< 1 Mose 21 >

1 Afei, Awurade dom Sara sɛnea ɔhyɛɛ no bɔ no.
Ary Jehovah namangy an’ i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary dia nataon’ i Jehovah tamin’ i Saraha araka ilay efa noteneniny.
2 Sara nyinsɛnee, na ɔwoo ɔbabarima maa Abraham wɔ ne nkwakoraabere mu, bere a Awurade hyɛɛ no bɔ no mu pɛpɛɛpɛ.
Dia nanan’ anaka Saraha ka niteraka zazalahy tamin’ i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin’ ny fotoana izay efa nolazain’ Andriamanitra taminy.
3 Abraham too ɔbabarima a Sara woo no maa no no din Isak, a ase ne Serew.
Ary ny anaran’ ny zanany izay teraka, ilay naterak’ i Saraha taminy dia nataon’ i Abrahama hoe Isaka.
4 Bere a Isak dii nnaawɔtwe no, otwaa no twetia, sɛnea Onyankopɔn hyɛɛ no no.
Dia noforan’ i Abrahama Isaka zanany, rehefa teraka havaloana izy, araka izay efa nandidian’ Andriamanitra azy.
5 Wɔwoo Isak maa Abraham no, na wadi mfe ɔha.
Ary efa zato taona Abrahama, raha niteraka an’ i Isaka zanany izy.
6 Sara kae se, “Onyankopɔn ama maserew. Na obiara a ɔbɛte saa asɛm yi ne me bɛbɔ mu aserew.”
Ary hoy Saraha: Efa nampihomehezin’ Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko.
7 Sara ka kaa ho se, “Hena na ɔsoo ho dae ka kyerɛɛ Abraham se Sara bɛwo mma. Nanso ne nkwakoraabere mu yi, mawo ɔbabarima ama no.”
Ary hoy koa izy: Nampoizin’ iza akory moa no hilaza amin’ i Abrahama fa hampinono zaza Saraha? kanjo efa niteraka zazalahy taminy aho, rehefa antitra izy.
8 Abofra no nyin ma wotwaa no nufu. Da a wotwaa Isak nufu no, Abraham too pon kɛse.
Ary rehefa lehibe ny zaza, dia notazana; ary Abrahama nanao fanasana lehibe tamin’ ny andro nanotazana an’ Isaka.
9 Nanso Sara hui sɛ, ɔbabarima a nʼafenaa Misraimni Hagar woo no maa Abraham no redi Isak ho fɛw.
Ary Saraha nahita fa nihomehy ny zanak’ i Hagara Egyptiana, izay efa naterany tamin’ i Abrahama.
10 Enti Sara ka kyerɛɛ Abraham se, “Pam saa afenaa yi ne ne babarima yi fi ha; na Isak ne saa afenaa babarima yi nni wʼagyapade biara mu kyɛfa.”
Dia hoy izy tamin’ i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak’ io andevovavy io tsy hiray lova amin’ ny zanako, dia amin’ Isaka.
11 Abraham tee saa asɛm no, esiane ne babarima Ismael nti, ne werɛ how yiye.
Fa ratsy teo imason’ i Abrahama indrindra izany teny izany noho ny amin’ ny zanany.
12 Nanso Onyankopɔn ka kyerɛɛ Abraham se, “Mma wo babarima Ismael ne wʼafenaa Hagar ho asɛm no nhaw wo bebree. Asɛm biara a Sara bɛka akyerɛ wo no, tie, efisɛ Isak so na wɔnam bɛkan wʼasefo.
Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Abrahama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin’ ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain’ i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny, fa avy amin’ Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.
13 Mɛma afenaa no babarima Ismael no nso asefo ayɛ ɔman kɛse, efisɛ ɔno nso yɛ wʼaseni.”
Nefa ny zanaky ny andevovavy kosa dia hataoko ho firenena, satria terakao ihany izy.
14 Ade kyee anɔpatutuutu no, Abraham faa aduan ne nsu a egu aboa nhoma mu de maa Hagar. Ɔde aduan no ne nsu no sisii Hagar mmati so, ka kyerɛɛ ɔne ne ba Ismael no se wɔnkɔ. Ofii hɔ kokyinkyin Beer-Seba sare so a na onhu baabi a ɔrekɔ.
Dia nifoha maraina koa Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an’ i Hagara ka napetrany teo an-tsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-efitr’ i Beri-sheba.
15 Nsu a ɛwɔ aboa nhoma no mu sae no, ɔde ne babarima no kohintaw wura no mu baabi.
Ary rehefa lany ny rano tao amin’ ny siny hoditra, dia nariany teo am-pototry ny hazo kely anankiray ny zaza.
16 Na ɔkɔtenaa akyiri baabi a wotow ɔbo a ɛbɛtɔ, kae se, “Merentumi nhwɛ sɛ abarimaa no bewu.” Na bere a Hagar te hɔ saa no, ofii ase sui.
Dia lasa izy ka nipetraka terỳ lavidavitra tandrifiny, tokony ho tra-tsipìka; fa hoy izy: Aza mba ho hitako anie izay hahafatesan’ ny zaza. Ary nipetraka tandrifiny izy, dia nanandratra ny feony nitomany.
17 Onyankopɔn tee sɛ abarimaa no resu. Onyankopɔn bɔfo fi ɔsoro frɛɛ Hagar bisaa no se, “Hagar! Ɛyɛ dɛn? Nsuro, efisɛ Onyankopɔn ate abarimaa no su wɔ faako a ɔda no.
