna nyinaa na nʼasefo mu biara rennya nkɔso, na wɔn mu biara rentena Dawid ahengua so na wɔrenni Yuda so hene bio.”
Izao no lazain’ i Jehovah Soratanareo ho tsy manam-para ity lehilahy ity, dia lehilahy tsy hambinina amin’ ny androny; Fa tsy hisy amin’ ny taranany izay hambinina Hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida, na hanapaka ao amin’ ny Joda intsony