< 2 Mose 15 >
1 Na Mose ne Israelfo no too saa dwom yi de kamfoo Awurade: “Mɛto dwom ama Awurade, efisɛ wadi nkonim anuonyam mu; Watow ɔpɔnkɔ ne ne sotefo no agu po mu.
Ary Mosesy sy ny Zanak’ Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an’ i Jehovah ka nanao hoe: Hihira ho an’ i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin’ ny ranomasina.
2 “Awurade yɛ mʼahoɔden, me dwom ne me nkwagye. Ɔyɛ me Nyankopɔn, na mɛkamfo no. Ɔyɛ mʼagya Nyankopɔn, mɛma no so.
Jehovah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho.
3 Awurade yɛ ɔkofo; ne din ne Awurade.
Jehovah dia mpiady mahery, Jehovah no anarany.
4 Farao nteaseɛnam ne nʼakofo, watow wɔn agu po mu. Wɔamemem wɔ Po Kɔkɔɔ mu. Misraim akofo atitiriw awuwu asorɔkye ase.
Ny kalesin’ i Farao sy ny miaramilany natsipiny ao amin’ ny ranomasina; ary ny kapiteny voafantina nasitrika ao amin’ ny Ranomasina Mena.
5 Nsu akata wɔn so. Wɔmemem asubun mu sɛ ɔbo.
Ny lalina nanarona azy: Nilentika tany ambany indrindra tahaka ny vato izy.
6 Wo nsa nifa, Awurade, tumi ne anuonyam ahyɛ no ma; wo nsa nifa, Awurade, atetew atamfo mu pasaa.
Ny tananao ankavanana, Jehovah ô, efa malaza amin’ ny hery; ny tananao ankavanana, Jehovah ô, manorotoro ny fahavalo.
7 “Wo tumi kɛse no mu na wonam tuu wɔn a wotia wo no gui. Womaa wʼabufuw bɛhyew wɔn sɛnea ogya hyew sare.
Amin’ ny halehiben’ ny voninahitrao no andringananao izay nitsangana hanohitra Anao; alefanao ny fahatezeranao mirehitra, izay mandevona azy toy ny mololo.
8 Wugu ahome a, nsu mu pae. Egyinaa sɛ afasu maa po taa fa ne fa.
Ary ny fofonain’ ny vavoronao no nanangonanao ny rano; nivongovongo toy ny antontan-javatra ny rano maria; nandry teo afovoan’ ny ranomasina ny lalina.
9 Ɔtamfo kae se, ‘Mɛtaa wɔn, mɛto wɔn, asɛe wɔn. Mɛtwe mʼafoa wɔ wɔn so atwitwa wɔn asinasin.’
Hoy ny fahavalo: Hanenjika aho, hahatratra aho, hizara babo aho ka hanao izay sitraky ny foko aminy, hotsoahako ny sabatra, ka hamongotra azy ny tanako.
10 Nanso Onyankopɔn bɔɔ ne mframa ma po kataa wɔn so. Wɔmemem sɛ sumpii wɔ subun no mu.
Ny fofonainao no nitsofanao, dia nanarona azy ny ranomasina: nilentika tahaka ny firaka ao amin’ ny rano mahery izy.
11 Hena na ɔte sɛ Awurade wɔ anyame mu? Hena na ɔte sɛ wo? Obirɛmpɔn, wɔ kronkronyɛ mu; nea yɛde osuro kronkron ma nʼanuonyam, Ɔnwonwani Nyankopɔn.
Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin’ izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin’ ny fahamasinana, deraina amin’ ny fahatahorana, Mpanao fahagagana?
12 “Woteɛɛ wo nsa nifa na asase menee wɔn.
Nahinjitrao ny tananao ankavanana, dia nitelina ireo ny tany.
13 Woadi nnipa a wugyee wɔn no anim. Wʼayamye mu, wubedi wo nkurɔfo a woagye wɔn anim. Wʼahoɔden mu, wobɛkyerɛ wɔn kwan akɔ wo tenabea kronkron hɔ.
Tarihinao amin’ ny famindram-ponao ny firenena izay navotanao, ka entinao amin’ ny herinao ho any amin’ ny fonenanao masìna izy.
14 Amanaman bɛte ama wɔn ho apopo. Ehu bɛka nnipa a wɔwɔ Filistia.
Mandre ny firenena ka raiki-tahotra; Hovitra no mahazo ny mponina any Filistia;
15 Edom mpanyimfo besuro. Atumfo a wɔwɔ Moab ho bɛwosow. Na nnipa a wɔwɔ Kanaan nyinaa bɛbɔ huboa.
Toran-kovitra ny loham-pirenen’ i Edoma; azon-korohoro ny lehilahy maherin’ i Moaba; reraka ny fon’ izay rehetra monina any Kanana.