Ary ren’ Andriamanitra ny feon’ ny zaza, dia niantso an’ i Hagara Ilay Anjelin’ Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy hoe: Inona izato manjo anao, ry Hagara? Aza matahotra, fa efa ren’ Andriamanitra ny feon’ ny zaza eo amin’ ny itoerany.
18 Ma abarimaa no so, efisɛ mɛma no ayɛ ɔman kɛse.”
Mitsangana, areno ny zaza, ka tantano; fa hataoko firenena lehibe izy.
19 Na Onyankopɔn buee Hagar ani ma ohuu asubura bi. Ɔde aboa nhoma no kɔsaw nsu ma, na ɔmaa abarimaa no bi nomee.
Dia nampahiratin’ Andriamanitra ny mason’ i Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy; ary lasa izy, dia nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza.
20 Onyankopɔn adom nti, abarimaa no nyinii. Ɔtenaa sare no so huu agyantow yiye.
Ary nomban’ Andriamanitra ny zaza, dia nitombo izy; ary nonina tany an-efitra izy ka nony efa lehibe dia tonga mpandefa tsipìka.
21 Bere a ɔte Paran sare so no, ne na kɔfaa ɔbea fi Misraim asase so de no brɛɛ no aware.
Ary nonina tany an-efitra Parana izy ka nakan’ ny reniny vady avy tany amin’ ny tany Egypta izy.
22 Saa bere no mu, ɔhene Abimelek ne ne sahene Pikol baa Abraham nkyɛn bɛka kyerɛɛ no se, “Biribiara a woyɛ no, Onyankopɔn ka wo ho.
Ary tamin’ izany andro izany Abimeleka sy Pikola, komandin’ ny miaramilany, dia niteny tamin’ i Abrahama ka nanao hoe: Omban’ Andriamanitra ianao amin’ izay rehetra ataonao;
23 Enti afei, di nsew ka ntam wɔ Onyankopɔn anim kyerɛ me wɔ ha se, worentwa me mma anaa mʼasefo nkontompo. Saa ayamye a mayɛ wo no, saa ara na fa yɛ me ne ɔman a wote so sɛ ɔnanani no.”
koa ankehitriny ianiano amin’ Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako ianao; fa araka ny soa izay efa nataoko taminao no mba ataovy amiko sy amin’ ny tany izay ivahinianao.
24 Abraham penee so se, “Meka saa ntam no!”
Ary hoy Abrahama: Hianiana ihany aho.
25 Na Abraham de asubura bi a Abimelek nkoa de anuɔden afa no ho asɛm kɔtoo Abimelek anim.
Ary Abrahama nananatra an’ i Abimeleka noho ny lavaka fantsakana anankiray izay efa nalain’ ny mpanompon’ i Abimeleka an-keriny
26 Nanso Abimelek kae se, “Minnim onipa ko a ɔyɛɛ saa ade no. Woammɔ me ho amanneɛ. Nnɛ na mate saa asɛm yi.”
Dia hoy Abimeleka: Tsy fantatro izay nanao izany; fa ianao tsy mbola nanambara tamiko, ary izaho koa tsy mba nahare, raha tsy vao izao.
27 Enti Abraham de nguan ne anantwi brɛɛ Abimelek. Na mmarima baanu yi de yɛɛ apam.
Ary Abrahama naka ondry aman’ osy sy omby, ka nomeny an’ i Abimeleka; dia nanao fanekena izy roa lahy.
28 Abraham yii nguantenmma abere ason fii nguankuw no mu gyinaa nkyɛn,
Ary Abrahama nanokana ondrivavikely fito navahana tamin’ ny ondry.
29 na Abimelek bisaa Abraham se, “Nguantenmma abere ason a woayi wɔn agyina nkyɛn yi ase kyerɛ dɛn?”
Ary hoy Abimeleka tamin’ i Abrahama: Hatao inona ireo ondrivavy kely fito natokanao ireo?
30 Abraham buae se, “Ne nkyerɛase ara ne sɛ, ɛyɛ akyɛde a mede rema wo de adi adanse sɛ, me na mituu saa abura yi.”
Ary hoy izy: Mba horaisinao avy amin’ ny tanako ireo ondrivavy kely fito ireo ho vavolombelona amiko fa izaho nihady io lavaka fantsakana io.
31 Efi saa bere no rekɔ no, wɔfrɛɛ saa abura no Beer-Seba, a ase ne Ntanka Abura, efisɛ ɛhɔ na wɔn baanu yɛɛ apam no.
Izany no nanaovana io tany io hoe Beri-sheba; satria teo no nianianan’ izy roa lahy.
32 Wɔyɛɛ apam no wiee wɔ Beer-Seba no, ɔhene Abimelek ne ne Sahene Pikol san kɔɔ Filistifo asase so.
Dia nanao fanekena tany Beri-sheba izy; ary dia niainga Abimeleka sy Pikola, komandin’ ny miaramilany, ka niverina ho any amin’ ny tanin’ ny Filistina.
33 Abraham nso duaa dua bi a wɔfrɛ no asantɛw wɔ abura no ho wɔ Beer-Seba. Ɛhɔ na na ɔsom Awurade teasefo no daa.
Dia namboly hazo tamariska tany Beri-sheba Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran’ i Jehovah, dia Andriamanitra Mandrakizay.
34 Abraham tenaa Filistifo asase no so sɛ ɔnanani nna bebree.
Ary Abrahama nivahiny elaela ihany tany amin’ ny tanin’ ny Filistina.

< 1 Mose 21 >