16 Ehu ne suro bɛtɔ wɔn so. Awurade, wo tumi nti, wɔremma yɛn so! Wo nkurɔfo a wotɔɔ wɔn Betwa wɔn ho asomdwoe mu.
Mahazo azy ny tahotra sy ny hovitra; Noho ny halehiben’ ny sandrinao dia mangìna tahaka ny vato izy, mandra-pandalon’ ny olonao, Jehovah ô, mandra-pandalon’ny olona izay navotanao.
17 Wode wɔn bɛba abedua wɔn wɔ wo bepɔw so, wo ara wo fi hɔ, Awurade— Kronkronbea a woasiesie sɛ wo tenabea no.
Dia hampiditra azy Hianao ka hamponina azy ao amin’ ny tendrombohitra lovanao, ao amin’ ny fitoerana nataonao hitoeranao, Jehovah ô, dia ao amin’ ny fitoerana masìna naorin’ ny tananao, Tompo ô.
18 “Awurade bedi hene akosi daa.”
Jehovah hanjaka mandrakizay doria.
19 Farao apɔnkɔ, nʼapɔnkɔkafo ne ne nteaseɛnam pɛɛ sɛ wɔfa po no mu; nanso Awurade buu nsu afasu no guu wɔn so bere a na Israelfo no nam mu sɛ asase wosee so.
Fa niditra teo amin’ ny ranomasina ny soavalin’ i Farao sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny, ary Jehovah nampikatona ny ranomasina taminy; fa ny Zanak’ Isiraely kosa nandeha tamin’ ny tany maina teo afovoan’ ny ranomasina.
20 Ɛhɔ na Odiyifobea Miriam a ɔyɛ Aaron nuabea faa akyene bi bɔ de dii mmea no anim ma wɔsawee.
Ary Miriama mpaminanivavy, anabavin’ i Arona, dia nitondra ny ampongatapaka teny an-tànany; ary nivoaka nanaraka azy ny vehivavy rehetra nitondra ampongatapaka sady nandihy.
21 Ɛnna Miriam too saa dwom yi: “Monto dwom mma Awurade na wadi nkonim anuonyam mu. Wama ɔpɔnkɔ ne ne sotefo amem po ase.”
Ary Miriama namaly ireo lehilahy ireo ka nihira hoe: Mihira ho an’ i Jehovah, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy nariany ao amin’ ny ranomasina.
22 Afei, Mose dii Israelfo no anim ne wɔn tu fii Po Kɔkɔɔ no ho kɔɔ Sur sare so. Na wɔnantew sare no so nnansa a wɔannya nsu annom.
Ary Mosesy nitondra ny Isiraely nifindra avy teo amoron’ ny Ranomasina Mena, dia nandroso ho any amin’ ny efitra Sora izy; ary nandeha hateloana tany an-efitra izy fa tsy nahita rano.
23 Woduu Mara no, wɔantumi annom ɛhɔ nsu, efisɛ na ɛyɛ nwene. Ɛno nti na wɔfrɛ hɔ Mara no; ase ne: Nweenwen.
Dia tonga tao Mara izy, fa tsy nahasotro ny rano tao Mara, satria nangidy izany; koa izany no nanaovany ny anarany hoe Mara
24 Enti nnipa no nwiinwii tiaa Mose sɛ, “Dɛn na yɛnnom?”
Dia nimonomonona tamin’ i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Inona no hosotroinay?
25 Mose srɛɛ Awurade sɛ ɔmmoa wɔn, na Awurade kyerɛɛ no dubaa bi. Na ɔtow too nsu no mu, na ɛyɛɛ dɛ maa wotumi nomee. Mara hɔ na Awurade hyɛɛ saa mmara yi maa wɔn se,
Ary dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy, ka dia nanehoan’ i Jehovah hazo anankiray, ary rehefa natsipiny tao anatin’ ny rano izany, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan’ i Jehovah lalàna sy fitsipika ho azy, ary tao no nizaha ny toetra azy,
26 “Sɛ mubetie Awurade mo Nyankopɔn nne, na moayɛ osetie ayɛ ade trenee de a, ɔyare a mema ɛbɔɔ Misraimfo no, meremma bi mmɔ mo, efisɛ mene Awurade a mesa mo nyarewa.”
ka hoy Izy: Raha hazoto hihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin’ ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao.
27 Wɔbaa Elim a ɛhɔ na na mmura dumien ne mmedua aduɔson wɔ, nti wosisii wɔn ntamadan, tenaa mmura no ho.
Ary tonga tao Elima izy; ary tao nisy loharano roa ambin’ ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo anilan’ ny rano izy.